Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles écrits par « Naivo kely »

  • Kabary mahakivy

    samedi 5 janvier 2008 | Naivo kely |  1228 visites
    Dia re tao anatin’ny kabarin’ny filoham-pirenena omaly teny Iavoloha indray ny fanazavana fa ny 75% ny Malagasy dia miaina ao anatin’ny fahantrana, ary mazana ireo tantsaha maro an’isa no voa amin’io. Mila hatsaraina ny toe-tsaina, fa raha tsy miova io dia tsy misy fampandrosoana ho vanona. Tanora 65% no afaka hiasa eto hoy ny filoha omaly . Maro an’isa ireo tanora ireo, ka izay no tsy maintsy ilàna fiheverana haingana mba tsy hidonanam-poana fa hamokatra ho an’ny tanindrazana. Niompana (…)
  • Midongy seza

    Tsy manana hevitra hijanona ela ny filoha

    samedi 5 janvier 2008 | Naivo kely |  668 visites
    Fampitomboana ny harin-karena, fanamafisana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra, ary ny fampihenana ny fahantrana. Ireo loha-hevitra telo ireo no niompanan’ny kabarin’ny filoham-pirenena Ravalomanana omaly raha niarahaba ny vahoaka malagasy tratry ny taona ny tenany. Hajoro ny banky BMCD iarahana amin’ny vahiny ny fananganana izany, ary hamatsy vola ny tantsaha malagasy io. Omena sehatra ihany koa anefa ny mpandraharaha malagasy amin’ny famokarana eto, fa tsy avela hipitrapitra lava (…)
  • Ivato - Firaisana

    Manomboka ny fandroahana mpiasa

    vendredi 4 janvier 2008 | Naivo kely |  643 visites
    Tao anatin’ny fotoana fohy monja nandraisan’ny ben’ny tanàna vaovao ny fitantanana ny kaominina eny Ivato-Firaisana, dia efa manomboka sahady ny fandroahana ireo mpiasa ao amin’ity kaominina ity. Araky ny fanapahana lah 001/08/KA/IV-FIR/M izay navoakan’ny teo anivon’ity kaominina ity, dia manapaka fa atsahatra tsy hanohy ny asany intsony ireo polisy kaominaly manerana ny kaominina Ambanivohitra Ivato-Firaisana. Ankoatra io dia voalaza fa voaroaka ihany koa ireo sekretera dimy eny anivon’ny (…)
  • Misy ny vola

    vendredi 4 janvier 2008 | Naivo kely |  695 visites
    Anio ny hanao ny fifampiarahabana tratry ny asaramanitra ny filohan’ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy. Fihaonana izay fanao isan-taona, ary mbola hanomezana toro-marika ihany koa ireo ben’ny tanàna 1 547 manerana ny nosy. Raha ity farany no asian-teny dia hita fa tsara ny marimaritra iraisana eny anivon’ny kaominina mba hifandanjan’ny hery, tsy eo amin’ny resaka politika io, fa eo amin’ny fitsinjarana ny fanampiana sy ezaka isan’ambaratongany. Ny fanjakana rahateo efa nilaza fa vonona (…)
  • Holafitry ny mpanao gazety

    Hilatsaka ny AJRP

    jeudi 3 janvier 2008 | Naivo kely |  336 visites
    Miandry izay daty hanaovana ny fifidianana ny mpanao gazety rehetra, izay eo ampamolavolana izany ireo komity manokana hisahana ity asa ity. Efa misy ireo anarana heverina hilatsaka ho amin’ny toeran’izany filohan’ny holafitra izany, dia eo ny filoha amperin’asa Ruffin Rakotomaharo, ingahy James Ramaroson, ary Soava Andriamarotafika filohan’ny AJRP. Ireo aloha hatreto no be mpilaza saingy miankina amin’ny faharisihan’ny tsirairay ihany io. Ny mpikambana maro ao anatin’ny AJRP na ny (…)
  • Ambany maso tsy hita

    mercredi 2 janvier 2008 | Naivo kely |  761 visites
    Rehefa vaovao tahaka izao ny taona dia ny firariantsoa ataon’ny rehetra ny hoe enga anie mba ho lasan’izay ny ratsy rehetra, ary aoka mba hiova tahaka ny taona vaovao ny fomba fisainana . Raha ity toe-tsaina mila miova ity no jerena dia saika natao litania teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka io ny faramparan’ny taona teo. Ny filohan’ny repoblika raha nikabary dia nanipika io tokony hisian’ny fiovana eo amin’ny rehetra io, ary ilaina ny fiarahan’ny rehetra miasa mba ahafahana tena mampandroso (…)
  • Tsy manoso-potaka

    lundi 31 décembre 2007 | Naivo kely |  603 visites
    Ny taona no hifarana fa ny fitakiam-bahoaka tamin’ny fifidianana izay navelan’ny taona 2007 mbola mitohy. Tsy vitsy ireo kandida nilatsaka ho ben’ny tanàna no nitaraina fa nivadika tampoka ny vokatra raha vao namoaka ny didy ny teo anivon’ny tribonaly administratifa ka ny antokom-panjakana izay resy no zary nibata ny fandresena tamin’ny kaominina maromaro. Nihetsika nanohitra izany izay nihevitra ho manana ny marina. Ireny efa norenesin-tsika ireny ny fanoherana nataon’ny mpomba ny kandida (…)
  • Fivadihan’ny voka-bato

    Fanovana ny lalàm-pifidianana no vaha-olana

    samedi 29 décembre 2007 | Naivo kely |  370 visites
    Saritsarim-pifidianana no miseho eto Madagasikara ka tsy mahagaga raha mandeha amin’ny tsy tokony ho izy ny safidim-bahoaka. Hita io nandritra ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ny 3 desambra 2006, izay nandraisanay mpanohitra anjara kanefa ireny niarahana nahita ireny ny niseho. Io no nambaran’ny PDS teto amin’ny faritanin’Antananarivo teo aloha, ny Jeneraly Razakarimanana Ferdinand. Nanohitra ny fitsapan-kevi-bahoaka izahay mpanohitra ary iza no tsy nahalala fa zara raha nandray (…)
  • Tso-drano

    samedi 29 décembre 2007 | Naivo kely |  904 visites
    Mirotsaka tanteraka ny orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay hita fa nahafaly ny tantsaha, teo am-piandohana, saingy dibo-drano kosa ny tanimbary tato afara. Alohalika ny ny rano eny amin’ny arabe, ka na dia teo aza ny ezaka nanadiovana ireny lakan-drano ireny dia tsy nahasehaka ny fivoahan’ny ranon’orana izay hita fa be loatra izany. Handao tsy ho ela ny taona 2007 isika izay tsy vitsy no manambara fa lasan’iny rano be iny ny ratsy rehetra ary tso-drano ahitantsika ny soa kosa ny (…)
  • Tsy afa-nihetsika ny mpanohitra

    vendredi 28 décembre 2007 | Naivo kely |  655 visites
    Takina tanteraka ny hetsiky ny mpanohitra teto Madagasikara nandritra ity taona madiva hivalona ity, na dia teo aza ny sehatra nahafahana nandrombaka fahefana tamin’ny alàlan’ireo fifidianana maro izay niseho teto. Tsy ny hevitra naroson’izy ireo no tsy misy fa ny hery tsy mitovy nanehoana hevitra angaha no tsy ampy ? Hita fa nanjakan’ny fitondrana tanteraka ny sehatra rehetra ka na maro aza no tsy nankasitraka ny fitsapan-kevi-bahoaka, dia naroso ihany ary iny niarahana nahita iny ny (…)
  • Mbola miandry

    jeudi 27 décembre 2007 | Naivo kely |  511 visites
    Hivalona tsy ho ela ny taona 2007 izay taona heverina fa hanombohan’ny fananganana ny rindrina sy ny tafo ao anatin’ny 5 taona manaraka hitondran’ny filoha amperin’asa ny tany sy ny fanjakana. Mandeha ny ora sy ny fotoana satria vidiana lafo ny iray segaondra, ary taona efatra indray sisa hananana amin’ity dimy taona manaraka ity. Samy namisavisa avokoa ny rehetra hoe manomboka ve io fananganana ny rindrina io sa mbola mampiofana ny mpanao trano no natao ? Ny fametrahana ny rafitra (…)
  • Ampamoaka

    samedi 22 décembre 2007 | Naivo kely |  1239 visites
    Tsy handova zavatra tsy mety ny ben'ny tanana vaovao. Midika io fa izay vandana dia kary ary ny raharaham-pirenena tsy hanankavana. Nivoaka ny ampamoaka tao amin'ny kaomina Antaninarivo renivohitra manoloana ny fomba fitantanana ara-bola tao. 8 Miliara ariary latsaka kely ny trosa tsy voalohan'ny kaominina ho an'ireo mpandraharaha natanteraka asa maro tao anatin'ny valo volana. Tsy misy intsony ny Gasoil hanala ny fako izay mitentina 800 Tapitrisa mahery tokony haloa amin'ny SAMVA, kanefa (…)
  • Na faly na tezitra

    vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  1091 visites
    Entitra ny filoha Ravalomanana omaly raha nilaza ny heviny momba ny filazana fa tezitra i Antananarivo, ka ny latsa-bato farany teo no nanehoany izany. « Raha faly izy dia faly, raha tsy faly izy dia tsy faly fa tsy ahafaly na ahatezitra ny vahoaka ny ataoko fa ny hampandroso ny fiainany ». Teny izay heverina fa manandanja lehibe manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny io, satria misy ny handika fa tsy miraharaha izay feon’ny vahoaka izany ny filoha fa ny maika aminy dia ny (…)
  • Hery Rafalimanana

    Tanora tsy very mandeha

    vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  843 visites
    Ny fofon’ny sezan’ny Tsimbazaza sisa no mety hanentohento ao amin’ny oron’ny PDS, fa ny fony sy ny fitiavany kosa dia mitoetra ao amin’ny asa fampandrosoana an’i Antananarivo sy Madagasikara manontolo. Tanora heverina fa nametraka ny asa-tanany ho an’ny renivohitra izy izay tsy azo lavina fa nahafinaritra ny maro, kanefa ny ora faran’ny latsa-bato no nanilika azy, izay faharesena ho azy sy ny antoko nanolotra ity lehilahy ity, kanefa tsy natao ahavery fanahy fa « ny manetsa be mbola ho avy (…)
  • Kaominina Ampefy

    Ahiana hirotaka ny olona

    vendredi 21 décembre 2007 | Naivo kely |  483 visites
    « Na ampahany na manontolo ny famerenana ny fifidianana ao amin’ny kaominina Ampefy, dia tsy manaiky ny vahoaka satria toa miendrika fanitsakitsahina ny safidim-bahoaka izay nametraka ny fitokisany 53,61% ho an’ny kandida Rakotoarimanana Patrick Olivier izao ». Io no nambaran’ireo komity mpanohana ity kandida ity omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety nilaza ny alahelony momba ny filazan’ny tribonaly administrativa fa haverina ny fifidianana ampahany any amin’io kaomnina io. Fifidianana (…)
  • Hiparitaka ny TGV

    jeudi 20 décembre 2007 | Naivo kely |  1497 visites
    Maniry ny hiparitahan’ny fikambanana TGV sahady ny faritra maro na dia hita aza fa iray volana monja no tena nahazo laka teto amintsika io fikambanana io. Ireo no tsapa amin’ny fampiasan’ny mponina ivelan’Antananarivo ilay tanana manao « V » izay hambara ho mariky ny fandresena. Tsy avelanay hijanona eto an-dRenivohitra ihany ny TGV fa ho resena lahatra ny mpamorona azy mba hiparitahany manerana ny nosy. Saika re matetika io taorian’ny nahazoany ny fandresena teto Iarivo, ka zary (…)
  • Natao sorona i Ialy

    mercredi 19 décembre 2007 | Naivo kely |  843 visites
    « Nogadraina enim-bolana nefa nohafahana madiodio ramatoa Ialy Rakotoniaina, izay midika zavatra maro amin’ny mpikambana ao anatin’ny Tambatra ». Io no nambaran’ireo birao ao anatin’io antoko iray izay notsipihin’ingahy Beza Seramila fa rehefa tsy hita popoka ny ben’ny tanàna teo aloha Pety Rakotoniaina, dia nosamborina ny vadiny. Manana andraikitra goavana izany raim-pianankaviana izany, ka iny karazan’ny nitolo-batana iny. « Tsy nohafahana anefa i Ialy vadiny rehefa tratra i Pety, fa mbola (…)
  • Tonga saina ny TIM

    Napetraka ny SG vaovao

    mercredi 19 décembre 2007 | Naivo kely |  1205 visites
    «Nampita hafatra ny vahoaka teto Antananarivo tamin’ny latsa-bato natao farany teo, ka sehatra maro no voakasik’io, ary isan’izany izahay teto anivon’i Tiako I Madagasikara. Handray ny andraikitra mifanandrify amin’izany izahay, satria ny feom-bahoaka feon’Andriamanitra». Isan’ny fanehoan-kevitra re teny Ankorondrano io omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny teo anivon’ny irao foiben’ny TIM izay notarihan’ny filohany Yvan Andriasandratriniony. Izay vao tafapetraka ihany koa ny SG-ny ity (…)
  • Mandrora mitsilany

    mardi 18 décembre 2007 | Naivo kely |  757 visites
    Vao nilatsaka ny orana omaly dia efa dibo-drano sahady ny faritra maro teto Iarivo noho ny fahatsetsenan’ny tatatra mitondra ny rano maloto. Io dia vokatry ny havoretrana izay ataon’ny olona sasany manary fako any anaty lakan-drano ary dia io iarahana mahita io avy hatrany ny vokany. Vanim-potoana fiakaran’ny vokatra toy ny manga sy ny letisia izao, ka mahatratra 700 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitra izay mitombo ny havesatra rehefa milatsaka toy izao ny orana. 500 taonina kosa (…)
  • Don-tandroka

    lundi 17 décembre 2007 | Naivo kely |  809 visites
    Nanakoako ny fanazavan’ny filoha Ravalomanana farany teo tany Toamasina, izay nilazany fa ray aman-drenin’ny malagasy rehetra izy na mpanohitra na ihany koa mpanohana, ary hanampy izay ben’ny tanàna tsy ankanavaka lany eo. « Maika ny fampandrosoana ary tsy ho lany andro hifanasa vangy eto isika », hoy izy. Miteny ho azy io voalazan’ny filoha Ravalomanana io, ka hisintonana ny sain’ny maro raha nanambara nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny fa tsy hisy faritra handroso raha toa ka tsy ny (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}