« Nogadraina enim-bolana nefa nohafahana madiodio ramatoa Ialy Rakotoniaina, izay midika zavatra maro amin’ny mpikambana ao anatin’ny Tambatra ». Io no nambaran’ireo birao ao anatin’io antoko iray izay notsipihin’ingahy Beza Seramila fa rehefa tsy hita popoka ny ben’ny tanàna teo aloha Pety Rakotoniaina, dia nosamborina ny vadiny. Manana andraikitra goavana izany raim-pianankaviana izany, ka iny karazan’ny nitolo-batana iny. « Tsy nohafahana anefa i Ialy vadiny rehefa tratra i Pety, fa mbola notazonina amponja ihany, na dia nangataka ny hanomezana azy fahafahana vonjy maika aza ny mpisolo vava azy », hoy ihany ingahy Beza Seramila. Ny antony dia maro ny fifidianana izay natao teto ary rehefa vita io, izay nifarana ny 12 desambra teo, dia afaka madiodio izy 15 izay voampanga. Maro ny nandika fa natao sorona i Ialy sao ahiana hilatsaka hofidiana tamin’ireo fifidianana izay natao teto. Ny tsy azo lavina dia nametraka tantara ratsy teo amin’ny fiainan’izy mianankavy ity taona 2007 ity. kanefa hampitsahatra azy ireo amin’ny tolona politika ataony ve ny toy izao ?
Natao sorona i Ialy
mercredi 19 décembre 2007 |
| 843 visites