Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Kaomina Belo/Tsiribihina

Nanenina nanao depiote i Faharo

lundi 25 février 2008 | Naivo kely |  863 visites 

« Potika ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina, ary tsy maintsy harenina haingana. Tsy harenina amin’ny asa tsy ho tanteraka anefa fa amin’ny asa vitan’ny tànana ». Io no nambaran’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ao Belo sur Tsiribihina Faharo Ratsimbalison. Apetraka ny hazo aritifisialy hanome endrika ny tanàna, ary na dia kely aza ny hetra miditra ao amin’ity kaominina ity, dia tsy maintsy mandroso ny tanjona. Vola tangosana amin’ny vidin’anana no mba hetra miditra hampandrosoana ity kaominina ity. « Miaramila aho, ka tsy mihemotra amin’ny tanjona izay napetrako, dia ny asa ihany. Potika ny làlana ao antampon-tanàna sy ny miditra ao amin’io kaominina hiadidiako io, nefa tsy hiantehitra amin’ny fanampiana ataon’ny fanjakana fotsiny, fa eo ny tanako sy ny vahoaka hametraka asa hita maso, fa tsy sanatria nofinofy. Manoloana ny fianam-pirenena ankehitriny, dia aleoko aloha mangina, satria maro ny asa mbola miandry ahy. Nanenina aho nanao depiote, satria mpanao lalàna io fa tsy mpanatanteraka. Izao aho mpanatanteraka afaka mamita ireo fotodrafitr’asa ho an’ity tanàna hiadidiako ity ». Manantena ihany koa ity depiote teo aloha ity, fa tsy hisy ny sakana mety ho ataon’ny hafa amin’ny fampandrosoana itony tanàna itony, satria ny filoham-pirenena vonona hiara-hiasa amin’ny rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}