Anio ny hanao ny fifampiarahabana tratry ny asaramanitra ny filohan’ny Repoblika sy ny vahoaka Malagasy. Fihaonana izay fanao isan-taona, ary mbola hanomezana toro-marika ihany koa ireo ben’ny tanàna 1 547 manerana ny nosy. Raha ity farany no asian-teny dia hita fa tsara ny marimaritra iraisana eny anivon’ny kaominina mba hifandanjan’ny hery, tsy eo amin’ny resaka politika io, fa eo amin’ny fitsinjarana ny fanampiana sy ezaka isan’ambaratongany. Ny fanjakana rahateo efa nilaza fa vonona hiara-miasa aminizay ben’ny tanàna lany eo. Ny tiana hampitaina dia ny hoe manam-bola tokoa ny firenena malagasy raha mahita ireo ben’ny tanàna voalaza etsy ambony ireo hiakatra eto an-drenivohitra. Samia manao kajikajy isika rehetra ny saran-dàlana sy ny sakafo lanin’izy ireo, indrindra fa ny tambiny kely omena azy ireo. Manao ahoana ny kitampom-bolam-panjakana amin’izany ? Ny karaman’ny mpiasa anefa zara raha mahatratra ny 10% ny fanondrotana. Fa angaha tsy azo hampitaina amin’ny haino aman-jery izay toro-marika izay, izay efa manenika an’i Madagasikara ny RNM, TVM ary ny MBS sy ny hafa ? Nanao fiofanana toy izao ny filohan’ny fokontany sy ny hafa, saingy nisy fiantraikany haingana ve ireny, ary raha ny tsapa aza toa niandany amin’ny kandida iray raha ny zava-misy no jerena ? Ny tsapa aloha dia misy tokoa ny vola fa ny fotoana handaniana azy no manahirana.
Misy ny vola
vendredi 4 janvier 2008 |
| 695 visites