Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 29 mars 2024
Antananarivo | 04h30
 

Malagasy

Namaly bontana ny TIM

« Diso hevitra ny mpanohitra sy ny kaominina »

mercredi 27 août 2008 | Njaka

Izay vao nisy tompon’andraikitry ny antokon’ny fitondrana nanazava resaka politika hamaliana ny fitakian’ny mpanohitra. Ny depiote Donat Andriamahefamparany, filoha lefitry ny TIM, no niatrika ny mpanao gazety. Nampifandraisiny ny hetsiky ny mpanohitra teo Analakely, ny sabotsy teo, sy ny olana ao amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. “ Manonofy ny mpanohitra fa raha resy tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny kandidà Tim ny desambra 2007 teo, dia azony ilalaovana Antananarivo-Renivohitra ”, hoy izy.

“Tsy misy mpanohitra na mpanao politika hafa azon’ny antoko TIM ifampiresahana hatramin’izao satria ireo mpanohitra ireo dia tsy misolo tena ny vahoaka akory, noho izy ireo tsy manana olom-boafidy. Sarotra ny hanome sehatra ho azy ireo satria tsy mety mandray anjara amin’ny fifidianana mihitsy”, hoy ny mpitondra tenin’ny TIM.

Eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, tsy misy hafa tsy ny tenin-dreny ihany no fitaovana mahomby indrindra hampitana ny fianarana. Manamarina izany ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana teto amin’izao tontolo izao, hoy ny fanazavana teny amin’ny “Auditorium” Ankorondrano. Ny fanagasiana izay nisy tamin’ny taona 1975 dia ny fanagasiana mbola niady tamin’ny mpanjana-tany.
Mikasika ny kaominina indray, fony mbola nitantana ny kaominina ny TIM dia nifampiraharaha foana tamin’ny ministeran’ny Vola amin’izay mety famerenana ny vola nindramin’ny kaominina sy ny fangatahana fe-potoana hamerenana izany raha sahirana. Tsy maintsy aloa ny trosa fa ny minisitera no mamaritra izay fotoana tiany handoavan’ny kaominina izany.

Torak’izany koa ny trosa avy amin’ny banky iraisam-pirenena, voalazan’ny tompon’andraikitry ny kaominina Antananarivo-Renivohitra fa efa voafafa tamin’ny “Point d’achèvement” ny trosa. “Ny trosa avy amin’ny ministeran’ny Vola ihany no voakasiky ny famafana fa tsy ny orinasam-panjakana na ny vondrom-paritra toy ny kaominina”, hoy Donat Andriamahefamparany.

Novaliany tsirairay ny fanakianana matetika natao amin’ny fitondrana. “Tsy hisy hahazo tombontsoa amin’ny fidinana an-dalambe fa izay no nampahantra ny firenena tahaka izao”.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS