Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Ambany maso tsy hita

mercredi 2 janvier 2008 | Naivo kely |  761 visites 

Rehefa vaovao tahaka izao ny taona dia ny firariantsoa ataon’ny rehetra ny hoe enga anie mba ho lasan’izay ny ratsy rehetra, ary aoka mba hiova tahaka ny taona vaovao ny fomba fisainana . Raha ity toe-tsaina mila miova ity no jerena dia saika natao litania teo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka io ny faramparan’ny taona teo. Ny filohan’ny repoblika raha nikabary dia nanipika io tokony hisian’ny fiovana eo amin’ny rehetra io, ary ilaina ny fiarahan’ny rehetra miasa mba ahafahana tena mampandroso ity firenena ity. Raha vao nandray ny fahefana ihany koa ny ben’ny Tanana vaovao eto an-drenivohitra dia ny vahoaka mihitsy no nanao antso amin’ny Malagasy tsy vaky volo ny mba hisian’io fanovana toe-tsaina io raha tiana ny hisian’ny fiovana eto andrenivohitra. Raha ny hita anefa dia toa lasa-ko vavany fotsiny mazana ireny teny afafy etsy sy eroa ireny. Firy taona izay no nisian’io antso avo mba hiraisana hina sy hipetrahan’ny fiovan’ny toe-tsaina io, saingy mbola io hiarahana mahita io ny trangam-piainana hiainan’ny isam-baravarana. Raha vao misy seza tian’ny hafa harovana dia io fiovan’ny fomba fijery io mazana no heno, mba tsy aha-voakitikitika sy aha-mafy orina ilay olona eo amin’ny fanampahana. Nahoana anefa no tsy nampiharina ny fomba fijery tsara fony ilay olona hafa no nitondra teo ? Koa aoka tsy atao ambany maso tsy hita ny teny avoakan’ny vava fa raha nipetraka teo amintsika ny tena fitiavana ny tanindrazana ao anatin’ilay toe-tsaina matotra sy ny fifanantonana tsy misy fiatsaram-belatsihy, tsy toy izao ny misy ity firenena ity.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}