Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Fifidianana 16 martsa

    Kandidam-paritra no betsaka

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  332 visites
    Raikitra ny fifaninana hiakarana eo ambony seza. Tsy seza toy ny fahita eny an-tsena, fa seza hitoeran’ireo te handray ny fahefan’ny mpanolon-tsaim-paritra eto Madagasikara ny 16 martsa izao. « Vonona izahay ato anatin’ny antoko TIM », hoy ireo birao politika sy ny mpikambana ao aminy. « Izahay irery no mahafeno ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny hafa kosa toa kandidam-paritra no betsaka ». « Porofo ireo », hoy ny avy eo anivon’ity antoko ity, « fa vonona hiatrika ny (…)
  • Propagandy

    Hafana ny fanehoan-kevitra

    vendredi 29 février 2008 | Naivo kely |  317 visites
    Mety ho diso fijery ny maro, raha mahita fa toa mangina ny tontolom-pifidianana atao atsy ho atsy. Ny filatsahan’ny kandida no mangatsiaka, fa maro amin’ireo mpanao Politika kosa no hisafika ny fampielezan-kevittra amin’ity indray mitoraka ity. Efa misy ny fifanarahana vita nataon’ny mpanohitra maro amin’ireo izay sahy nilatsaka, fa hiaraka haneho hevitra eny rehetra eny. Tsy hanohana kandida fa hitsikera fanjakana. Sarotra ny fanehoan-kevitra eto amintsika, ka zara aza nisy sehatra (…)
  • Sekolim-panjakana

    Mitaky ny hifindra any ny tra-boina

    jeudi 28 février 2008 | Naivo kely |  300 visites
    Zara raha misy hitsorana. Trano lay zara raha mahazaka olona folo nefa mihoatra lavitra an’io no misy anay. Inona no tsy hamindrana anay any amin’ny sekolim-panjakana misy eto amintsika ? Ireo indray no heno amin’ny fitarainan’ny tra-boina eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Mety hiteraka aretina ho anay ny fipetrahana amin’ny lafika mangatsiaka, sy trano lay tery sy hivangogoan’ny fofona isan-karazany. Mangataka izahay ny hamindrana anay toerana hafa hoy ireto renim-pianakaviana maromaro (…)
  • Ambatomainty : zaza vao teraka

    Misy loaka eo amin’ny lohany

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  933 visites
    Nisy loaka ny lohan’ilay zazakely vao teraka. Zava-niseho tao amin’ny tobim-pahasalamana fampiterahana ao amin’ny distrikan’Ambatomainty io, tamin’ny faha 21 febroary lasa teo. Araka ny vaovao azo, dia nipotsaka teo amin’ilay loaka eo amin’ny lohan’ity zaza ity ny atidohany. Nahagaga ny rehetra ny seho fa tsy vaovao tamin’ny fianakavian’ity vehivavy niteraka ity. Voalaza fa zanany faharoa ity. Tamin’ny taona 2000 izy no niteraka ny zanany voalohany, tsy nisy valaka tamin’ity nahazo ny zanany (…)
  • Soarano

    Voaroaka ny mpivarotra amoron-dàlana

    jeudi 28 février 2008 | Hery A. |  538 visites
    Miparitaka manerana ny renivohitra indray ireo mpivarotra amoron-dalana amin’izao fotoana izao. Manomboka manala azy ireny ny kaominina, araka ny efa nampiomanany. Mbola tsy mivantana ny fanesorana fa mandeha tsikelikely. Ny etsy Soarano no voaendaka voalohany. Kitihina indray mantsy ireo tranom-barotra fivarotan’ny sinoa taloha, ilay miankina amin’ny EPP Soarano. Maro ny mpivarotra teo amin’ny antoandro, izay saika akanjo mihaja sy kojakoja madinidinika no betsaka. Amin’ny hariva, manomboka (…)
  • Fanampiana ho an’ny traboina

    Ny mpanararaotra no voky

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  496 visites
    Io indray ilay fitiavantena eo amin'ny gasy. Fanampiana natokana ho an'ireo traboina natolotry ny filoham-pirenena Ravalomanana no misy manodina sahady. Saika tsy mandeha amin'ny laoniny avokoa ny vola, ny vary sy ny voamaina natolotra ho an'ireo niharam-pahavoazana. Tetsy Anosimahavelona dia nahitana izany, satria vola 2 alina ariary isam-pianankaviana no voatokana ho zaraina isan'andro, dia maro no tsy nahazo ny anjarany. Izay mba mahazo indray, dia tsy misy afa-tsy dimy arivo ariary no (…)
  • Ankadilalampotsy-Ankaraobato

    Nesorina ny filoham-pokontany, nikomy ny vahoaka

    mercredi 27 février 2008 | Nivo T. A. |  517 visites
    Olona an-jatony no nikomy teo anoloan’ny biraom-pokontanin’Ankadilalampotsy, kominina Ankaraobato, omaly tontolo andro. Araka ny vaovao azo teny an-toerana, dia vokatry ny fanesorana ny filoham-pokontany no anton’izany fikomiana izany. Niezaka nandamina ny raharaha ny ben’ny tanàna Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ka ny tolakandro vao nilamina izany. Ny lehiben’ny distrikan’ Atsimondrano moa no nanasonia ny didy nanala ny filoham-pokontany teo amin’ny toerany. Anisan’ireo (…)
  • Antananarivo renivohitra

    An’ny mahantra ny dabam-pako

    mercredi 27 février 2008 | Hery A. |  499 visites
    Apoitran’ny fisavovon’ny fako ny olona mahantra eto an-drenivohitra. Misavovona ny fako manerana ny renivohitra amin’izao fotana izao. Tsy misy dabam-pako tsy ahitana olona mpitsindroka amin’izy ireny. Eto dia fianakaviana iray mihitsy no mifarimbona, ao anatin’ny ora fisakafoana indrindra. Sakafo no tadiavin’ireo olona ireo. Izay mahita, avy hatrany dia any am-bava. Misy amin’ireo olona mahantra, monina eny amin’ny zaridaina etsy Antanimbarinandriana no tonga eny Anosibe, manenjika (…)
  • Antoko TIM

    Tsy propagandy fa famonjena

    mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  318 visites
    Vita ny fitia tsy mba hetra, niroso tamin'ny famonjena ny traboina ny TIM. Tetsy amin'ny birao nasionaly mitantana ny fanampiana amin'ny loza voajanahary Antanimora no nanoloran'ny antoko TIM ny fanomezana ho an'ireo traboina farany teo. Vary, vola, fanitso, voamaina, savony, menaka. Ireo no anjara fanampiana ho an'ny mpiray tanindrazana nataon'ity antoko ity. Tonga nandray ireto fanampiana ireto ny Praiministra lehiben'ny Governemanta Charles Rabemananjara, ary ny birao Politikan'iTIM kosa (…)
  • Fanampiana ny traboina

    « Manararaotra Ravalomanana », hoy ny AKFM

    mardi 26 février 2008 | Naivo kely |  723 visites
    Apetraho ny resaka politika fa ain'olombelona no vonjena. Io no fanehoan-kevitra nataon'ny antoko AKFM taorian'ny fivoriana nataon'ny birao politika ny faran'ny herinandro teo. Adidin'ny fanjakana ny manampy ny mpiray tanindrazana, ary volam-panjakana no ampiasaina fa tsy vola manokan'ny mpitondra. Noho izany dia tokony atao mitovy ny fizarana ny fanampiana fa tsy zara vilana. Nanome ohatra tamin'ny seho tany Toamasina sy Ambatondrazaka ny AKFM izay hita ny fitongilanana raha oharina ny (…)
  • Fenoarivo Atsinanana

    Tsy manan-kialofana hatramin’ny voafonja

    lundi 25 février 2008 | Nivo T. A. |  369 visites
    Mbola nahazoana akony ny fandalovan’ny rivo-doza «Ivan», farany teo, tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana. Anisan’ny nitondra faisana moa ny faritra Analanjirofo. Ankoatra ireo tranom-panjakana sy tranon’olon-tsotra marobe dia rava 100% ny fonja any an-drenivohitry ny faritra Analanjirofo. Potika tanteraka ny rindrina sy ny tafo ary tsy manan-kialofana mbamin’ny gadra. Araka ny vaovao azonay dia miisa 27 ireo gadra tao amin’ity fonja potika ity. Soa ihany aloha fa mbola tsy (…)
  • Kaomina Belo/Tsiribihina

    Nanenina nanao depiote i Faharo

    lundi 25 février 2008 | Naivo kely |  856 visites
    « Potika ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina, ary tsy maintsy harenina haingana. Tsy harenina amin’ny asa tsy ho tanteraka anefa fa amin’ny asa vitan’ny tànana ». Io no nambaran’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina Faharo Ratsimbalison. Apetraka ny hazo aritifisialy hanome endrika ny tanàna, ary na dia kely aza ny hetra miditra ao amin’ity kaominina ity, dia tsy maintsy mandroso ny tanjona. Vola tangosana amin’ny vidin’anana no mba hetra miditra hampandrosoana ity (…)
  • Raharaha Nosy Be

    Nitsoa-pahana ilay mpisolo vava

    samedi 23 février 2008 | Volana R. |  1174 visites
    « Matahotra aho ! » Ary dia vitan’ilay mpisolo vava mihitsy ny namerina ny vola efa noraisiny tamin’ireo olona tokony arovany. Raha ampahatsiahivina vetivety ny raharaha dia mikasika vehivavy iray nitsabo tena tany aman’olona voalaza fa mampivavaka ary afaka mitsabo ihany koa amin’ny alalan’ny fivavahana. Rehefa nataony izay hahazoana ny fitokisan’ilay ramatoa, dia saika hovetavetainy izy io. Soa ihany fa afa-nitsaoka ity ramatoa, ary nametraka fitarainana. Maro dia maro (…)
  • Fianianan’ny filoham-pirenena

    Enin-taona lasa izay...

    samedi 23 février 2008 | Hery A. |  719 visites
    22 febroary 2002, 22 febroary 2008. Enin-taona lasa izay.Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana ny tantaram-pirenena. Tokony ho notsarovana omaly ny nanaovan’ny filoham-pirenena Ravalomanana Marc, fianianana voalohany amin’ny maha filoham-pirenena azy. Ny lasa tsy fanadino hoy ny fitenenana, ka raha tao anatin’ny fotoana nahamay no nisehoan’izany dia tsy maty am-pon’ny malagasy. Tantara ireny ka tantara! Tsarovana ny fiarahana politika, niarahana nandrombaka ny fitondrana. Fianianana nandavoana (…)
  • Voinkava-mahatratra

    Teraka ny fanararaotana

    samedi 23 février 2008 | Naivo kely |  447 visites
    Satriko aza maratra. Tanteraka io fomba fiteny io manoloana ny voina mahazo ny mpiray tanindrazana. Miaka-bidy avokoa ny entana rehetra amidy eny an-tsena toy ny vary izay tafakatra hatrany amin’ny 2000 Ar. ivelan’ny renivohitra. Ny kojakoja ilain’ny mponina andavanandro « PPN » dia nahitana io fiakarana io avokoa. Voalaza fa ny hafitsoky ny mpitatitra no nahatonga izany. Raha nidina teny amin’ny toby fiantsonan’ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ny mpanao gazety namakafaka momba izany, (…)
  • Trano fiantohana MAMA

    Hangarahara ny sata vaovao

    vendredi 22 février 2008 | Hery A. |  368 visites
    Nankatoavin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola ny fangatahan’ny filankevim-pitantanan’ny trano fiantohana MAMA, nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana. Omaly no nanatontosana izany izay niompana tamin’ny fanitsiana ny « lalàna mifehy ny fiantohana » na ny « code des assurances ». Andininy vitsy amin’ireo andinin-dalàna miisa 65 ao anatin’ity fitsipika ity no novàna natao mifanaraka amin’ny fiainan’ny orinasa MAMA amin’izao fotoana izao.Anisan’izany ny fanomezana fahefana ny tale jeneraly, (…)
  • Vakinankaratra : Mandrosohasina-Ambohibary

    4000 olona no tsy maintsy handao ny fonenany

    vendredi 22 février 2008 | Princia R. |  556 visites
    Na dia tsy nandalovan’ny rivo-doza « Ivan » mivantana aza ny faritra Vakinankaratra dia misedra ny takaitra navelany kosa. Faritra maro no dobo-drano tanteraka raha tsy hilaza afa-tsy iny manamorona ny làlam-pirenena faha-7 iny. Ny alakamisy lasa teo dia nidina nijery ifotony ny holatra navelan’ny « Ivan » ny delegasiona notarihin’ny Lehiben’ny faritra Lanto Rabenatoandro, tamin’ireo distrika tena tra-pahavoazana mafy toy Ambatolampy, Antanifotsy ary Antsirabe faharoa. Ho (…)
  • Fijerena ny tra-boina

    Mitodika ny eto andrenivohitra ny mpitondra

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  407 visites
    Iray ny vahoaka Malagasy, ka tsy misy tombo sy ala. Io no vetin'ny teny nataon'ny mpitondra fanjakana, notarihan'ny Praiministra Charles Rabemananjara omaly, raha nitety faritra maro izy ireo omaly. Teny Andohatapenaka no nanombohany izany, ary nitohy tamin'ireo faritra hafa manodidina. Tsy fitsidihana fotsiny, fa nitondrana ihany koa ireo izay voatsirambin'ny tànana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy mitazana fotsiny ireo mpiray tanindrazana aminy, fa nidina teny amin'ireo faritra (…)
  • AREMA

    « Mitombina ny ahiahinay »

    vendredi 22 février 2008 | Naivo kely |  580 visites
    Ity rivo-doza mamotika ny mpiray tanindrazana ity, no anton'ny fitakiana ny hanemorana ny fifidianana. Io indray no nentin'ny antoko AREMA nanamarin-tena amin'ny fitakiany ny hanemorana ny fifidianana. Tetsy amin'ny foibe Soanierana no nilazany ireo omaly. Taorian'ny nandavan'ny fitsarana ilay fitoriana napetraky ity antoko ity ny hanemorana ny fifidianana, dia mitohy ny fanoherana ataon'izy ireo ny fifidianana mpanolon-tsaim-paritra ny 16 martsa izao. Ny manitikitika ny rehetra, dia ny hoe, (…)
  • Miakatra ny rano

    Mitombo ny fandaniana

    jeudi 21 février 2008 | Hery A. |  505 visites
    Aina ity hoy i Rainimanonja. Toa mifanandrify tokoa amin’ny vonjy ranovaky etsy sy eroa. Raha efa malaza ny fisian’ny olona traboina dia toa tsy mahagaga firy. Efa niomana rahateo ny mpanome fanampiana, ka ny mahazatra ihany io e! Fa ny tsikaritra ankoatr’ireo mahazatra dia nisongadina ny fahasahiana niala tamin’ny trano eny amoron-drano sy amin’ny toerana iva. Harena mandany harena ireto hoy ny tompon’entana. Ny an’ny tena ihany ity no andoavam-bola. Olona anisan’ny tsy nety hiala teny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}