Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Fanampiana ho an’ny traboina

Ny mpanararaotra no voky

mercredi 27 février 2008 | Naivo kely |  503 visites 

Io indray ilay fitiavantena eo amin’ny gasy. Fanampiana natokana ho an’ireo traboina natolotry ny filoham-pirenena Ravalomanana no misy manodina sahady. Saika tsy mandeha amin’ny laoniny avokoa ny vola, ny vary sy ny voamaina natolotra ho an’ireo niharam-pahavoazana.

Tetsy Anosimahavelona dia nahitana izany, satria vola 2 alina ariary isam-pianankaviana no voatokana ho zaraina isan’andro, dia maro no tsy nahazo ny anjarany. Izay mba mahazo indray, dia tsy misy afa-tsy dimy arivo ariary no anjarany. Nankaiza ny ambiny ?

« Nalefanay eny amin’ny Polisy akaiky anay ny vola natolotry ny sefom-pokontany lefitra », hoy ireto vahoaka ireto. « Tsy fidiny ho anay ny hipetraka amin’ny trano lay toy itony, nefa mbola misy ny fitiavantena eo amin’ny gasy sasany ». Mazava ho azy fa ny mpanararaotra no voky alohan’ny traboina. Inona no sazy omena ny mpanararaotra ?

Raha ny trano hitoeran’ireto traboina etsy Tanjombato sy Anosimahavelona ireto no atao indray mijery, dia mahatratra hatrany amin’ny 30 olona no mitoetra ao anaty tranolay kely. Midika io fa misy fiantraikany eo amin’ny lafiny fahasalamana ny toy izao.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}