Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 09h17
 

Teny zato, kabary arivo

Very ny hasina maha-malagasy

mardi 20 janvier 2009 | Naivo kely

Manimba zavatra ny politika. Tafiditra lalina amin’io anefa isika eto an-dRenivohitra, ary mifampiahiahy avokoa ny mpiara-belona rehetra. Fomban-javatra io, satria na ny mpivady aza tsy miray fandriana rehefa samy manana ny firehana arahiny ny andaniny sy ny ankilany.

Ny tena mampalahelo tao anatin’izay andro vitsivitsy izay, dia ny fahaverezan’ny soa toavina maha-malagasy sahady eo amin’ny ankolafin’olona sasany. Voaivaiva ny raiamandrenin’ny firenena, dia ny filoha Ravalomanana izany. Nahetrin’ny sasany ambany ny haja sy voninahitry ny firenena. Endrika iray, izay hilazana ny tsy fisian’ny fahamatoran’ny toe-tsaina ny toy izany. Tsarovy, fa na inona tsy fitoviam-pijery politika eto, dia mbola Ravalomanana ny filoham-pirenena, ary raiamandrenin’ny Malagasy rehetra. Tsy ho diso isika raha mametraka hatrany ny haja ho an’izany raiamandreny izany.

Toy izany koa ny mpomba ny ankilany. Izany ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra izany, dia manana anjara lehibe hitondra ny tanàna sy ny fiainam-bahoaka ao aminy. Manana ny fomba fijery manokana izay tsy hitoviany amin’ny mpitondra izy. Tsy izay no entina hanambaniana ity ben’ny tanàna ity eo amin’ny lafiny maro. Ny hevitra no tsy mitovy, fa ny ra maha-malagasy ao amintsika rehetra. Nahoana no vingavingain’ny hafa ihany koa ity ben’ny tanàna ity ? Omeo ny haja amam-boninahiny ireo olona roa tsy mitovy fomba fijery ireo. Zaran’ny hafa aza isika hifanebaka am-pitoerana eto, ka hiafara amain’ny ady an-trano, mba ahamora ny hanjanahana antsika amin’ny lafiny maro. Dia ho sanatria ve hitovy amin’ireo tany atsy Afrika hanjakan’ny vono olona sy ny ady an-trano ny eto an-dRenivohitra, izay efa mitady ahazo vahana any amin’ny faritra samy hafa ? Miankina amintsika mianakavy ny hipetrahan’ny fampanjakana ny fifanajana, na dia ao aza ny fomba fijery samy manana ny azy. Aleo haka anjorom-bala ny tendrom-po tsy mba namana sao hanenenana atsy ho atsy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS