Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 19 avril 2024
Antananarivo | 14h34
 

Malagasy

Fitsidihana tany Fianarantsoa

Nanazava ny fanovàna misy ny Praiminisitra

lundi 18 août 2008 | Njaka

Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovan’ny mpiasam-panjakana tatitra manomboka izao fa ireo tomponandraikitra any amin’ny toerana hiasany ihany koa.

Tsy maintsy mahazo tatitra any amin’ny sefo-ZAP momba ny fampianarana ohatra ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina hiasany. Torak’izany koa ny “médecin-chef” amin’ny tobim-pahasalamana fa tsy any amin’ny minisitera ihany. Eny anivon’ny distrika koa tahataka izay, manao tatitra isam-bolana any amin’ny lehiben’ny distrika ny “médecin inspecteur” miasa amin’ny SSD, ny lehiben’ny CISCO sy ireo sampan-draharaha hafa. Hatramin’izay dia ny tomponandraikitra isaky ny ambaratongan’ny minisitera hiasana ihany no hanaovana tatitra. Ny any amin’ny faritra indray, manao tatitra toy ny mahazatra ireo lehiben’ny sampandraharaha misy ao aminy.

Misy ben’ny tanàna tsy mahalala akory ny isan’ny mpianatra afaka fanadinana CEPE ao aminy satria tsy misy fifandraisany izy sy ny sefo ZAP ao aminy.

Nanao dinik’asa ho an’ireo lehiben’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny tany Fianarantsoa ny Praiminisitra, Charles Rabemananjara, ny alakamisy teo. Nampahafantatra ny fiovana hisy amin’ny firafitry ny fiarovam-pirenena sy ny fitandroana ny filaminana anatiny. Tsy ny minisitera mpiahy irery intsony no hanaovana ny tatitra.

Nohazavaina teo anoloan’ireo mpitandro ny filaminana sy foloalindahy niasa ao Fianarantsoa kosa ny firafitry ny fiarovam-pirenena vaovao. Ny miaramila hiandraikitra ny fiarovana, ny zandary sy ny polisy kosa hisahana ny filaminana anatiny. Izay no fiovana tsy maintsy atrehina ankehitriny.
Niaradia taminy ny minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Panja Rapanoelina, ny lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny tafika malagasy, ny jeneraly, Razafindralambo Rivo Hanitra, ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly, Lucien Raharijaona, ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, Talbot Antonin. Tao amin’ny efitrano fivorian’ny faritra Ambonin’i Matsiatra tao Tsianolondroa no nanatontosana ny fihaonana.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS