Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 18 mai 2024
Antananarivo | 17h12
 

Malagasy

Fidinana an-dàlambe

Nifanome hery ny mpanohitra

lundi 14 avril 2008 |  866 visites  | Penjy R.

Mailo i Lecacheur dia nihemotra tsy nidina an-dalambe ny sabotsy teo. « Efa fantatro fa misy olon’ny fitondrana voakarama handroba sy hisambotra ahy. Aleo nihemotra aloha noho ny fitandremako tsy hisian’ny korontana eo amin’ny kianjan’ny 13 mey io. Ho tohizako kosa anefa ny fanehoan-kevitry eny an-toerana ary tsy hihemotra intsony aho ».

Feno mpitandro filaminana tetsy Analakely ny sabotsy teo, ary efa somebiseby ihany koa ny mpandalo. Inona no hitranga eto ? Nilamina ny tanàna satria tsy nipoitra araky ny voalaza etsy aloha ny mpitarika ny fihetsiketsehana. Ankilan’izay dia mifanome hery ny mpanohitra. Isan’io ingahy Pierre Tsiranana, Vaovao Benjamin, ny CRN, ary heno fa nisy fihaonanan’i Zafy albert sy ingahy Lecacheur ny sabotsy teo ? Ny fiarahana hidina an-dalambe kosa dia mbola tsy voafaritra fa midera ny fihetsiky ny mpitarika ireto mpanohitra ireto. Ny filoha Ravalomanana ihany koa ankilany dia efa tonga omaly maraina teto an-tanindrazana ary tsy hitazam-potsiny izao fihetsiky ny mpanohitra azy izao. Hentitra izy omaly nilaza fa tsy hanaiky ny fanakorontanana ataon’ny mpanohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS