Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 22h23
 

Malagasy

Fanondranana hazo

Kaontenera maro tavela ao Toamasina

jeudi 11 septembre 2008 | Njaka

Kaontenera maro mitondra hazo haondrana any ivelany no tavela ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Ny antony, niova ny fomba fiasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainaan sy ny Ala. Tsy haingana toy ny hatramin’izay intsony fa nitarazoka andro maromaro vao vita avokoa ny fanarahamaso rehetra. Raha ny fombahatramin’izay hoy ireo mpandraharaha mpanondrana hazo, rehefa tonga ao Toamasina ireo hazo, toy ny sapin, dia iray andro ihany no atao ny fanarahamaso, “phytosanitaire” sy ny fanomezana “certificat d’origine”, ny fandoavana “redevance”.

Mitarazoka ny asa

Vita izay dia azo ampidirina anaty sambo avy hatrany ny entana. Tsy izany intsony ankehitriny fa lasa nitarazoka hatramin’ny herinandro mihitsy. Vokany, mitombo betsaka ny vola haloa amin’ny fametrahana ny entana ao amin’ny seranan-tsambo, ny sambo tokony hitondra azy tsy maintsy mandeha fa tsy afaka miandy akory, izany hoe tara sambo amin’ny fotoana nifanarahana ny hazo ka miandry fotoana hatramin’ny 15 andro mihitsy . Ny mpiara-miombonantoka mandray ny hazo atsy amin’ny Nosy Maorisy, izay toerana handefasana ny hazo mety miala satria tsy nanaraka fe-potoana ny mpandraharaha malagasy, nanafarany entana.

“Matiantoka izahay”, hoy ny fitarainan’ireo mpandraharaha ireo. Mety tsy handray ny entana intsony ireo mpandraharaha. Tsy hoe hazo sarobidy, mitaky fanaraha-maso hentitra akory no haondrana fa hazo tsotra kanefa hasarotina ny rehetra. Tokony hafainganina aza ny fombafomba takiana amin’ny fanondranana amin’izao fidirana amin’ny SADC izao satria henjana ny fifaninanana. Tsy i Madagasikara irery akory no manana hazo toy ny sapin sy ny kininina ka miova firenena hafa indray ireo mpanafatra raha misy ny fahasahiranana tahaka izao. Niova mantsy ny talemparitry ny Tontolo iainana sy ny Ala ao Toamasina ka izay koa no mety mahatonga ny fahatarana, hoy ihany ireo mpandraharaha ireo. Kaontenera hatramin’ny roapolo no mihitsoka ao Toamasina amin’izao fotoana izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS