Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 18h29
 

Teny zato, kabary arivo

Vanja

mardi 30 décembre 2008 | Naivo kely

Hivalona afaka andro vitsy ny taona. Samy mifantoka any amin’ny taona ho avy ny mason’ny olona manana aina rehetra. Izay ahadinganana ity taona 2008 ity no tanjona, satria zava-dehibe amin’ny Malagasy izany nadingana taona iray izany.

Taona hitondra inona ho an’ny vahoaka malagasy io taona hitsidika io ? Izay no mby tonga ao an-tsain’ny maro. Ny akaiky indrindra, dia ilay fepetra takian’ny mpanohitra eto amintsika momba ny hamahana ireo olana takian’izy ireo hatramin’ny 13 janoary izao. Miankina amin’ny kabarin’ny filoha Ravalomanana rahampitso hariva amin’ny 7 ora anefa ny tsy hampipoaka ny vanja any amin’ireo mpanohitra. Mpanohitra, izay tsapa fa miantehitra betsaka any amin’i Andry TGV izany lehilahy afaka maka ny fon’Antananarivo ? Manana andraikitra lehibe amin’ny mety ho tranga hiseho eto isika rehetra. Midika io fa eo ampelantanan-tsika ny fampandrosoana ny firenena, na ihany koa ny famotehana ny toe-karena. Tsy hisy firenena afaka hiadana ao anatin’ny korontana. Tsy misy olona tsy mitaky fiovana eto, nefa tsy fiovana ho any amin’ny ratsy fa hanatsara ny fiainana isan-tokan-trano. Handamina ary sa handrangitra ny mpanohitra ny lahateny ho ataon’ny filoha rahampitso ? Tsy hisy ray aman-drenin’ny firenena haniry korontana eto, saingy ny ankilany toa efa tongotra mby an-dakana, ka miandry izay hanapoahana ny vanja sisa.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS