Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »
-
Mitsingilaila ny fitondra foibe ankehitriny. Io dia noho ny hetsi-bahoaka izay miseho eto an-dRenivohitra, mba tsy hilazana fa mety hanerana an’i Madagasikara. Vokatry ny tsy fisian’ny fifampihainoana no anton’io, satria efa ela no nitaky fa misy tsindry hazo lena mitranga eto amin’ny firenena.
Nipoaka iny ny sarom-bilany. Ny tohiny no tsy hay na hiparitaka hatramin’ny aty vilany, na tsia, fa ny azo antoka, tsy ho faty intsony ny afo efa niotrika tao am-pon’ireo mahatsiaro fangirifiriana teto (...)
-
samedi 24 janvier 2009 |
Naivo kely
| 1307 visites
Lasa lavitra ny hetsiky ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy fitakiana fe fitakiana tsotra intsony fa efa miroso any amin’ny fandrodanana ny fanjakana foibe mihitsy.
Tsapa io amin’ireo fivoriana ataon’izy ireo etsy sy eroa. Tsy misy mihitsy finiavana hiroso amin’ny fiaraha-midinika, fa izao fitakiam-bahoaka izao no hany heno amin’ny resaka avoakan’ny vavany. Ankilan’izay, dia tsy mbola hay izay ho valin-kafatra ho asetrin’ny fanjakana izao. Na ho ela anefa na ho (...)
-
vendredi 23 janvier 2009 |
Naivo kely
| 1160 visites
Raikitra ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana eny anivon’ny vahoaka. Fijerena mivantana ny asa tokony ho atao, mba ahafahan’ny rehetra miala ao anatin’ny fahasahiranana. Hifaninanan’ny andrim-panjakana sy ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izany.
Tsara tokoa ity fomba fiasa vaovao ity, satria raha tsy nidina ifotony ny filoha Ravalomanana, dia tsy nisy mpitsetra ny fanamboarana ny hopitaly etsy Befelatanana sy ny HJRA Ampefiloha. Hanara-penitra ny asa, ary maro ireo fitaovana tsy (...)
-
Tonga ny rivo-doza, ary manomboka manimba zavatra maro amin’ny toerana izay lalovany, ka mampitondra takaitra ny vahoaka maro. Potika ny trano sy ny tetezana tany amin’ny faritry Menabe, ary toy izany ny any Sava. Manomboka misy ny tra-boina, ary mandray ny andraikiny ny eo anivon’ny BNGRC.
Miakatra ny rano, ary manomboka hita ny fahapotehan’ny voly isan-karazany. Tsy mbola misy ny aina nafoy, izay isaorana ilay nahary, fa ny biby fiompy kosa no voalaza fa nisy lasan’ny rano. Na eo aza izany, (...)
-
mercredi 21 janvier 2009 |
Naivo kely
| 1044 visites
Manomboka ny asa etsy Befelatanana. Nisento avokoa ny rehetra, tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana momba ny fanamboarana azy ity. Niara-niaky ny rehetra, fa tsy tao anatin’ny tetikasan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny hanamboatra azy io, saingy rehefa nidina tampoka teny ny filoha Ravalomanana, dia niroso tamin’ny baiko hentitra ny hanamboarana izany hopitaly manana ny lazany izany.
Tsy ao anatin’ny tetibolan’ny minisitera taona 2009 ny fisian’ny fanamboarana azy. Eny na dia miakatra (...)
-
Manimba zavatra ny politika. Tafiditra lalina amin’io anefa isika eto an-dRenivohitra, ary mifampiahiahy avokoa ny mpiara-belona rehetra. Fomban-javatra io, satria na ny mpivady aza tsy miray fandriana rehefa samy manana ny firehana arahiny ny andaniny sy ny ankilany.
Ny tena mampalahelo tao anatin’izay andro vitsivitsy izay, dia ny fahaverezan’ny soa toavina maha-malagasy sahady eo amin’ny ankolafin’olona sasany. Voaivaiva ny raiamandrenin’ny firenena, dia ny filoha Ravalomanana izany. (...)
-
lundi 19 janvier 2009 |
RAW
| 1883 visites
An’alina ny olona tonga tetsy Ambohijatovo ny sabotsy lasa teo. Nizotra sy nirava tsy nisy romoromo ary dia afaka niteny sy naneho ampahibemaso ny fitiavany izany demokrasia izany na ny tonga teny an-kianja na ny tsy tonga teny. Satria ampahany amin’ny mponina eto Antananarivo tokoa ireny teo Ambohijatovo ireny.
Antso voalohany hono iny ary dia afa-po ny mpikarakara. Afa-po koa ny mpitandro ny filaminana satria tsy araka ny natahorana azy hoe hisy korontana. Raha tsorina dia samy nahatsapa (...)
-
Tia raha isika eto Madagasikara, ary tsy mety fay amin’izay tranga efa nampidi-doza ny firenena. Hifantoka etsy Ambohijatovo ny mason’ny mpanara-baovao maro. Na dia ambara aza fa leo politika ny olona, dia tsy azo hodian-tsy hita ny fifantohan’ny saina amin’izay mety ho tohin’ny tolona ataon’ny mpanohitra.
Ny mampalahelo, dia variana amin’ny resaka toy izao ny ankamaroan’ny maro, ka ny lahasa entina hanatsara ny fianam-bahoaka andavan’andro no adino. Ny mpitantana ny kaominina, dia hifantoka amin’ny (...)
-
vendredi 16 janvier 2009 |
Naivo kely
| 1340 visites
Takon’ny resaka politika ny sehatra maro eto amin’ny firenena. Ary mahaliana ny maro izay maneho hevitra amin’izany. Isan’io ny nambaran’ingahy ben’ny tanàna sy ny filohan’ny Repoblika ny alarobia teo.
“Na inon-kidona na inon-kihatra, dia tsy hihemotra amin’ny jadona ny tenako”, hoy ny ben’ny tanàna Rajoelina. Niantso ny vahoaka rehetra ny tenany ny sabotsy izao mba hiara-hifanotrona etsy Ambohijatovo. Ny filoha ihany koa anefa, raha nihaona tamin’ireo ankolafin’olona maro teto an-dRenivohitra teny (...)
-
Izay ataon-dry zareo matanjaka eo, dia zakaina avokoa e. Io no teny heno etsy sy eroa nandritra ny andro vitsy teto an-dRenivohitra. Momba ny hetsiky ny mpanohitra io. Samy naneho ny heviny avokoa na ny filohan’ny Repoblika ny talata lasa teo, ary novalian’ny ben’ny tanàna Andry Rajoelina ihany koa ny alarobia.
Tsapa fa misy ny alahelo an’ity ben’ny tanàna ao amin’ny maro, saingy toa tsy marisika ny hanao hetsika politika intsony ny olona. Ireo ve tsy ahay hifandamina eo hoy indray ny hafa, fa ny (...)
-
mercredi 14 janvier 2009 |
Naivo kely
| 849 visites
Raikitra indray ny tetikasa HIMO. Faly ny mponina sahirana fa mba misy vola kely ho raisina ahafahana amidy sakafo. Tomefy olona manadio tatatra sy manala ny lobolobo isaky ny fokontany. Olona aman-jatony maro no miara-misalahy amin’ity asa ity.
Ny fanjakana no mandray an-tanana ny raharaha, ary hita taratra, fa misy vokany ilay asa. Inona tokoa no tsy vitan’ny fifanomezan-tanana ao anatin’ny sarotra. Ny mponina mahazo vola, ary ny tanàna madio. Tsy tokony hirehareha anefa isika amin’itony (...)
-
Hikaon-doha handinika lalàna indray ireo andrim-panjakana roa eto aminstika. Ny fanitsiana ny lalàm-panorenana sy ny fandaniana ny lalàna hifehy ny antoko politika no anton’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.
Tsy dia misy zava-baovao andrasana amin’ny mety ho fiovan-kevitra ataon’ireo olom-boafidy mpanao lalàna ireo. Ny antony, dia tsy hita taratra intsony eny anivon’ireto andrim-panjakana ireto ny ady hevitra toy ny taloha. “Tsy kianjan’ny demokrasia intsony, hoy ny mpitazana fa lapan’ny (...)
-
Tsy mijery ambony fa mijery ambany. Fomba fitenin’ny olona miantso tody io, ka ilazana fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha mahita ny miafina rehetra, satria mijery midina ety an-tany izy fa tsy mitraka mijery ny lanitra misy azy. Vita indray iny ny fotoam-bavaka nambara fa hitondra am-bavaka ny firenena. Ireo hery avy any amin’ny fanoherana no nikarakara izany, na dia ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra aza no natao antoka fa nanomana izany. Ny fanohanana am-bavaka ny (...)
-
Tsy hisy ahita tombontsoa ao anatin’ny korontana, ka aleo mifampidinika. Efa an-taonany maro no nandrenesana io feo tao ambavan’ny ankolafin’olona maro teto amin’ny firenena, saingy nipoitra hatrany ny olana isan-karazany. Midika izany fa tsy nisy ny finiavana teo amin’ny ankolafin’olona samy hafa hiroso amin’izany fifampidinihana izany.
Mitaky ny fitakiany ny mpanohitra, ary mamoaka ny vanginy amin’ny izay mety ho rombahany, raha toa ka tsy mamaly izany ny eo anivon’ny fitondrana. Ny fitondrana (...)
-
vendredi 9 janvier 2009 |
Naivo kely
| 893 visites
«Tsy izay miteny hoe tompoko, tompoko, no hiditra ny fanjakan’ny lanitra». Tsy izay rehetra milaza fa hamaha ny olan’ny Malagasy, dia ahavita fahagagana ho antsika avokoa. Ataovy anatra ny lasa, satria ny omaly tsy miova no hita eto. Mandindona ny korontana eto amin’ny tanàna. Tsy hay hampanginina ny fandranitana ataon’ny sasany. Hikoha-maina aza atao, maika fa misy rehoka. Ny daty 13 Janoary sisa handrasana dia tonga ny fotoana. Fotoana inona hoy ny hafa ? Ny hanetsehana vahoaka hikomy amin’izao (...)
-
Vao manomboka ny taona, dia vaky ny fonja. Raikitra ny fifanenjehana, ary nisy ny voatifitra ka maty. Mbola nitohy ny ampitson’io ihany ny vaky fonja tany Betroka sy Ambalatavoahangy. Nipoaka ny Gaz tetsy Ambohimanarina, ary olona roa maratra mafy miady amin’ny fahafatesana, ary roa namoy ny ainy. Nisy ihany koa ny fifampitifirana tamin’ny jiolahy teny Anosizato, ary nandriaka ny ra, ary lavo ny jiolahy iray izay voalaza fa nahitana fitaovam-piadiana vita gasy teny aminy.
Andro vitsy monja (...)
-
mercredi 7 janvier 2009 |
Naivo kely
| 1183 visites
Tena lafatra. Io no azo ilazana ny fiaramanidin’ny filoha Ravalomanana, ny “Force One” vaovao. Ny vahoaka Malagasy aloha no ho teteziko amin’ity, izay vao ny firenen-kafa. Io no fandresen-dahatra nataon’ny filoha ny vahoaka, mba tsy hanome tsiny azy amin’ny fividianana ity firamanidina lafo vidy ity. Efa miakatra tokoa ny harin-karena matoa mahavidy fitaovana toy izao isika, hoy ny olona, satria tsy tao anatin’ny fotoana fohy no nilazan’ny filoha Ravalomanana fa tsy maharaka ny diany ilay “Force (...)
-
Vaky ny fonja. Io no nanamarika ny tontolon’ny fonja raha iny faramparan’ny taona 2008 iny, ary dia io nitohy ny alahady lasa teo indray. Be ireo gadra afaka nandositra, ary nisy ny voasambotra sy ny maty.
Tsy hidirana lalina intsony eto ny resaka zon’olombelona, fa ny maika indrindra, dia ny tsy fandraisana andraikitra manoloana ny fonja eto Madagasikara. Tsy vao izao no nilazana fa efa antitra sy mora vakiana anie ny fonja eto amintsika, nefa toa rano nararaka an-damosin-gisa avokoa ireny (...)
-
mercredi 31 décembre 2008 |
Naivo kely
| 1168 visites
Tsy mbola azo ny mofo mamy, dia efa raikitra ny fifanjevoana eo amin'ny mpanohitra. Samy te-ho lohany avokoa izy rehetra. Tsy takona afenina intsony io korontana ao anatin'ny samy mpanohitra io, ary tsy ho gaga isika raha toa ka samy maka ho azy hatrany izy ireo rehefa tonga ny fifidianana.
Mpanao politika fanta-daza eto amin'ny firenena no naneho ny heviny omaly, izay miara-dia ao anatin'ny mpanohitra. Andro vitsy monja izay, raha nanao fivoriana hitambara izy ireo, dia efa nailika tsy ho (...)
-
Hivalona afaka andro vitsy ny taona. Samy mifantoka any amin'ny taona ho avy ny mason'ny olona manana aina rehetra. Izay ahadinganana ity taona 2008 ity no tanjona, satria zava-dehibe amin'ny Malagasy izany nadingana taona iray izany.
Taona hitondra inona ho an'ny vahoaka malagasy io taona hitsidika io ? Izay no mby tonga ao an-tsain'ny maro. Ny akaiky indrindra, dia ilay fepetra takian'ny mpanohitra eto amintsika momba ny hamahana ireo olana takian'izy ireo hatramin'ny 13 janoary izao. (...)