Mirotsaka tanteraka ny orana eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay hita fa nahafaly ny tantsaha, teo am-piandohana, saingy dibo-drano kosa ny tanimbary tato afara. Alohalika ny ny rano eny amin’ny arabe, ka na dia teo aza ny ezaka nanadiovana ireny lakan-drano ireny dia tsy nahasehaka ny fivoahan’ny ranon’orana izay hita fa be loatra izany. Handao tsy ho ela ny taona 2007 isika izay tsy vitsy no manambara fa lasan’iny rano be iny ny ratsy rehetra ary tso-drano ahitantsika ny soa kosa ny ambiny. Dia hoy ny maro hoe : enga anie mba hanamando ny tany mba hamokatra be fa tsy sanatria ho zary hiteraka fahavoazana ho an’ny mpiray tanindrazana ka ho maro indray ny tra-boina amin’izao oram-be mateti-piavy izao.
Tso-drano
samedi 29 décembre 2007 |
| 904 visites