Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Aorian’ny 16 Martsa

    Ady hevitra vaovao no hipetraka

    mercredi 12 mars 2008 | Naivo kely |  379 visites
    Any amin'ny mpifidy ny baolina. Na ho toy inona ny fanazavan-kevitra entin'ny fanjakana sy ny kandida tohanany, ary toy izany ny mpanohitra, dia ny mpifidy no tompon'ny teny farany. Hiainga ny alatsinainy ho avy izao ny fanehoan-kevitra politika maro samy hafa. Raha vitsy ny mpifidy handeha handatsa-bato, dia toa midika faharesena ho an'ny mpitondra io. Faheresena satria tsy maharesy lahatra ny olona ny tetika entiny hampandrosoana ny faritra. Miainga eny anivon'ny faritra anefa ny tetika (…)
  • Fandrombaham-pahefana

    Fifidianana no fomba mahomby, hoy ny ALDR

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  330 visites
    « Sahia misedra safidim-bahoaka ». « Na vitsy aza ny toerana nandrotsahanay olona ho fidiana ho mpanolotsaim-paritra dia sahy hisedra ny safidim-bahoaka ny ALDR. Rafitra iray misy ny antoko MFM ny ALDR. Ny MFM dia efa ela no nitaky ny hipetrahan’ny faritra 28, saingy 22 no tafapetraka. Midika io fa tafita ny hevitry ny antoko, ary rariny izahay raha miroso amin’ny fampandehanana ny faritra ». Io no nambaran’i Rakotomamonjy Pierre, izay kandida milatsaka eny amin’ny faritra Atsimondrano. Ny (…)
  • Otrikafo

    Mbola omena ny vahiny ve ny tany ?

    mardi 11 mars 2008 | Naivo kely |  452 visites
    Tsy ankasitrahan’ny « Otrikafo » tarihan’ingahy Rajaonah ny fanomezana tany ho an’ny vahiny. Manoloana ny fifanarahana ny hanomezana tany hambolen’ny vahiny vary sy voamaina any amin’iny tapany atsinanan’ny nosy iny nanehoan’ny Otriakfo ny heviny indray. Nahoana no mbola vahiny no omena sehatra hamokatra eto ? Firy ny Malagasy nangataka tany ho volena nefa toa voarirariana hatrany ? «Hita fa mbola miakin-doha amin’ny vahiny isika », hoy ny Otrikafo, « ka tsy azo ekena ny toy (…)
  • Antoko Arema

    Kongresy tsy nahafeno fepetra

    lundi 10 mars 2008 | Hery A. |  678 visites
    « Kongresy tsy mahafeno fepetra ! Kongresy mitsipaka ny filoha mpanorina » Io no nambaran’ireo mpikatroka Arema teny amin’ny foiben-toerany vonjimaika eny Anosizato omaly alahady raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy ireo. « Mandainga ireo ninia nanao ny kongresy omaly », hoy ihany izy ireo. Tsy nanome tso-drano azy ny filoha Ratsiraka Didier ary efa nandre ny antson’ity filoha teo aloha ity ny rehetra nilaza fa tsy manao kongresy ny AREMA, ary mpisandoka izay manao izany. (…)
  • Fikambanana « Tanora Vonona Atsimondrano »

    « Manan-kevitra matotra ny tanora »

    lundi 10 mars 2008 | Nivo T. A. |  366 visites
    Manan-kevitra matotra ny tanora hanarenana ny fiainan’ny malagasy ka ilaina ny fandraisan’izy ireo andraikitra. Nisongadina izany ny faran’ny herinandro teo, teny Amboanjobe, kaominina Bongatsara sy teny Antaninkatsaka-Itaosy, nandritra ny fampielezan-kevitra nataon’ny fikambanana « TVA » (Tanora Vonona Atsimondrano), izay tarihan’Atoa Razanantoanina Haja sy Ralaiseheno Hasinjaka Guy Maxime, ben’ny tanànan’Ankaraobato. Nambaran’Atoa Razanantoanina fa noho ny faha-tsapan’izy ireo fa misy (…)
  • Antoko TIM

    Miroso amin’ny fifanakalozan-kevitra

    lundi 10 mars 2008 | Naivo kely |  265 visites
    Tsy ny TIM no matahotra ady hevitra fa misy fotoana ny zava-drehetra. Fifanankalozan-kevitra amin’ny mpianatra, ny mpandraharaha sy ny vehivavy ary ny mpanao fanatanjahan-tena. Ireo no hita ho fihetsika nataon’ny antoko TIM nandritra izay fampielezan-kevitra izay. Midika fa vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny hery rehetra ity antoko ity hoy ireo kandida raha niroso tamin’io fampielezan-kevitra io ry zareo ny faran’ny herinandro teo. Tetsy amin’ny Galerie Kamoula Analakely ny sabotsy hariva (…)
  • Profesora Zafy Albert

    Mila miala ny mpitondra

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  723 visites
    "Ampy izay ny fahanginana. Tsy azo ekena intsony izao fahoriam-bahoaka izao, ary tsy maintsy miala ny fanjakana mpampahory vahoaka". Io no fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert raha nanokatra ny fivorian'ny CRN izy omaly. "Na dia nangina aza ny tenako, dia ny antoko politika rehetra kosa tsy nitsahatra naneho ny heviny momba ny tsy fahombiazan'ny mpitondra ankehitriny. Eny fa na ireo namany ao amin'ny TIM aza dia ireny niarahana nahita ireny fa nivadika taminy. Fomba ahoana ny (…)
  • Fikambanana « Tanora Sahy »

    Tsy maintsy hambara ny marina

    samedi 8 mars 2008 | Naivo kely |  634 visites
    Tsy hiemotra amin'ny filazana ny marina aho. Io no nambaran'ny Mamonjisoa zanaky ny filohan'ny fikambanana "Tanora sahy vonona", izay mpiara-miasa akaiky amin'ny olom-boafidy amin'ny andrim-panjakana iray. "Naato tamin'ny asako rehefa tsy nitovy ny fomba fijery politika, ary potehina hatramin'ny fiainako manontolo", hoy ny filohan'ny FTS. Niainga tamin'ireny fifidianana izay ho ben'ny tanàna ireny ny raharaha, nanohana kandida hafa aho. Teraka avy hatrany ny disadisa satria lany ho ben'ny (…)
  • Fifidianana sy ny AKFM

    Aza beazina hangala-bato ny vahoaka

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  331 visites
    « Mila vaha-olana maika ny firenena. Aoka ny hery rehetra no hitambatra hanangana rafitra vaovao fa tsy vitan’ny fanjakana samy irery ny manarina ny tanindrazana ». Io no antso avo nataon’ny antoko Akfm omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy ireo. Ny ahiahy maro apetraky ity antoko ity momba ny fifidianana, dia ny mety hisian’ny fivadihan’ny safidim-bahoaka. Toy izany ny fividianana ny mpifidy amin’ny vary 1 kilao. Ny fanjakana dia manambara fa tokony ho tezaina amin’ny fifidianana ny (…)
  • Horonan-tsary Malagasy

    Hitory ny mpamokatra ny mpilalao

    vendredi 7 mars 2008 | Naivo kely |  682 visites
    Vita ny horonan-tsary, tsy nomena ny karama. Mitaraina ireo mpilalao sarimihetsika Malagasy izay nivoaka tamin’ny fahitalavitra iray eto andrenivohitra, fa tsy nomena ny volan’izy ireo. Sarimihetsika mitondra ny lohateny « Parapaingo », izay nahitana mpilalao maromaro. Ny tapaky ny volana septembra no efa nisy ny fandrirarina nataon’ny mpamokatra itony filma Malagasy itony. Nitohy ny volana oktobra sy novambra izany, ary hatramin’izao, dia niasa maina ireto olona ireto. Nisy ny fifanarahana (…)
  • Fanafihana mitam-basy

    Jiolahy roa no maty voatifitra

    jeudi 6 mars 2008 | Hery A. |  558 visites
    Nirefodrefotra ny feom-basy. Jiolahy roa indray no lavon’ny balan’ny polisy omaly maraina. Tamin’ny 3 ora sy sasany maraina teo no nahazo antso an-tariby ny polisim-pirenena ao amin’ny boriborin-tany faha 5, nanambara fa misy jiolahy nanafika trano fivarotana mpamongady iray eny Namontana Anosibe. Nihetsika ny polisy, niaraka tamin’ny GIR ka namefy ny làlana manodidina ity fokontany ity. Nandeha fiara karetsaka 2 CV anefa ireo jiolahy, ka nosakanan’ny polisy teny amin’ny arabe, raha mbola (…)
  • Antsiranana

    Mandrahona hitokona ireo ray aman-drenin’ireo ankizy notanana am-ponja

    jeudi 6 mars 2008 | Nivo T. A. |  469 visites
    Mbola mitohy ny hetsika ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandriam-pahalemana any an-tampon-tanànan’Antsiranana. Nahatratra 121 moa ireo olona voasambotry ny mpitandro filaminana, nandritra ny hetsika manokana, ka ny 55 tamin’ireo no nentina taty an-drenivohitra mba ho tsaraina, araka ny fanapahan-kevitry ny minisiteran’ny fitsarana. Tsahivina fa 23 tamin’ireo no zaza tsy ampy taona. Ny ray aman-drenin’ireto farany moa dia efa nanao fihetsiketsehana (…)
  • Mpanara-maso ny fifidianana

    Nankaiza ny vahiny ?

    jeudi 6 mars 2008 | Naivo kely |  300 visites
    Antomotra ny fifidianana, vonona ny ho enti-manana rehetra. Fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Ati-tany io. Ny karam-pifidianana dia efa roboka amin’izany ny isam-pokontany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana, dia hiroso hampahafantatra tsy ho ela ny kandida hifaninana. Vonona ny mpitandro ny filaminana mahatratra 1134 haparitaka manerana ny biraom-pifidianana manerana an’i Madagasikara. Fa ny tsy mbola voaresaka, dia ny hoe misy mpanara-maso (…)
  • Sakaraha : Halatra omby

    Novain’ireo dahalo ny volon’omby

    mercredi 5 mars 2008 | Hery A. |  538 visites
    Novain’ireo dahalo ny volon’omby, saingy tsy nahatakona ny maha omby halatra azy izany. Saron’ny zandary tao Ankazoabo, anatin’ny distrikan’ny Sakaraha ireo dahalo enin-dahy nitondra omby halatra. Nampiahiahy ny fokonolona ireto omby nandalo tao an-toerana ireto, ka niantsoana zandary. Rehefa natao ny fisavàna dia nanana taratasy mazava ireo omby noroahina. nisy nahatsikaritra anefa ny fanovàna ny lokon’ny volon’omby ka nitatra ny fanadihadiana. Teo no sarona fa sandoka ihany koa ireo (…)
  • Bazar-kely Toamasina

    Milalao maloto ny vahoaka

    mercredi 5 mars 2008 |  776 visites
    « Tsy misy azo iverenana intsony ny kiraro ». Renim-pianakaviana, tsy maintsy mamonjy ny toeram-piasany indroa isan’andro, no mitaraina mafy ny manjo ny mponina manoloana ny Bazar-kely iny. Rano miandrona, nanomboka ny fandalovan’ny rivodoza Ivan, mandraka androany no tafaresaka taminay. « Efa tsy azo leferina intsony, kanefa dia iainanay isan’andro, hoy izy. Aiza ve ka dia raha vao misy fiara mandalo fotsiny eo amin’ny arabe, dia indro ny rano fa misosa moramora miditra ny tokotaninay ». (…)
  • Ambondrombe

    Nifanandrina tamin’i Belzeboba ny Apokalipsy

    mardi 4 mars 2008 | Hery A. |  5519 visites
    Nihantsy an’i pastera Mailhol i «Belzeboba» sy ny ekipany. Nandritra ny fitsidiham-paritra nataon’ny fikambanana Apokalipsy tany Ihosy, notarihan’i Pastera Mailhol no nifanenàny tamin’ny olona iray nipetrahan’ny fanahin’ireo devoly ao Ambondrombe. Tovolahy nianatra nanao « magie » izy ity, saingy tsy nahatody hatramin’ny farany ka mora tamin’ny fanahy ratsy no niditra tao aminy. Teo Ambalavao no nifanehatra ny ekipan’ny Apokalipsy miisa 20 mianadahy, sy ity tovolahy nipetrahan’ny (…)
  • Fanafihana mitam-basy

    Ny fanjakana no nampiofana ny dahalo

    lundi 3 mars 2008 | Hery A. |  1069 visites
    Mahalala ny tsiambaratelon’ny mpitandro filaminana ny dahalo. Ireny zatovo manao raharaha miaramila vonjimaika ireny avokoa no ankamaroan’ny dahalo sy jiolahy eto Madagasikara. Nomena fiofanana hahay mitifitra ry zalahy, saingy zazavao miisa 10 amin’ny 1000 ihany no voaray manohy ny asa maha miaramila. Ny ambiny dia toy ny olona very asa, saingy tsy manana traikefa afa-tsy ny fahaizana mitifitra. Halatra omby Any Basalampy, Soalala ary MItsinjo iny dia sahy mihantsy zandary ny dahalo. (…)
  • Fampielezan-kevitra

    Ny 80%’ny mpifidy no andrasan’ny TIM

    lundi 3 mars 2008 | Naivo kely |  313 visites
    Nangatsiaka tanteraka ny fanombohan’ny fampielezan-kevitra ny sabotsy teo. Fampielezan-kevitra izay tsy nisy afa-tsy ny TIM no nanao izany manerana ny faritra maro. Miandrandra ny 80% ny vahoaka eto andrenivohitra ity antoko TIM ity, fa hanefa ny adidiny avokoa. Matotra amin’ny lafiny rehetra izahay hoy ny birao politikan’ny TIM, matoa mahafeno kandida amin’ny faritra izay hisian’ny fifidianana. Misy ireo mihevitra fa tsy misy vola na tombontsoa ny mpanolon-tsaim-paritra ka aleony tsy (…)
  • Andohan’Analakely

    Mpiasan’ny RTA matin’ny lozam-piarakodia

    samedi 1er mars 2008 | Hery A. |  5555 visites
    Olona iray no maty, olona efatra hafa no naratra. Io no vokatry ny lozam-piarakodia niseho tetsy Andohan’Analakely anoloan’ny toby miaramila RM 1 omaly maraina tamin’ny iray ora sy fahefany teo ho eo. Avy any amin’ny araben’ny fahaleovan-tena ity fiara 405 nitondra olona miisa 5. Araka ny nambaran’ny nanatri-maso dia nandona « beton » mitsatoka amin’ny sisin-dalana ankavia ilay fiara, ka nianga ambony ary nivadika rehefa avy nikipilipily. Voaterin’ny familiana ny mpamily ka nosokirin’ny (…)
  • Kongresin’ny AREMA

    Handravina ny disadisa

    samedi 1er mars 2008 | Naivo kely |  445 visites
    Tonga ny fotoana handravonana ny disadisa anatiny. Ho fongorona ifotony ny poizina izay namono ny antoko nandritra ny taona maro. Nisy io matoa niongana tamin'ny fitondrana izahay, hoy ingahy Pieer Holder sekretera nasionaly eo anivon'ny AREMA.Manoloana izany, dia hanao ny kongresy andiany faha-roa ny antoko ny 9 Martsa izao. Mpikatroka manerana ny faritany mahatratra 400 no andrasana aminizany. Notsiahivina tao fa ny taona 97 no nisy kongresy voalohany rehefa niverina teo amin'ny fitondrana (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}