Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 16h08
 

Teny zato, kabary arivo

Totohondry tsy mivonkona amin’ireny ve Fahendrena ?

lundi 19 janvier 2009 | RAW

An’alina ny olona tonga tetsy Ambohijatovo ny sabotsy lasa teo. Nizotra sy nirava tsy nisy romoromo ary dia afaka niteny sy naneho ampahibemaso ny fitiavany izany demokrasia izany na ny tonga teny an-kianja na ny tsy tonga teny. Satria ampahany amin’ny mponina eto Antananarivo tokoa ireny teo Ambohijatovo ireny.

Antso voalohany hono iny ary dia afa-po ny mpikarakara. Afa-po koa ny mpitandro ny filaminana satria tsy araka ny natahorana azy hoe hisy korontana. Raha tsorina dia samy nahatsapa fa tsy hisy hahazo tombontsoa amin’’izay korontana eo na ny mpikarakara sy mpikatsaka fahalalahana sy fahafahana maneho hevitra sy mitaky fitoviana, na ireo izay mahita fa efa misy ireo rehetra ireo fa inona indray ity hetsika tarihin’ny Ben’ny tanàna ity ?

Ny fotoana tamin’ny sabotsy moa dia nararaotina ihany koa nanaovana antso faharoa nolaroina fitakiana hafa noho ireo efa natao teo aloha. Ary raha ny fahitana azy dia niakatra antanan-tohatra hafa ny fitakiana. Na dia tsy niafina tamin’ny olona rehetra aza ny tian-katongavana tamin’ireny dia mazava fa mitaky fanovana ny Ben’ny Tanàna. Toa mananatra sy mampitandrina ny mpitondra izy amin’ireny. Ity tokoa angaha no tonga amin’ny tenin-jatovo hoe “totohondry tsy mivonkona amin’izany efa maty hozatra” ; mba hilazana hoe efa tena fiantsiana mihitsy. Raha ny fahendrena Malagasy aloha, izay noventesina matetika tato ho ato dia toa tsy mifanandrify loatra. Efa miova tokoa ny toetrandro, efa maoderina sy “mondialisation” izao. Amin’ny mpanabe sy ny mpandinika aloha dia satry aza ny zanaka miteny sy mampahafantatra ny alahelony toa izay mamoy fo any ambadika any rehefa tsy afaka mifampiresaka intsony ny ao an-trano. Araka ny mba naverimberin’ny mpampianatra tany an-tsekoly dia ny fifampiresahana, ny fifampihainoana no tena mampirindra ny fiarahamonina, na ao an-tokantrano io na ivelany.

Hatrizay tokoa, hoy ny olobe iray, dia be loatra ny mitompo teny fantatra ka nahatonga ireny fihetsehan’Antananarivo nifanesy ireny. Ary dia notanisainy teo ny hetsika 1971-1972, 1991-1992, 2001-2002. Dia nanontany tena izy hoe dia mbola hiverina amin’ireny indray ve amin’ity fa tsy hahalala hifampihaino, hifanantona sy hiara-hitady vaha-olana maharitra ? Sao dia hananan-tsiny amin’ny tanindrazana fa toa Antananarivo foana, izay samy tian’ny an-daniny sy an-kilany raha ny fijery sy fahafantarana azy, no hipoiran’ny fanafintohinan’ny hafa ?

Asa moa fa dia tosa-kevitry ny antitra io. Raha ny demokrasia aloha dia ady isan’andro isan’andro ary tahaka izay koa ny fahalalahana. Ny marina dia tsy azo mora foana io ary tsy hisy fanjakana izany hanome an’io fotsiny amin’izao raha tsy mitaky ny olom-pirenena.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS