Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 14h50
 

Malagasy

Raharaha Sakaraha

« Olona mbola karohina no nitory ahy, hoy i Longo Rafa »

mardi 21 octobre 2008 | Njaka

Nitohy androany any amin’ny fampanoavana ao amin’ny tribonalin’i Toliara ny fakana ambavany ny ben’ny tanànan’i Sakaraha, Longo Rafa sy ny lehiben’ny distrika, Nestor Zerambay. Fanaparam-pahefana no niampangana azy ireo.

Araka ny voalazan’ireto notoriana sy voatazona aloha dia lehilahy antsoina hoe Richard izay karohin’ny mpitandro ny filaminana no nitory azy ireo. Nohainoana koa ireo vavolombelona dimy hafa.

Raha ny fialzan’ireto ben’ny tanana sy sefo distrkia dia nanafika ny ombin’ny sefompokontanin’Ankazera-Mikaiky kaominina Sakaraha ity Richard ity ny volana mey lasa teo. Lasa ny omby 22 ary voatifitra ilay sefompokontany. Tamin’ny fifanjevona nifanaovana tamin’ny fokonolona no nahafaty ny iray tamin’ireo dahalo. Tsy iza ilay maty fa mpiandry ny ombin’i Richard. Nanenjika ny zandary ka nahafaty dahalo iray hafa.

Efa tany amin’ny taona 2004 kosa no nokarohin’ny mpitandro ny filaminana ity lehilehy ity (Richard). Namono nahafaty ny mpiandry ombiny izy tamin’izay. Nampiharina ny Dina. Ny lehiben’ny distrika no nampihatra izany. Ny mpizaka no nanapaka fa omby zato no ilaina. Omby 203 anefa no tontalin’ny ombin’i Richard. Mbola namono olon-kafa tao Andakazera ihany koa ity farany ity ny 17 avrily teo. Nangataka omby 40 ny fianakavian’ny maty. Nampidirina foriera ny ombiny 68 hafa. Mihorohoro ankehitriny ny mponina ao amin’ny fokontany Andakazera-Miakika. Mandositra miala ao avokoa ireo olona ireo noho ny tahotra ny hisian’ny fanafihana.

Raha ny fanazavan’ny ben’ny tanàna Longo Rafa dia nosandohana ny soniany amin’ny taratasy izay natao. Tsy nanatrika ny fampiharana ny Dina akory aho, hoy ny fanazavany. Betsaka ny vaovao diso navoaka, hoy izy fa tsara ny mitondra fanazavana. Tsy tonga nanatrika ny fampanoavana kosa ny mpitory, Richard izay mbola karohina foana hatramin’izao. Misy ambadika politika entina hanapotehina ahy ity raharaha ity hoy ihany ny ben’ny tanàna.

Mpanao gazety tao amin’ny RTV teto Antananrivo fahiny no nahafantaran’ny rehetra an’i Longo Rafa. Manana onjam-peo tsy miakina izy any Sakaraha, ary voafidy ben’ny tanàna any antoerana tamin’ny antoko TIM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS