Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
vendredi 26 avril 2024
Antananarivo | 22h17
 

Teny zato, kabary arivo

Hanorana sa hanavandra ?

samedi 24 janvier 2009 |  1310 visites  | Naivo kely

Lasa lavitra ny hetsiky ny ben’ny tanàna eto an-dRenivohitra sy ireo mpiara-dia aminy. Tsy fitakiana fe fitakiana tsotra intsony fa efa miroso any amin’ny fandrodanana ny fanjakana foibe mihitsy.

Tsapa io amin’ireo fivoriana ataon’izy ireo etsy sy eroa. Tsy misy mihitsy finiavana hiroso amin’ny fiaraha-midinika, fa izao fitakiam-bahoaka izao no hany heno amin’ny resaka avoakan’ny vavany. Ankilan’izay, dia tsy mbola hay izay ho valin-kafatra ho asetrin’ny fanjakana izao. Na ho ela anefa na ho haingana, dia ho ratsy ny fiafaran’izao tantara izao. Maro amintsika no mahafantatra ny tohiny, saingy minia tsy miloaka ny vava izay tohiny izay, sao ahitan-doza. Io hiarahana mahita io ny fifandonana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny ben’ny tanàna. Tsy azo adino fa samy manana ny olona mpanara-dia azy avy ireo, ka ny ahiana, dia mety any amin’ireto vahoaka ireto no hifandramatra ny farany.

Heno mantsy fa misy fikambanana vonona hiaro ny safidiny tamin’ny fandaniana ny filoham-pirenena eto. “Nahazo ny isam-bato 53% ny filoha manerana an’i Madagasikara”, hoy izy ireo, ka tsy avela ho viravirain’ny olona te-handrombaka fahefana”. Hanorana sa hanavandra, hoy ny fomba fiteny ny tranga eto amin’ity tanàna ity ? Efa manomboka mifanondro molotra ihany koa ny eny anivon’ny fiaraha-monina. Ny ady an-trano no tena atahorana vokatry ny tsy fitoaviam-pijery politika eto amin’ny tanàna.

Hitarika vahoaka etsy amin’ny kianjan’Ambohijatovo indray ny ben’ny tanàna anio. Hisy ve ny sakana ataon’ny mpitandron’ny filaminana sa avelao ho eo fa rehefa reraka mangina eo ihany ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS