Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 16h02
 

Malagasy

Antenierampirenena

Depiote tsy miankina efatra tsy nahazo fiara 4X4

mardi 26 août 2008 | Njaka

Raha nolazaina fa nahazo ny fiara 4X4 avokoa ireo solombavambahoaka tsy miankina 17 eny amin’ny Antenimierampirenena, dia tsy izany tampoka no zava-misy. Ny filohampirenena Marc Ravalomanana no nanome ampahatsorana, fa niova kosa izany rehefa tonga teny amin’ny Antenierampirenena ireo fiara.

Depiote tsy miankina efatra no fantatra fa tsy nahazo ny anjara tokony ho azy. Ny depiote isany, Jao Jean voafidy tany Antsohihy, Bruno Josvah voafidy tany Taolagnaro, Rambolazafy Alexandre na Chirack avy any Ivohibe ary Zalifa Bente Salim avy any Analalava.

Niainga avy amin’ny fampiantsoan’ny Filohampirenena ireo solombavambahoaka taorian’ny fiafaran’ny fotoam-pivorian’ny parlemanta ny fanomezana fiara. Nandray fitenenana tamin’izany ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM fa tokony hahazo ny anjara fiara 4X4 amin’izay ireo depiote tsy miankina 17. Nanaiky ny fangatahana avy hatrany ny Filohampirenena. Nasaina nalain’ireo mpamilin’ny Antenimiera ny fiara ny 5 aogositra teo. Nasaina naverina ny iray satria an’ny depioten’i Mananara-Avaratra Zakahely Boniface izay migadra any Ambalatavoahangy-Toamasina.

Rehefa tonga teny Tsimbazaza, niova hevitra tampoka ny filohan’ny Antenierampirenena, Jacques Sylla. Nampivory ny mpikambanaa amin’ny birao maharitra izy tamin’izay ka nilaza fa aleo tsy omena izay depiote tsy tonga tamin’ny fampiantsoana teny Iavoloha. Navily làlana ny tompon’ny fiara, ka lasa ireo solombavambahoaka TIM vaovao nisolo toerana ireo lasa minisitra sy senatera indray no nomena.

Araka ny fantatra dia tsy tonga teny Iavoloha ny depiote Jao Jean, Chirack, ny hafa kosa tonga teny ihany. Taitra izy ireo raha tsy nomena indray. Nahazo ilay fiara tokony ho azy ireo kosa ny depiote TIM avy any Toamasina vaovao, nisolo ny minisitra Botozaza Pierrot, ny depioten’Amboasary Atsimo, nisolo ny senatera Kaleta sy ny hafa.

Efa namaly ny hetahetan’ireo solombavambahoaka tokoa ny Filohampirenena saingy nanova hevitra kosa ny filohan’ny Antenimierampirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS