Mety ho diso fijery ny maro, raha mahita fa toa mangina ny tontolom-pifidianana atao atsy ho atsy. Ny filatsahan’ny kandida no mangatsiaka, fa maro amin’ireo mpanao Politika kosa no hisafika ny fampielezan-kevittra amin’ity indray mitoraka ity.
Efa misy ny fifanarahana vita nataon’ny mpanohitra maro amin’ireo izay sahy nilatsaka, fa hiaraka haneho hevitra eny rehetra eny. Tsy hanohana kandida fa hitsikera fanjakana. Sarotra ny fanehoan-kevitra eto amintsika, ka zara aza nisy sehatra ahafahana maneho ny alahelo hoy ny antoko politika hafa. Hita taratra io raha ny any Moramanga no jerena. Niainga tamin’ny fitsimbadihan’ny vokatra ho amin’ny toeran’ny ben’ny tanàna io alahelon’ny mpanao politika io, ka haseho vahoaka mandritra ny propagandy izao. Raikitra izany ny angaredona amin’ny mpitondra a !