Iray ny vahoaka Malagasy, ka tsy misy tombo sy ala. Io no vetin’ny teny nataon’ny mpitondra fanjakana, notarihan’ny Praiministra Charles Rabemananjara omaly, raha nitety faritra maro izy ireo omaly. Teny Andohatapenaka no nanombohany izany, ary nitohy tamin’ireo faritra hafa manodidina. Tsy fitsidihana fotsiny, fa nitondrana ihany koa ireo izay voatsirambin’ny tànana. Ny filoha Ravalomanana ihany koa dia tsy mitazana fotsiny ireo mpiray tanindrazana aminy, fa nidina teny amin’ireo faritra hita fa voa mafy teto andrenivohitra io omaly io. Fanampiana sy fanantenana ny vahoaka tsy hitanondrika manoloana ny fahavoazana no entin’ny mpitsidika hampahery ny ny vahoaka.
Hatreto, dia mitodika eto andrenivohitra ny mpitondra, rehefa avy nihazo ny faritra samy hafa. Ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina, ny filohan’ny faritra Analamanga, ny minitra mpiahy Ranjeva Marcel, dia efa samy nahavita ny azy avokoa, ary io dimbiasan’ny filoha Ravalomanana sy ny PM io indray.