Entitra ny filoha Ravalomanana omaly raha nilaza ny heviny momba ny filazana fa tezitra i Antananarivo, ka ny latsa-bato farany teo no nanehoany izany. « Raha faly izy dia faly, raha tsy faly izy dia tsy faly fa tsy ahafaly na ahatezitra ny vahoaka ny ataoko fa ny hampandroso ny fiainany ». Teny izay heverina fa manandanja lehibe manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny io, satria misy ny handika fa tsy miraharaha izay feon’ny vahoaka izany ny filoha fa ny maika aminy dia ny fampandrosoana ? Rehefa mandroso ny firenena moa ve tsy ho faly ny vahoaka hoy ny hafa nandre io teny io. Teny tsy nahy iny sa vokatry ny fo ? Anjarantsika rehetra no mandinika izany.
Na faly na tezitra
vendredi 21 décembre 2007 |
| 1091 visites