Raikitra ny fifaninana hiakarana eo ambony seza. Tsy seza toy ny fahita eny an-tsena, fa seza hitoeran’ireo te handray ny fahefan’ny mpanolon-tsaim-paritra eto Madagasikara ny 16 martsa izao.
« Vonona izahay ato anatin’ny antoko TIM », hoy ireo birao politika sy ny mpikambana ao aminy. « Izahay irery no mahafeno ny distrika rehetra manerana an’i Madagasikara. Ny hafa kosa toa kandidam-paritra no betsaka ». « Porofo ireo », hoy ny avy eo anivon’ity antoko ity, « fa vonona hiatrika ny fampandrosoana ny antoko ». Raha atao tomba-maso kosa anefa, dia misy raha tsy manjary ao, hoy ny mpitazana. 170 no isan’ny antoko Politika eto Madagasikara, saingy toa zara raha nisy nirotsaka izy ireo. Ny fikambana tsotra no betsaka. Tsy mbola tafapetraka eto anefa ny antoko ankavia sy ankavanana izay hany mba mpifaninana any amin’ny tany mandroso, nefa dia toa manome endrika izany ny fahavitsian’ny mpifaninana eto.
Ny kandida hifaninana ve no tsy misy, sa ny fanatanterahina ny latsa-bato no mampalailay fonosana ny maro ? Isika rehetra no miara-mamantatra izany.