Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 20 avril 2024
Antananarivo | 13h55
 

Teny zato, kabary arivo

Raikitra indray ny fisamborana

mardi 24 juin 2008 | Njaka

Misoko mangina tsy fantatry ny eto Antananarivo ny zava-misy any amin’ny renivohi-paritany any ankehitriny. Raikitra ny fisamborana mpanohitra. Tao Fianarantsoa, olona roa no voasambotra, Roger sy Chiriak, mpanohitra avokoa izy ireo. Any Toliara, nalaina ambavany ny senatera taloha Robert Razaka. Mitohy koa izany any amin’ny faritany hafa. Mitovy ny anton’ny fisamborana : Iza no mamatsy vola anareo mpanohitra milaza fa hanao fihetsiketsehana, iza no nanao ireny trakita ireny ?

Ny filoham-pirenena, Marc, dia tsy nitsahatra nitety faritra tato ho ato, tany Nosy be, Antsiranana, Taolagnaro,ary ho any Toamasina. Efa notsidihany i Toliara sy Morondava, Mahajanga tao anatin’ny iray andro. Sady miantso ny mpanohitra hiara-hiasa aminy ny filoha no mamely ambadika.

Ny an’ny mpanohitra efa mazava, ny CRN no nanaparitaka ny trakta izay nosoniavin’ny Pr Zafy Albert, nilaza izy ireo fa handeha hitety faritra, ka inona indray ny famotorana sy fisamborana olon-afa ataon’ny mpitondra ? Fantatra fa misy olon-kafa tiana hosamborina koa ao Fianarantsoa ao, dia izay nampiantrano ny fivoriana, ny nandray anjara tamin’ny fivoriana tao amin’ny efitrano malalaky ny fiangonana katolika Talatamaty tany an-toerana. Izay no antony nampiantsoan’ny mpitandro ny filaminana olona 12 ny herinandro lasa teo.

Noraisina ho manakorontana ny filaminana anatiny avokoa izy ireo kanefa tsy nisy akory korontana na famoriam-bahoaka miteraka sakana ho an’ny asan’ny fanjakana andavanandro.

Ny vaovao farany aza milaza fa mandany vola 500 tapitrisa isan’andro ny mpanohitra hanaovana ireny hetsika isaky ny faritany ireny. Volabe tsy toko sy forohana izany ary natao hanosoram-potaka ny mpanohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS