Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 24 avril 2024
Antananarivo | 22h15
 

Malagasy

Fanapariaham-pahefana

Mihetsika ireo kaominina any Fianarantsoa

jeudi 30 octobre 2008 | Njaka

Ambohipihaonan’ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny faritra Ambonin’i Matsiatra sy ireo faritra manodidina ny ao Fianarantsoa nanomboka ny alarobia teo. Manao varavarana misokatra eo anoloan’ny biraon’ny faritra ny fikambananan’ny kaominina antsoina hoe : Andohamatsiatra, ahitana ireo kaominina 14 manamorona ny renirano Matsiatra. Natao ho fampahafantarana ny asan’ny kaominina sy ny fikambanana no tanjona amin’izany. Tsy ireo ben’ny tanàna ao anatin’ny fikambanana ihany fa hatramin’ireo fikambanana kaominina avy amin’ny faritra hafa koa. Toy ny fikambanana kaominina ao amin’ny faritr’i Horombe, hatrany amin’ny fikambanana Miarisoa any amin’ny faritr’Itasy, dia tonga tany Fianaranstoa avokoa.

Nanatrika ny fotoana tany an-toerana ny tale jeneralin’ny Fanapariahampahefana eo anivon’ny ministeran’ny Ati-tany, Guy Rivo Andrioanarisoa sy ireo talen’ny sampandraharaha misy ao aminy. Ilaina tokoa ny fikambanana kaominina toy izao mba hahamora ny asa fampandrosoana sy ny fahazoana fanampiana, hoy ny lahateniny. Ho avy ny vola fanampian’ny fanjakana ny kaominina amin’ny alalan’ny FDL na ny tahirim-bola ho fampandrosoana ifotony.

Fampidiran-ketra

Ny fampidiran-ketra no haingana indrindra amin’ny fahazoam-bolan’ny kaominina ka atao izay fanentanana rehetra ho an’ireo mponina ao aminy. Mba hamparisika azy ireo dia atao hita maso na azony tsapain-tanana ny vokatry ny fandoavan-ketra. Ohatra ny fanamboaran-dalana na fanatsarana atao amin’ny toerana izay fampiasan’ireo mpandoa hetra matetika. Tsy atao ho fampandehanan-draharahan’ny kaominina akory ny vola azo avy amin’ny hetra fa hanaovana asa fampandrosoana mivaingana, hoy ihany ny fanazavany teo anoloan’ireo ben’ny tanàna hatramin’ny 120 nanatrika ny fotoana. Toy ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’Andranovorivato, sy ny ben’ny tanànan’i Vohimarina samy ao anatin’ny fikambanana Andohamatsiatra, izay milaza fa ilaina tokoa ny fikambanan’ny kaominina tahaka izao mba hanatsarana ny fomba fiasa sy hifanakalozana fahaiza-manao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS