Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • 67 ha

    Tsenan’ny olon-dresy

    mercredi 23 avril 2008 | Hery A. |  928 visites
    Toy ny toerana fanaovana lavanty eto amin’ity toerana, amoron’ny lakan-drano etsy 67 ha, amin’izao fotoana izao. Hita eto avokoa ny entana rehetra mahakasika ny tokan-trano sy lakozia. Taona vitsy tokoa izay no nitaran’ity tsena ity, raha fivarotana lamba sy entana madinidinika teny am-piandohana. Manomboka amin’ny sotro sy vilia ny entana hita eto, miakatra amin’ny fitafiana isankarazany. Mampiavaka azy anefa ny entana rehetra izay efa nampiasaina. Vilany, vata fampangatsiahana, (…)
  • Fjkm Andraharo

    Mangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena

    mercredi 23 avril 2008 | Penjy R. |  450 visites
    « Mila fanaovazana ny tranon'Andriamanitra eto Andraharo. Tsy avelanay raha tsy tafajoro ny trano biriky ary ny fototra vato ». Trano hazo kely ny fiangoanana FJKM eto Andraharo, hoy ny pasitera Eliane izay mitandrina ao. Manana mpino 500 ary mpandray fanasan'ny tompo 80. Fahasahiranana tanteraka ny hita miatra amin'ny mpino, satria saika honahona no hita manodidina ny fiangonana. Raha misy ny rivo-doza dia tafiditra ao ampiangonana ny rano maloto. Tsy hikely soroka anefa ny mpino fa tsy (…)
  • Fitaterana an-drenivohitra

    Miverina ny gaboraraka

    mardi 22 avril 2008 | Hery A. |  606 visites
    Manao ny ataony indray ny taxi-be eto an-drenivohitra eto izay toa baranahiny ka manaram-po. Isan’andro dia andrenesana fitarainana ny fomba fiasan’ireo taxi-be, izay zary mahazatra ny mandre azy ka tsy mahataitra firy. Ny andro alahady kosa no ahitana ny fomba ratsy ataon-dry zalahy. Tamin’ny alahady teo dia fiara taxi-be maromaro no saika nitera-doza, izany hoe mandram-paharivan’ny andro dia tandindonin-doza hatrany ireo mpandeha. Mamo ny mpamily sy ny resevera ka mifanenjika amin’ity (…)
  • Fanendrena loholona

    Miandrandra toerana ny mpanohana ny fitondrana

    mardi 22 avril 2008 | Naivo kely |  431 visites
    Vita ny fifidianana loholona. Nanjaka ny antokon’ny fitondrana dia ny TIM izany. Nifanome ny vatony ho an’io antoko io avokoa ireo mpifidy vaventy avy amin’ny fikambanana samy hafa, ka maro no nahitana 100% ny vokatra azo. Faharesen-dahatry ny mpifidy vaventy sa tahotry ny mety ho ankivy amin’ny kaominina tsy miray tendro amin’ny fitondrana no nahitana ireny 100% ireny ? Maro ireo ben’ny tanàna tratra antso an-tariby izay nanambara, fa aoka aloha izay ny ady lahy politika fa ny asa (…)
  • Orin’asa afaka haba

    Misy mitady hampiasa ny datin’ny 1 mey

    mardi 22 avril 2008 | Penjy R. |  421 visites
    Kivy ratsy sahady ny mpiasa amin’ny orin’asa afaka haba eto andrenivohitra fa kasain’ny lehibeny hanenjika asa maika amin’ny voalohan’ny volana mey. Hisy tambin-karama omena izay mpiasa miasa araky ny vaovao niely teny Tanjombato. Maro tamin’ny mpiasa no tsy nanaiky izany, ary vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny mpampiasa azy. Tsy noterena kosa anefa ny mpiasa fa an-tsitrapo no hanaovany ny asa raha mazoto. Vanin’andro iray mba ahafahan’ny mpiasa mankalaza ny « Fetin’ny asa » eran-tany io, (…)
  • Anosy • Mitohy ny fanadiovana

    Atahorana ny valifaty !

    lundi 21 avril 2008 | Penjy R. |  848 visites
    Miasa isaky ny alina ny fokontany Andrefan’Ambohijanahary IIIG-IIIM Cité Jardins-Cité Gallois, hamerina ny fandriampahalemana eny amin’iny faritra saropady iny. Olona 20 teo ho eo no voasambotry ny andrimasom-pokonolona tamin’ny fotoana nanombohana ny hetsika nialohan’ny Paska teo ka nisy ny tratra ambodiomby naka trondro tao amin’ny farihin’Anosy, ary ny sasany nahiana ho mpivaro-tena sy mpanao asa ratsy amin’ny faritra manodidina ny farihy ka nosamborina ihany koa rehefa tsy nanana (…)
  • Fambolena eto Madagasikara

    Tsy mety manan-karena ny tantsaha

    samedi 19 avril 2008 | Penjy R. |  1548 visites
    Ny 80% ny Malagasy dia tantsaha avokoa. Midadasika ny velaran-tany azo volena eto Madagasikara, ary azo volena eo avokoa ny karazam-boly maro samihafa. Na tsy ampy aza ny masom-boly eto, dia miezaka manafatra izay tratra ny fanjakana. Fanentanana natao ho an’ny tantsaha rehetra ny teny hoe « mamokara », satria io no antoky ny fampandrosoana. Nijoro teny ambanivohitra rehetra teny ny karazana fikambanana samihafa hanampy ireo tantsaha na eo amin’ny lafiny fambolena sy ny fiompiana. (…)
  • Fitorian’ny mpiasa BFV-BTM

    Nihemotra amin’ny 16 May ny didy

    samedi 19 avril 2008 | Naivo kely |  347 visites
    Tomefy mpiasa tao amin’ny BTM sy BFV teo aloha tetsy amin’ny fitsarana omaly. Niandry ny vokatry ny fitsarana tamin’ny fitorian’izy ireo ireo olona nanodikodina ny vola tokony ho an’ny mpiasa niala an-tsitra-po tao amin’ireo banky ireo. Nahemotra amin’ny 16 Mey indray ny didy momba ity raharaha ity. Ny mpiasa « déflatés » teo anivon’ny BFV sy BTM ireo, dia miantso ny mpiasa rehetra mba hiara-hitaky ny rariny amin’ny fanomezana ny anjara-volan’izy ireo. Ar 20 tapitrisa isan’olona no (…)
  • Ny Sinoa eto Madagasikara

    vendredi 18 avril 2008 |  1410 visites
    ========================== Dikan-teny Gaga tokoa angamba ianao, mahita lahatsoratra lehibe toy izao ao anaty gazety Malagasy, soratana amin’ny teny sinoa. Ivelan’ny raharaha makotroka any Tibet, dia natao izao lahatsoratra izao ampisehoana fa mihamaro hatrany ny fianakaviambe sinoa mamokatra eto Madagasikara. N’aiza na aiza tokoa tany alehan’izy ireo dia maneho firaisankina azo atao anatra sy lesona ho antsika izy ireo, raha tsy hiresaka afa tsy ny fanaovana « China Town » etsy sy eroa. (…)
  • Hetsiky ny mpianatra

    Manameloka ny fisamborana

    vendredi 18 avril 2008 | Naivo kely |  498 visites
    Voaantso tetsy amin’ny tobin’ny zandary Fiadanana i Mamy Jo ny alarobia lasa teo. Tsy niatrika ny fian tsoana azy nefa ity farany satria tsy ny anarany manontolo no hita tao anatin’io fiantsoan’ny zandary etsy Fiadanana io. Momba ny fanetsiketsehana ny mpianatra izay niseho andro vitsy lasa no votoatin’ny fiantsoana. Mamy Jo dia filohan’ny fikambanan’ny mpianatra eny anivon’ny ambaratonga ambony antsoina hoe JERM « Jeunes Etudiants de Madagascar ». « Olona mahalala lalàna aho ka tsy (…)
  • Lycée privé ACEEM

    Mandalina ny tantaran’i Jaques Rabemananjara ny mpianatra

    jeudi 17 avril 2008 | Hery A. |  583 visites
    Voafidin’ny minisiteran’ny kolotsaina hanatanterahana fampirantiana ny tantaran’atoa Rabemananjara Jaques ny lycée tsy miankina ACEEM etsy Ankadivato, ka nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina teny Ankadivato izany. Ny delegen’ny sampan-draharaha misahana ny taozavatra sy kolotsina ao amin’ny minisitera, atoa Julien Rakotonaivo no tonga teny an-toerana ka nanome ny toromarika sy ny antony nanaovana ity hetsika ity. Mpianatra miisa 450 ao amin’ity lyscée ity no kendrena (…)
  • « Agents déflatés » BFV sy BTM

    Ny fitsarana no handravona ny olana

    mercredi 16 avril 2008 | Penjy R. |  416 visites
    Nanjaka tanteraka ny zara vilana teo amin’ny fizarana ny vola. Tsy voahaja ny fifanarahana hatrany amboalohany. Io no alahelon’ireo mpiasa nisitaka antsitra-po tao amin’ny banky BFV sy BTM . Vola mitentina Ar 20 tapitrisa no nifanarahana omena ireo mpiasa, saingy niova ho Ar 10 tapitrisa indray io tato afara. Mpiasa mahatratra 1 179 no omena io vola io, saingy ny 376 ihany no nandray ara-dalàna ny volany. Ny ambiny kosa dia ampaham-bola Ar 5 tapitrisa no mba azony, dia hatramin’izao tsy (…)
  • Ministra Ramiaramanana

    Tsy nisy nanakana ny fidiran’i Rossy eto

    mercredi 16 avril 2008 | Penjy R. |  23599 visites
    «Tsy hamotika ny mpanakanto izahay fa hiaro azy. Mpanakanto manana ny maha-izy azy i Rossy ary namanay izy, satria mpiray tanindrazana ». Io no nambaran’ny ministra Ramiaramanana omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety. Tsy toy ny artista rehetra ity mpanakanto ity, satria iarahana mahalala ny sehatra nisy azy teo amin’ny tontolo Politika. Nanambara anefa i Rossy fa tsy hanao politika intsony, ary izay no nandaminana ny fifanarahana rehetra amin’ny seho izay ho ataony eto Madagasikara. (…)
  • Orinasa afakaba

    Sady mamitrana no mandrava fihavanana

    mardi 15 avril 2008 | Hery A. |  455 visites
    Tao ho ao dia maro ny orinasa afakaba nampiato ny mpiasa ao aminy. Saika tera-tany vahiny moa no mitantana azy ireny ka sedrain’ny tsy fandrosoan’ny tsena tampoka ka voatery nandroaka mpiasa. Amin’ny ankapobeny hoy ireo mpiasa amin’ny orinasa afakaba, dia efa ampoizina ihany ny mety hisian’ny fampiatoana. Manaporofo izany ny tsy fikarakarana ny antontan-taratasy maha mpiasa raikitra an’ireo ankizy naato. Raha efa iaraha-mahalala ny fiainan’ny mpiasa ao anatiny ao, izay saika ahazoana (…)
  • Fidinana an-dàlambe

    Nifanome hery ny mpanohitra

    lundi 14 avril 2008 | Penjy R. |  886 visites
    Mailo i Lecacheur dia nihemotra tsy nidina an-dalambe ny sabotsy teo. « Efa fantatro fa misy olon’ny fitondrana voakarama handroba sy hisambotra ahy. Aleo nihemotra aloha noho ny fitandremako tsy hisian’ny korontana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey io. Ho tohizako kosa anefa ny fanehoan-kevitry eny an-toerana ary tsy hihemotra intsony aho ». Feno mpitandro filaminana tetsy Analakely ny sabotsy teo, ary efa somebiseby ihany koa ny mpandalo. Inona no hitranga eto ? Nilamina ny tanàna satria tsy (…)
  • Làlam-pirenena faharoa

    Mirotsaka an-tsehatra ny zandary

    lundi 14 avril 2008 | Nivo T. A. |  595 visites
    Tato anatin’ny herinandro vitsivitsy izao dia nalaza ny fisian’ny fanakan-dàlana ataon’ireo olon-dratsy amin’ny làlam-pirenena faharoa, indrindra eo anelanelan’i Brickaville sy Moramanga. Mba hamahana izany olana manelingelina ny filaminam-bahoaka izany, dia nanao dinik’asa tany Brickaville, ny faramparan’ny herinandro lasa teo ny zandary ao anatin’ny vondron-tobim-paritra Atsinanana, sy Alaotra-Mangoro, izay notarihan’ny kolonely Andriambahoaka sy ny kolonely Célestin Arnaud. Tapaka (…)
  • Razakarimanana Ferdinand

    Potika ny demokrasia

    lundi 14 avril 2008 | Naivo kely |  714 visites
    « Omeo sehatra malalaka ny vahoaka ahafahany maneho ny alahelony. Io fihetsiky ingahy Lecacheur midina an-dàlambe io, dia fitondrana ny feon’ny vahoaka leon’ny zava-misy ankehitriny ». Isan’ny fanehoan-kevitry ny jeneraly Razakarimanana Ferdinand io raha nihaona tamin’ny mpanao gazety izy omaly alahady. Miantso fifampidinihana haingana ity Jeneraly misotro ronono ity, satria efa an-dohalika ny ranom-bary. Na amin’ny vahoaka io na ihany koa amin’ny mpanao politika satria tsy tokony hitompo (…)
  • Talatamaty

    Sinoa voapanga

    samedi 12 avril 2008 | Nivo T. A. |  699 visites
    Niakatra fitsarana omaly, tetsy Anosy, ilay raharaha sinoa voarohirohy ho nandratra sy namelaka tehamaina mpiasa iray tao amin’ny orinasany teny Talamataty. Nametraka fitarainana tany amin’ny mpitandro filaminana ilay mpiasa nilaza fa novonoin’ilay sinoa vavy, tamin’ny volana avrily 2005 tany ho any. Naka taratasy fanamarinana avy amin’ny dokotera tao amin’ny Tobim-pitsaboana iray teny Talatamaty moa izy, ary izay no nampiarahany tamin’ny fitoriana. Notsaraina tao amin’ny fitsarana (…)
  • Fifamoivoizana eto an-drenivohitra

    Tsy misy mpiraharaha ny lalàna

    samedi 12 avril 2008 | Hery A. |  428 visites
    Mitohy ny fanadiovana ataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ka ny famoahana lalàna mahakasika ny fifamoivoizana indray no imasoana. Efa resa-be teto an-drenivohitra ny lalànan’ny fifamoivoizana saingy toa niha goragora indray taorian’ny nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny toerana. Asa aloha izay antony, fa niaraha-nahita ny sakatsakana, saingy efa nampoizina hatramin’ny nanaovana propagandy izany. Na izany aza dia nahazo famatsiam-bola ny kaominina. Tsy nasian-dresaka aloha ny (…)
  • Kianjan’ny 13 mey

    Vaky nandositra i Lecacheur

    samedi 12 avril 2008 | Naivo kely |  1300 visites
    « Na higadra na hamoizako ny aiko, tsy hiemotra aho amin'ny fitarihana ny olona etsy amin'ny kianjan'ny 13 mey. Vonona aho na dia rahampitso ihany aza, satria raha ny filazako ny marina no hisamborana ahy ho any amponja tsy olana ». Isan'ny teny heno tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ingahy Henri Lecacheur tamin'ny mpanao gazety andro vitsy lasa izay. Vaky nandositra anefa ny lehilahy omaly raha vao natazana ny mpitandro ny filaminana saika hisambotra azy teny Analakely. Nifandrotehin'ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}