Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy manoso-potaka

lundi 31 décembre 2007 | Naivo kely |  603 visites 

Ny taona no hifarana fa ny fitakiam-bahoaka tamin’ny fifidianana izay navelan’ny taona 2007 mbola mitohy. Tsy vitsy ireo kandida nilatsaka ho ben’ny tanàna no nitaraina fa nivadika tampoka ny vokatra raha vao namoaka ny didy ny teo anivon’ny tribonaly administratifa ka ny antokom-panjakana izay resy no zary nibata ny fandresena tamin’ny kaominina maromaro. Nihetsika nanohitra izany izay nihevitra ho manana ny marina. Ireny efa norenesin-tsika ireny ny fanoherana nataon’ny mpomba ny kandida izay nandresy nefa tsy tafita. Tsy fanosoram-potaka na iza na iza ity, fa isan’ny hevitra niseho teny rehetra teny ny fandrenesana ny tenin’ny filoha hoe tsy maintsy avoaka ny 19 desambra ny vokatry ny latsa-bato natao ny 12 desambra teo. Dia nivoaka araka io tokoa ny vokatra, ka nahatonga ny maro hilaza hoe fa angaha tsy mahaleo-tena indray ny fitsarana ? Misy fotoana hanangonana ny vokatra isaky ny birao fandatsaham-bato, ary mbola jerena ihany koa ny fitoriana ataon’ireo mpifaninana. Ny zava-misy anefa dia io niarahana nahita io. Ho gaga ve isika raha hitsimbadika tahaka izao ny vokatra tany amin’ny kaominina hafa ? Mbola ilaina ve ny fifidianana sa fanendrena olona no tsara atao eto, hoy ny mpitazana mba tsy ahalany vola sy fotoana ny kandida ? Hivalona anio misasak’alina ny taona, moa ve hivalona miaraka amin’izay ny alahelon’ireo kandida voahilika tamin’ny ora farany ? Ho taonan’ny fahamarinana sy ny tena fahamasinana marina anie ny taona hitsidika io, ka ho lasan’izay ny ratsy rehetra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}