Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 18 avril 2024
Antananarivo | 19h42
 

Teny zato, kabary arivo

Tanteraho fa azo atao !

vendredi 23 janvier 2009 | Naivo kely

Raikitra ny fidinana ifotony ataon’ny fitondrana eny anivon’ny vahoaka. Fijerena mivantana ny asa tokony ho atao, mba ahafahan’ny rehetra miala ao anatin’ny fahasahiranana. Hifaninanan’ny andrim-panjakana sy ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ny toy izany.

Tsara tokoa ity fomba fiasa vaovao ity, satria raha tsy nidina ifotony ny filoha Ravalomanana, dia tsy nisy mpitsetra ny fanamboarana ny hopitaly etsy Befelatanana sy ny HJRA Ampefiloha. Hanara-penitra ny asa, ary maro ireo fitaovana tsy misy ao amin’ireto hopitaly ireto, na nisy fa efa simba no ho soloina vaovao. Toa nitondra fahasitranana ho an’ireo marary ny fandrenesana izany. Miara-miaky ny rehetra, fa tsy andoavam-bola ny fitsaboana tena amin’itony sehatra itony, saingy vidiana avokoa ny fanafody ampiasaina na ny trano hitoerana, raha hisafidy izany ilay marary. Midika io, fa raha tsy misy vola, dia fahafatesana no hita. Inona no sakana tsy ahafahan’ny fanjakana manome fanafody maimaim-poana ny marary ? Nahoana ihany koa raha averina indray ny fanomezana sakafo maraina, atoandro hariva ireto marary ireto ? Tanteraho fa azo atao izany, raha eo amin’ny mpitondra ny finiavana hanova.

Hiarahantsika mahita fa ny fahasalamana no voalohan-karena. Koa raha niroso amin’ny fanatsarana ny atiny sy ny ivelan’ny hopitaly ihany isika, aleo mba hitovy lenta amin’ny any ivelany ny eto an-toerana e ! Ho azo antoka fa hanana hery goavana ny vahoaka amin’ny asa izay ho ataony amin’ny fampandrosoana ny tanindrazana, ka raha sanatria marary, dia ho azo antoka fa ho tsara karakara. Izany no tena fiovana, satria vitan’ny tany aloha io, koa nahoana no tsy ho vita ankehitriny ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS