Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Mandrora mitsilany

mardi 18 décembre 2007 | Naivo kely |  757 visites 

Vao nilatsaka ny orana omaly dia efa dibo-drano sahady ny faritra maro teto Iarivo noho ny fahatsetsenan’ny tatatra mitondra ny rano maloto. Io dia vokatry ny havoretrana izay ataon’ny olona sasany manary fako any anaty lakan-drano ary dia io iarahana mahita io avy hatrany ny vokany.
Vanim-potoana fiakaran’ny vokatra toy ny manga sy ny letisia izao, ka mahatratra 700 taonina isan’andro ny fako eto an-drenivohitra izay mitombo ny havesatra rehefa milatsaka toy izao ny orana. 500 taonina kosa ny fako amin’ny vanin’andro ririnina. Azo atao tsara anefa ny misoroka ny fahavoazana raha mahay miara-mientana isika, kanefa dia maro loatra ny tsy miraika amin’izany ka zary fahafinaretana ho an’ny hafa ny mandoto ny renivohitra koa ahagaga ve izao fijalian’ny mponina izao raha vao nilatsaka ny orana . Vao manomboka ary izao ny filatsahan’ny orana dia hita ny fahavoazana mianjady amin’ny vahoaka, koa raha mifanesisesy dia ahoana no hanjo ny mponina eto, indrindra fa ny faritra iva ? Soa aloha fa manana tetik’asa amin’io ny ben’ny tanàna vaovao raha nanao fampielezan-kevitra teto ny tenany, raha tsy hoe angaha...

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}