Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Faratsiho

    Vazaha maty nilatsaham-baratra

    vendredi 21 mars 2008 | Hery A. |  762 visites
    Lehilahy iray 50 taona no maty irery tao anatin’ny lakan-drano tao Faratsiho, anatin’ny faritra Vakinankaratra. Tamin’ny talata no hita ny fatin’ity lehilahy ity. Voamarika araka ny vaovao azo fa vokatry ny hasemporana sy havizanana no nahafaty an-drangahy. Ankoatr’izay dia ankizy vazaha anankiroa no nilatsaham-baratra, tao Faratsiho ihany. Nilatsaka teny amin’ny tapenaky ny trano ny varatra ka namaky ny rindrina ary niantefa teny amin’izy mianadahy. Maty tsy tra-drano ilay zazalahy fa ilay (…)
  • Amborompotsy-Talatamaty

    Tovolahy 17 taona nanolana zazavavy 7 taona

    vendredi 21 mars 2008 | Nivo T. A. |  4894 visites
    Zazavavy vao 7 taona monja no novetavetain’ity tovolahy iray, 17 taona, teny Amborompotsy-Talatamaty. Toy ny ankizy tezaina ao an-trano no nandraisan’ireo ray aman-dreny nampiantrano azy kinanjo nivadika biby ny anao lahy. Ilay zazavavy kely tao an-trano izay nokarakarainy no naolany ary simba tanteraka. Araka ny vaovao azonay, dia efa nanolana zazavavy iray hafa (manodidina ny 7 taona teo ihany koa) izy ity , volana vitsivitsy lasa izay, saingy tsy sahy nitantara tamin’ny ray aman-dreniny (…)
  • Praiminisitra Rabemananjara

    Tsy hitatitra fa hiasa

    jeudi 20 mars 2008 | Naivo kely |  330 visites
    Ny vokatry ny latsa-bato 94% no efa azo. Nilamina sy nanjaka ny fahendren’ny vahoaka Malagasy, ary mendrim-piderana izay fahendrena izay. Io ny fisaorana nataon’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta omaly raha nitatitra tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy izy omaly. Tsy manao tatitra fotsiny ny fanjakana fa hiasa, ary isan’ny tsy maintsy himasoana ny resaka fandriam-pahalemana. Isan’ny fositra lehibe tsy mampahomby ny fampandrosoana io. ny asa anefa tsy maintsy hirosoana. Raha ny momba ny (…)
  • Rivo Lala Andriatina

    Hiorina ny « Fifohazana Apokalipsy »

    jeudi 20 mars 2008 |  1194 visites
    « Ambarako mazava etoana fa hiorina tsy ho ela ny « Fifohazana Apokalipsy ». Eny Itaosy no hatsangana». Rivo Lala Andriatina no nilaza izany omaly tamin’ny fihaonana nifanaovana taminy. I Rivo Lala Andriatina dia tsy iza fa mpikambana tao amin’y Fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara izay notarihan’i Pastora Mailhol. Efa nilaza ny fialany tao amin’ity fiangonana ity izy tamin’ny volana jona 2007. Ary dia izao tapakevitra hanorina Fiangonana vaovao izao. Nilaza moa izy fa nahazo faminaniana (…)
  • Antoko TIM

    Tafapetraka ny rafitra, manomboka ny asa

    mercredi 19 mars 2008 | Naivo kely |  280 visites
    Afapo tamin’ny vokatra ny TIM. Toerana maro no lasany. Na dia mbola tsy vokatra ofisialy aza no hita, dia efa manana toky ny antoko Tiako I Madagasikara fa hibata ny amboara maro nandritra ny fifidianana farany teo. Omaly hariva dia nihaona tetsy Ankorondrano ireo birao politikan’ny TIM, izay nandinika ny vokatry ny latsa-bato nataon’ny Malagasy ny alahady teo. Nandritra io ihany koa ny nisaoran’ny mpitarika ity antoko ity ny vahoaka Malagasy nanefa ampilaminana ny safidiny. Vita iny ny (…)
  • Ambinany-Vohémar

    Lehilahy maty novonoin’ny fokonolona

    mercredi 19 mars 2008 | Nivo T. A. |  497 visites
    Lehilahy iray indray no maty novonoin’ny fokonolona tany amin’ny fokontanin’Anjana, kominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Tamin’ny marainan’ny alahady lasa teo dia nanao herisetra sy nanendaka tovovavy roa avy any Ampanefena ity lehilahy ity. Tany amin’ny toerana mangina, 45 km miala ny renivohitry ny kaominina moa no nodarohany sy nodakany ireo tovovavy izay nikasa hanao vakansin’ny Paska tany amin’ny ray aman-dreniny tany Ambinany-Andravory. Naratra mafy tokoa (…)
  • Antsirabe

    Miverina ny lazan’ny fetin’ny Paska

    mercredi 19 mars 2008 | Hery A. |  551 visites
    Miha miverina amin’ny laoniny ny fetin’ny Paska ao Antsirabe. Tsiahivina fa nalaza indrindra teto Madagasikara ny tao Antsirabe isan-taona. Nanomboka nosangisangian’ny raharaha politika anefa izany taorian’ny taona 1985 tany ho any ka zary tsy nahatamàna ny mpitsidika intsony. Be politika Nihapotika ny tanàna. Tsy nahatanteraka ny adidiny ny mpitondra nifandimby. An’ny Arema moa ny tanàna tamin’izany fotoana izany ka anjaran’ny malagasy no mitsara ny fitondràny. Niha nahantra ny (…)
  • « Tanjozotran’ny vehivavy ho an’ny fandriampahalemana » (Caravane des femmes pour la paix)

    « Fanafoanana ny herisetra eo amin’ny vehivavy sy ny ankizy »

    mardi 18 mars 2008 |  866 visites
    Notontosaina tao amin’ny Katedraly FJKM Analakely ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny « Tanjozotran’ny vehivavy ho an’ny fandriampahalemana » « Caravane des Femmes pour la Paix » Rehefa avy nitety firenena maro ary nandalo tao Mozambique ny hetsika dia anjaran’i Madagasikara indray nanomboka omaly ka haharitra folo andro ny mandray ny Fanilo. Mandritra izay folo andro izay dia hetsika maro no hotanterahina eto Madagasikara ary eto Antananarivo sy Tsiroanomandidy raha ny marimarina (…)
  • Fanondranana biby an-tsokosoko

    Sazy 2 taona hatramin’ny 10 taona no miandry ilay mpandraharaha

    mardi 18 mars 2008 | Hery A. |  404 visites
    Kesika miisa 3 nisy biby naondrana an-tsokosoko no niainga teto Madagasikara, ary sarona tao Afrika atsimo tamin'ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azon'ny minisiteran'ny rano sy ala dia ompiana ao amin'ny valanjavaboahary iraisam-pirenena ao Johanesbourg ireo biby sisa velona tamin'ireto naondrana an-tsokosoko ireto. Tao amin'ny seranam-piaramanidina any an-toerana no nahasaronana ny entana. Kesika miisa 3 no nisy ireo biby, namofona maimbo be ka voatery nosokafana. Biby toy ny tanalahy, (…)
  • BNGRC

    Nanome vola ar 100 tapitrisa ny « Groupe Sipromad »

    mardi 18 mars 2008 | Hery A. |  661 visites
    Manao ranolava ny fanaterana fanampiana ho an'ny traboina etsy amin'ny biraon'ny sampan-draharaha miahy ny loza voajanahary na ny BNGRC. Omaly hariva no tonga nanatitra ny anjara birikiny ny « groupe SIPROMAD ». Vola mitentina ar 100 tapitrisa no natolony tamin'izany ka voatsinjara avy amin'ny « Fondation AKBARALY » ny ar 75 tapitrisa, ary nampian'ny Sipromad ar 25 tapitrisa. Ho an'ny traboina vokatry ny rivo-doza nisesisesy ireo fanampiana. Ankoatry ny fiahiana ny traboinan'ny loza (…)
  • Razakarimanana Ferdinand

    Aza laniana andro ny vahoaka

    mardi 18 mars 2008 | Naivo kely |  453 visites
    Apetraho mazava ny tena andraikitry ny fokonolona hampandrosoany ny faritra misy azy. Hatreto dia tsy hita taratra io, ka tsy ho gaga isika raha malaina mifidy ny vahoaka. Aza laniana andro amin'io ny olona fa ny asa mivaingana no handrasan'ny vahoaka. « Mahagaga ihany, hoy ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand no nanafoanana ny faritany mizaka tena, nefa ao anatin'io ny resaka faritra. Fokonolona no fototry ny fampandrosoana, ary ilay fametrahana ny tena (…)
  • Tontolo iainana • PGDRN

    Hitombo ny faritra arovana

    lundi 17 mars 2008 | Hery A. |  292 visites
    Natao teny amin’ny NLIM Iavoloha nanomboka tamin’ny faha 12 martsa hatramin’ny faha 14 martsa ny atrik’asa momba ny « Programme de gestion durable des ressources naturelles », na PGDRN. Ny firenena Alemana, amin’ny alàlan’ny GTZ sy ny KFW no nanolotra ity programa ity. Manomboka amin’ity taona ity, hatramin’ny taona 2011 no ampiharana ny tetik’asa izay vatsiana vola 12 tapitrisa Euros. Ny tanjona amin’ity dia ny hampihenàna ny fitrandrahana ala, indrindra ireo atao arina (…)
  • Fokontany Anosibe andrefana II

    Tsy nisy naka ny kara-pifidianana

    lundi 17 mars 2008 | Hery A. |  355 visites
    Tsy nihoatra ny 5 % ireo mpifidy tonga nandatsa-bato tamin’ireo biraom-pifidianana tao amin’ny EPP Anosizato, omaly hatramin’ny 12 ora antoandro. Nisokatra tamin’ny 7 ora maraina ny birao fandatsaham-bato , ary nanomboka teo dia zara raha nisy olona iray isaky ny fahefatr’adiny. Tao amin’ny biraom-pifidianana laharana faha 002 ohatra dia 5 %, tamin’ny 11 ora teo ho eo, tao amin’ny laharana faha 3 dia 3% ary ny birao faha 4 dia 4%. Torak’izany koa ny tao amin’ny birao laharana faha 20 izay (…)
  • « Pont flottant » Tanambao Nosibe

    Lasa toerana fihariana

    samedi 15 mars 2008 | Gilbert R. |  996 visites
    Tsy ny rano intsony no misondrotra fa ny tetezana mitsingevana (pont flottant) no milentika. Izay no zava-mitranga ao Tanambao Nosibe,amin’ny làlam-pirenena faha 5, raha ny fahitana azy ny andron’ny alakamisy faha 13 martsa lasa teo. Satria nisy ny manao ankasomparana, mangalatra na manao fanahy iniana manaisotra ny ampahany amin’ny sila maha tetezana mitsingevana ilay tetezana. Satria misy ny mihevitra fa ny fitohanana vokatr’izay trangan-javatra izay no mampidi-bola ho entina mihary. (…)
  • Fifidianana

    « Aza terena ny vahoaka », hoy i Moxe

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  486 visites
    Hifidy sa hitokona ny vahoaka ? Io fanontaniana io no mampisavoritaka ny maro, indrindra fa ny mpanao politika. Misy ny tahotra eo amin'ny tompon'andraikitra samy hafa raha toa ka vitsy ny manefa ny adidiny rahampitso. Mety hiteraka olana eo amin'ny asany izany, hoy ny mpitazana, satria tsy nahay nandresy lahatra ny mpifidy ny tao amin'ny faritra iadidiany. Ny Teza, tarihan'ingahy Moxe Ramandimbilahatra, dia nanamafy omaly fa zon'ny tsirairay ny mifidy, ary zony feno ho an'ny vahoaka ny tsy (…)
  • Matsilo

    Nalevina ny CRTIM

    samedi 15 mars 2008 | Naivo kely |  517 visites
    «Tonga ny fotoana hivoahanay amin'ny fahanginana. Tsy avelanay handalo ny tantara.» Andro maro izay no tafajoro ny MATSILO, fikambanana izay niainga tao amin'ny CRTIM teo aloha. Niova endrika sy famindra izy ireo ankehitriny, satria tsy nankatoavin'ny ambaratongam-pitondrana tao amin'ny fanjakana ny soson-kevitra nentin'izy ireo. Fanatsarana an'i Madagasikara anefa no notadiavina. « Hiatrika fifidianana isika ankehitriny, zon'ny tsirairay ny hifidy, na tsy hifidy. Ambara ho tany (…)
  • Fanamparam-pahefana

    Tsindry hazo lena ?

    vendredi 14 mars 2008 | Naivo kely |  559 visites
    Aza manao kely tsy mba mamindro. Endrika iray hisehoan'ny fanaparam-pahefana isaky ny faritra io mandritra izao fampielezan-kevitra izao. Tsy misy izay tsy mitaraina ny kandida isan-karazany manoloana ny fihetsiky ireo olona nomena fahefana amin'ny faritra sasany. Ny kandida eny Avaradrano, dia nanamafy io, izay milaza fa nangataka kianja malalaka hanaovana ny fampilezan-kevitra saingy narirarira hatramin'ny farany, ka naleony nitety isam-baravarana. Ny Tanoran’ Atsimondrano Vonona raha (…)
  • Vokatry ny fitanana ody gasy

    Nodorany ny fananany an-tapitrisa

    jeudi 13 mars 2008 | Nivo T. A. |  839 visites
    Loza no nafitsok’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny tanànan’ Andafialava, kaominina Ambinany-Andravory, ao anatin’ny distrikan’i Vohémar. Nodorany ny tranony niaraka tamin’ny entam-barotra rehetra tao anatiny ary tsy nisy nahasakana azy tsy hanao izany ny fokonolona. Tamin’ny alatsinainy lasa teo, tamin’ny 8 ora maraina tany ho any no nitrangan’ity habibiana ity. Araka ny vaovao azonay avy an-toerana, dia toa mitana ody ratsy ity lehilahy ity ary vokatr’izany no nahatonga azy handoro (…)
  • Faritra Analamanga

    Izay miasa no ampiana

    jeudi 13 mars 2008 | Volana R. |  328 visites
    Kaominina Talata Volonondry sy distrikan’ny Vakin’i Mananara. Ireo no toerana notsidihan’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ratsimbazafy Fidy, ny talata lasa teo. Teo aloha ny fihaonana voalohany tamin’ny mponina, hatramin’ny nandraisany ny toerany, fa teo ihany koa ny fanolorana fanampiana ireto traboina taorian’ny fandalovan’ny rivodoza farany teo sy ireo vahoaka sahirana. Ankoatry ny fanomezana avy amin’ny filoham-pirenena sy ny Faritra moa, dia nisy ihany ny tolotra avy amin’ny (…)
  • Fampielezan-kevitra

    Manomboka liana ny olona

    jeudi 13 mars 2008 | Naivo kely |  302 visites
    Tsy rototra nefa manongilan-tsofina. Io no hita amin'ny fampielezan-kevitra eto amin'ny tanàna. Asa na leon'ny fampanantenana isan-karazany fanaon'ny kandida ny vahoaka no tsy maha-rototra azy manatrika ny propagandy, ka zary mangadihady hatrany ny famoriam-bahoaka ataon'ny kandidà. Ny hita anefa dia liana amin'ny tena andraikitry ny mpanolon-tsaim-paritra ny maro. Hita io amin'ny resaka eny an-tsena rehetra eny. Manomboka mifantoka any amin'ny fifidianana amin'ny alahady ihany koa ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}