Articles écrits par « Njaka »
-
Fanapariaham-pahefana
jeudi 30 octobre 2008 |
Njaka
| 526 visites
Ambohipihaonan’ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny faritra Ambonin’i Matsiatra sy ireo faritra manodidina ny ao Fianarantsoa nanomboka ny alarobia teo. Manao varavarana misokatra eo anoloan’ny biraon’ny faritra ny fikambananan’ny kaominina antsoina hoe : Andohamatsiatra, ahitana ireo kaominina 14 manamorona ny renirano Matsiatra. Natao ho fampahafantarana ny asan’ny kaominina sy ny fikambanana no tanjona amin’izany. Tsy ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana ihany fa hatramin’ireo fikambanana (...)
-
Raharaha Sakaraha
mardi 21 octobre 2008 |
Njaka
| 834 visites
Nitohy androany any amin’ny fampanoavana ao amin’ny tribonalin’i Toliara ny fakana ambavany ny ben’ny tanànan’i Sakaraha, Longo Rafa sy ny lehiben’ny distrika, Nestor Zerambay. Fanaparam-pahefana no niampangana azy ireo.
Araka ny voalazan’ireto notoriana sy voatazona aloha dia lehilahy antsoina hoe Richard izay karohin’ny mpitandro ny filaminana no nitory azy ireo. Nohainoana koa ireo vavolombelona dimy hafa.
Raha ny fialzan’ireto ben’ny tanana sy sefo distrkia dia nanafika ny ombin’ny (...)
-
Nigadra noho ny kolikoly
mardi 14 octobre 2008 |
Njaka
| 879 visites
Naiditra am-ponja vonjimaika ao Maintirano ny talem-paritry ny minisiteran’ny asa vaventy miasa ao amin’ny faritry Melaky ny faran’ny volana aogositra teo. Ny Bianco avy any Mahajanga no nidina tany an-toerana tamin’izay ka nisahana ny raharaha. Fitoriana maro dia maro no voarainy momba izany.
Ny 21 oktobra izao kosa ny fitsarana ao amin’ny tribonaly ao Maintirano ihany. Noho ny fitoriana maro amin’ny resaka kolikoly no antony mazava ho azy. Mpiasan’ny asa vaventy, ben’ny tanàna maro, (...)
-
Fanotofana eny Andohatapenaka
vendredi 10 octobre 2008 |
Njaka
| 847 visites
Tokony hisy mangarahara ny fanotofana tany atao eny amin’ny Route Digue eny Andohatapenaka hoy ny Leader Fanilo. Iza ny orinasa tsy miankina volaza fa hiaraka amin’ny fanjakana hanatanteraka azy ao anatin’ilay ny 3P. Iza no mamatsy vola izany? Misy fifanoherany koa ny fanazavan’ny ministry ny fanajariana ny tany sy ny filoha Ravalomanana marc. Ny misnitra nilaza fa hanganana trano fonenana na logements sociaux ny tany. Ny filohampirenena kosa nilaza fa hanganana orinasa manodina sakafom-biby. (...)
-
Raharaha Imerintsiatosika
lundi 6 octobre 2008 |
Njaka
| 681 visites
Naharitra hatramin’ny folo alina ny faharetan’ny fakàna ambavany tamin’ny fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo ny alarobia lasa teo. Ny raharaha fandrobana sy fandorana tokantranona mpanangom-bokatra tao imerintsiatosika noheverina fa mpangala-jaza no antony. Ny folo tamin’izy ireo no nampidirana amponja vonjimaika, iray vehivavy. Ny 11 hafa kosa nahazo fahafahana vonjimaika mandra-piandry ny fotoam-pitsarana. Anisan’izany ilay ramatoa nilaza fa manan-janaka (...)
-
Faritra Alaotra Mangoro
lundi 6 octobre 2008 |
Njaka
| 494 visites
Misy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG misoloky ao tanambe, distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Miara-miasa amin’ny federasion’ny fikambanan’ny tantsaha izy ka naka vola iray tapitrisa ariary isaky ny fikambanana hividianan fitaovam-pamokarana toy ny kibota. Efa tamin’ny taon-dasa no nitrangan’izany. Iray volana ihany anefa no fepotoana nolazain’ity ONG ity fa hahatongavan’ny fitaovana kanefa tsy misy hatramin’izao. Nolazainy fa efa ao amin’ny ministeran’ny fambolena (...)
-
Raharaha Imerintsiatosika
jeudi 2 octobre 2008 |
Njaka
| 1294 visites

Niatrika ny fampanoavana omaly tontolo ny raharaha Imerintsiatosika, notondroina ho mpangala-jaza niafara tamin’ny fandrobana sy fandorana fanana’olona. Fitoriana roa samihafa, no niakatra fampanaovana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany tao Arivonimamo omaly sy nitohy hatramin’ny alina. Voalohany, ny fitorian’izy mivady rava fananana sy voaroba. Hatramin’ny sivy alina mbola mitohy ihany fihainoana. Ny borigadin’ny zandarin’Imerintsiatosika no nisahana izany. Ny faharoa, fitorian’ireo ray (...)
-
Raharaha Bôlô
mardi 30 septembre 2008 |
Njaka
| 1539 visites

Hivoaka ny 6 oktobra izao ny didim-pitsarana momba ny raharaha Bôlô. Naharitra ora folo mahery ny fitsarana ady heloka tsotra teny Anosy omaly tontolo. Famoahana fitaovam-piadiana antsokosoko tao amin’ny toby miaramila, RTS Fiadanana ny alin’ny 04 novambra 2007 no nampidirana am-ponja vonjimaika teny Antanimora sy Tsiafahy ireo 11 mirahalahy mianaka niaraka taminy tamin’izany. Nilaza i Emmanuel Razafindrazaka na i Bôlô fa nantsoin’ny ministry ny polisy, Razakanirina Lucien Victor; ny volana (...)
-
Antoko Leader Fanilo
mardi 16 septembre 2008 |
Njaka
| 479 visites
Amin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia izao, dia nanomana loabary andasy ny Leader Fanilo, nanasany ireo mpanao politika sy fiarahamonim-pirenena. Ny mpahay lalàna, Jean Eric Rakotoarisoa, Ny mpahay tantara, Lucile Rabearimanana, ny tanora mpandalina politika, Ketakandriana Rafitoson no nitondra fanazavana. Ho an’i Jean Eric Rakotoarisoa, dia nilaza fa tsy misy ny fahafahana ara-demokratika eto Madagasikara. Ny parlemanta no sehatra hisian’ny demokrasia, saingy (...)
-
Fanondranana hazo
jeudi 11 septembre 2008 |
Njaka
| 588 visites
Kaontenera maro mitondra hazo haondrana any ivelany no tavela ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Ny antony, niova ny fomba fiasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainaan sy ny Ala. Tsy haingana toy ny hatramin’izay intsony fa nitarazoka andro maromaro vao vita avokoa ny fanarahamaso rehetra. Raha ny fombahatramin’izay hoy ireo mpandraharaha mpanondrana hazo, rehefa tonga ao Toamasina ireo hazo, toy ny sapin, dia iray andro ihany no atao ny fanarahamaso, (...)
-
Namaly bontana ny TIM
mercredi 27 août 2008 |
Njaka
| 840 visites
Izay vao nisy tompon’andraikitry ny antokon’ny fitondrana nanazava resaka politika hamaliana ny fitakian’ny mpanohitra. Ny depiote Donat Andriamahefamparany, filoha lefitry ny TIM, no niatrika ny mpanao gazety. Nampifandraisiny ny hetsiky ny mpanohitra teo Analakely, ny sabotsy teo, sy ny olana ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. “ Manonofy ny mpanohitra fa raha resy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny kandidà Tim ny desambra 2007 teo, dia azony ilalaovana Antananarivo-Renivohitra ”, (...)
-
Antenierampirenena
mardi 26 août 2008 |
Njaka
| 856 visites
Raha nolazaina fa nahazo ny fiara 4X4 avokoa ireo solombavambahoaka tsy miankina 17 eny amin’ny Antenimierampirenena, dia tsy izany tampoka no zava-misy. Ny filohampirenena Marc Ravalomanana no nanome ampahatsorana, fa niova kosa izany rehefa tonga teny amin’ny Antenierampirenena ireo fiara.
Depiote tsy miankina efatra no fantatra fa tsy nahazo ny anjara tokony ho azy. Ny depiote isany, Jao Jean voafidy tany Antsohihy, Bruno Josvah voafidy tany Taolagnaro, Rambolazafy Alexandre na Chirack avy (...)
-
Fitsidihana tany Fianarantsoa
lundi 18 août 2008 |
Njaka
| 411 visites
Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovan’ny mpiasam-panjakana tatitra manomboka izao fa ireo tomponandraikitra any amin’ny toerana hiasany ihany koa.
Tsy maintsy mahazo tatitra any amin’ny sefo-ZAP momba ny fampianarana ohatra ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina hiasany. Torak’izany koa ny “médecin-chef” amin’ny tobim-pahasalamana fa tsy any amin’ny minisitera ihany. Eny anivon’ny distrika koa tahataka izay, manao tatitra isam-bolana any amin’ny lehiben’ny distrika ny “médecin inspecteur” (...)
-
Tsakotsako
vendredi 8 août 2008 |
Njaka,
RAW
| 1639 visites
Tanàna tsy misy mpivarotra, tsy misy rano fisotro na dia loharano aza, tsy misy jiro, tsy misy taxibrosy,.... ny ao Antakavana. Mandeha tongotra ora fito vao mahita ny lalana godorao. 170 km miala an'Antanaanrivo no misy azy, manaraka ny lalampirenena faha-efatra, ao amin'ny tendrony avaratra-atsinanan'ny distrikan'Ankazobe no misy azy. Rehefa afaka 30 km avy aty Antananarivo miala an'Ankazobe, mivily miankavanana, 45 km lalandratsy vao tonga ao amin'ny kaominina Antakavana. Be dahalo, tsy (...)
-
Tsenan’Ivato
mardi 22 juillet 2008 |
Njaka
| 635 visites
Androany indray vao hiakatra fampanoavana ny raharaha fitifirana tovolahy nataon’ilay zandary teny Ivato milaza fa mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika. Nihemotra izany raha tokony omaly maraina. Ny 11 aprily tamin’ny 4 ora hariva, tao amin’ny fivarotana fisotroana ity tovolahy ity no notifirin’ilay zandary basy. Maty teo no ho eo ihany izy satria niditra teo amin’ny tratrany ny bala ary tafavoaka tany an-damosina. Tsy nisy fikarakarana nataon’ ny fianakavian’ilay namono fa nolazain’ ireo havany fa (...)
-
Mpianatra avy any Texas
mardi 15 juillet 2008 |
Njaka
| 1577 visites
Taitra ireo mpianatra amin'ny fampianarana ambaratonga ambony raha nahita ny fomba nandraisan'ny filoha, Marc Ravalomanana ireo mpianatra 22 mianadahy nahavita fianarana avy any amin'ny oniversite tsy miankina any Texas. Ny nanatrika ny fivoahan'ireo mpianatra ireo no antondian'ny filoha Ravalomanana tany Etazonia ary nitondra azy ireo nody an-tanindrazana. Rehefa tonga teto indray, nanaovana lanonana manetriketrika ny fanolorana ny diplaoma teny amin'ny Carlton Anosy, izay natrehin'ny (...)
-
mardi 24 juin 2008 |
Njaka
| 885 visites
Misoko mangina tsy fantatry ny eto Antananarivo ny zava-misy any amin’ny renivohi-paritany any ankehitriny. Raikitra ny fisamborana mpanohitra. Tao Fianarantsoa, olona roa no voasambotra, Roger sy Chiriak, mpanohitra avokoa izy ireo. Any Toliara, nalaina ambavany ny senatera taloha Robert Razaka. Mitohy koa izany any amin’ny faritany hafa. Mitovy ny anton’ny fisamborana: Iza no mamatsy vola anareo mpanohitra milaza fa hanao fihetsiketsehana, iza no nanao ireny trakita ireny ?
Ny (...)
-
Sorgho
mercredi 23 avril 2008 |
Njaka
| 1275 visites

L’essai de production de sorgho a été plus que satisfaisant. Hier matin à la vitrine de Madagascar à Iavoloha s’est déroulée la présentation des résultats de la culture de sorgho. Une activité gérée par la région de l’Itasy et la Fofifa. Cet essai s’est avéré être un succès car la récolte a été très bonne. Le président de la République, après avoir visité certaines régions, a constaté que la production a été positive. Selon le représentant de la FAO, la texture de la récolte est très privilégiée en Afrique de (...)