Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
samedi 27 avril 2024
Antananarivo | 21h51
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Vola maloto daholo

    lundi 21 juillet 2008 | Penjy R. |  855 visites
    Hifandroritana indray ity resaka vola maloto nambaran'ny filoha ny zoma teo. Inona no atao hoe vola maloto? Isika rehetra no andeha hiara-hamakafaka eto. Misy ny vola azo tamin'ny zava-mahadomelina, ka avadika hanaovana asa sosialy avy eo. Ny mpiara-belona no mahazo tombony amin'ireny, saingy be lavitra noho izany ny azon'ny tompon'ny ati-doha. Tafiditra antsokosoko eto ny vola entina hanakorontanana fanjakana. Vola maloto ihany koa izany. Ny famadihana ny vola maloto ho entina (...)
  • Vola maloto

    samedi 19 juillet 2008 | Penjy R. |  866 visites
    Banky Soisa. Bankin'ny mpanan-karena. Olom-panjakana maro no tompon'ny petra-bola maro ao, ary isan'io ny olo-maventy eto amin'ny firenena. Iza avy izy ireo ? Eo indrindra isika izao, satria dia nilaza ny filoha Ravalomanana fa tsy mahazo mametraka vola any amin'io firenena io intsony ny filoham-pirenena. Hatreto aloha, dia tsy voafaritra mazava, na ny eto Madagasikara irery na ny eran'izao tontolo izao. Midika io teny io, fa famotsiam-bola maloton'ny mpitondra fanjakana ny banky ao Soisa. (...)
  • Mitabe tsy lanin’ny mamba

    vendredi 18 juillet 2008 | Naivo kely |  628 visites
    Izay mangina volamena. Ny fahanginana tafahoatra ihany koa naman'ny manaiky. Mitsipaipaika ny fanehoan-kevitra politika eto Madagasikara. Maro amin'ny fianam-pirenena anefa no ilana hakana ny hevitry ny maro. Mandeha ila tanteraka ny raharaha. Mihevin-tena ho tompon'ny fahamarinana ny olona eo amin'ny fitondrana, ka izay mba manana ny hevitra kely tokony hivoaka, voatapina ny vavany. Ny ankilany ihany koa anefa, raha vao miteny, dia ny handrodana ny fitondrana no masaka ao antsainy. Tsy (...)
  • Tsy vitan’ny JIRAMA ny asany

    jeudi 17 juillet 2008 | Naivo kely |  679 visites
    Ela ny ela tonga ihany ny faktioran'ny JIRAMA. Arahaba hafa kely anefa no natolony ny mpanjifa raha nitety tokantrano ry zalahy. Hanapaka ny jiro sy rano izahay, satria tsy mbola nahaloa ny faktiora volana Mey ianareo. Ny faktiora volana jona anefa no zarainy isan-tokantrano amin'io. Gaga anefa ny maro nahitana izany, satria ny grevy nataon-dry zalahy sy zavavy ireo no antony tsy nahavitany ny asany antsakany sy andavany. Alaivo any amin'ny masoivohon'ny Jirama ny faktioranareo, dia aloavy (...)
  • Samy nahazo ny anjarany

    mercredi 16 juillet 2008 | Naivo kely |  758 visites
    Hitsiry indray ve ny disadisa eo amin'ny Frantsa sy i Madagasikara? Resabe nandeha omaly teto andrenivohitra io, indrindra teo anivon'ny mpanao politika. Hiteraka olana eo amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta io, ka hisy fiantraikany eo amin'ny lafiny toe-karena. Ity firenena ity mantsy no isan'ny mpiara-miasa voalohany amin'i Madagsikara. Rehefa manova dia hatramin'ny farany. Teny fandre amin'ny mpitondra Malagasy io. Matoa nipetraka izay tsy fifampitokisana izay, dia ao raha. Mety (...)
  • Lany andro miofana

    mardi 15 juillet 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Saika isan'andro no handrenesana ity resaka fiofana etsy sy eroa ity. Ny tena matetika ahitana azy io dia ny eny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Miditra amin'io sehatry ny fiofanana io mpadraharaha sy ny mpitantanana asam-panjakana maro eto amin'ny nosy. Tsy misy maha-ratsy izany, saingy maro no mametram-panontaniana hoe, sao lany andro amin'ity fiofanana ity isika ? Roa andro na telo andro ve ahavitana ny tena asa fampandrosoana eny anivon'ny fiaraha-monina ? Aleo aloha misy toy izay tsy (...)
  • Tsy re tsaika

    lundi 14 juillet 2008 | Naivo kely |  480 visites
    Ho hamafisana ny sehatry ny fandriam-pahalemana eto Madagasikara. Isan'ny nivoitra tao anatin'ilay atrik'asa teny Ivato ny herinandro teo izany, mba ho fiarovana ny vahoaka sy ny firenena manontolo. Tsy hidirana hatramin'ny antsipirihiny izay tetika ho ataon'ireo sehatra telo, dia ny polisy, tafika ary zandary ho atao, fa ny maika aloha izao, dia ny fomba tsy hiparitahan'ny fitaovam-piadiana mahery vaika intsony. Hiarahana mahalala, fa ny andian-jiolahy sy dahalo no tena mahazo vahana eto. (...)
  • Vita Gasy

    samedi 12 juillet 2008 | Naivo kely |  639 visites
    Teny mandreraka, toa mitory fanambiana ny asa ataontsika io. Heno matetika, ary mivoaka amban'ny maro rehefa injay mipoitra ny tsy fahombiazana. Nitodika tany amin'ny fomba fiasa namoizana ain'olona ny alakamisy teo teny Ivato io fomba fiteny iray. Asa goavana lehibe tahaka ireny ve no atao, dia fitaovana kely sy olona vitsy toy ireny no ampiasaina. Tsy fanatra intsony, na ilay orinasa nahazo ny tsena no te-hanambe, na ny vola natokana ho azy ireo mihisty no tsy afaka hanofana fitaovana (...)
  • Ratsy angaha ny teny Gasy ?

    vendredi 11 juillet 2008 | Naivo kely |  851 visites
    Toa mampandoa ny sasany ny fandrenesana fa averina ho teny enti-mampianatra ny teny Malagasy. Fanambaniana ankitsirano ny tenin-dreny ny toy izany. Tsy vitsy no nilaza fa fanapotehana ny zaza Malagasy ny fidirana indray amin'ity teny ity. Mahamenatra ny mandre fa tsy ho tafarina isika amin'ity fiovan'ny rafim-pampianarana vaovao ity, satria fony faha-repoblika faha-roa dia niaina tamin'io ny fanabeazana rehetra teto Madagasikara. Novaina izany tato afara, ary nahazo laka teo amin'ny sehatra (...)
  • Marary...

    jeudi 10 juillet 2008 | Naivo kely |  467 visites
    Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra ve ny fanatanjahan-tena eto ? Io no mby tonga ao an-tsain'ny maro, raha mahita fa ity taranja iray ity no hifantohan'ny fanjakana mafy ny fampiakarana avo azy. Nosoloina mihitsy ny minisitry ny Fanatanjahan-tena teo aloha, satria angaha tsy nifanaraka tamin'ny tanjona nokasaina ny asa nataony ? Tsy misy afa-tsy ny baolina kitra aloha hatreto ny resaka, ary dia nanafarana mpanazatra vahiny mihitsy hijery ifotony raharaha. Tsy olana izany, satria (...)
  • Serasera matanjaka

    mercredi 9 juillet 2008 | Naivo kely |  668 visites
    Efa-bolana no hametraha ny satelita hiparitaka manerana ny tontolo ambanivohitra rehetra. Ahazo ny anjaara-masoandrony amin'ny fahafantarana ny vaovao rehetra ny vahoaka malagasy rehefa vita io. "Tsy ho tafapaka any amin'ireo faritra lavitra ny hafatra tiana ampitaina amin'izy ireo, hoy ny filoha Ravalomnana, ka izay no ilana ny fandraisana andraikitra haingana". Marina io. Satria na hatramin'izao aza dia mbola vitsy no mahalala, fa hanjaka amin'ny firenena maro eran-tany izany tsy (...)
  • Ampy izay

    mardi 8 juillet 2008 | Naivo kely |  730 visites
    Mihazakazaka ny asa atao eto amin'ny tanàna. Maika io, ka tsy ilana mitamatama. Miova matetika ihany koa ireo mpiara-miasa apetraky ny Filoham-pirenena ao amin'ny amabaratongam-pahefana isan-karazany. Tsy dia gaga amin'izany intsony ny maro, satria nandritra ny enin-taona, dia maro ireo olona noheverina ho nahavita azy no efa tsy hita tabilao intsony ankehitriny. Nankaiza ry ingahy Zazah Ramandimbiarison, izay nahavita làlana maro fony izy mbola Praiministra lefitra ? Ny PDS Hery Rafalimanana (...)
  • Zanak’Ikala hafa

    lundi 7 juillet 2008 | Naivo kely |  655 visites
    Nisento tokana ireo depiote tsy miankina, raha nandre fa omena ny anjara fiara 4x4 izy ireo. Ny filoha Ravalomanana mihitsy raha nihaona tamin'izy ireo no nanambara izany ny faran'ny herinandro teo. Efa ela ihany no nahazo ny fitaovana ho enti-miasa ireo depiote TIM. Efa maro ny faritra notsidihan-dry zalahy sy zavavy tamin'itony fiara itony. Midika io fa iretsy tsy miankina kosa dia nandeha tongotra na bisikileta angamba satria tsy mba zanak' i Dada angaha ka tsy nahazo ny anjara mofo (...)
  • Poizina hita maso

    samedi 5 juillet 2008 | Naivo kely |  1033 visites
    Lasa resaka any ivelany ny sakafo eto amintsika. Isan'ny nambaran'ny filoha Ravalomanana io raha vao tonga avy tany ivelany izy ny alakamisy alina teo. Isan'io ny trondro sy ny anandrano eto an-drenivohitra. Ny fanenjehana ny mpanjono etsy amin'ny ranon'i Masay sy Anosy ary ny lakandranon'Andriantany no tena nalaza, saingy mbola misy hafa ihany koa. Isan'izany ny anandrano etsy Ambodivona sy Andravohangy. Hita ho tena rano maloto avy any amin'ny lavam-piringin'olona isa-tokantrano no (...)
  • Mahazo aina ny sekta

    vendredi 4 juillet 2008 | Penjy R. |  1054 visites
    Vola no hozatry ny aina, raha tsy misy io, dia aza manantena ny hiaina intsony. Eo amin'ny sehatry ny fahasalamana no tiana asian-teny eto. Tsy takatry ny kely vola izao ny mitsabo tena. Raha nahita ny fitsaboana naseho ho fantatry ny mpanao gazety ny alarobia teo, izay voalaza fa mahatratra Ar 30tap ny mandidy fo ho an'olona iray ao aminy. Mora io raha mitaha amin'ny fandefasana olona ho didiana any ivelany. Faly ny rehetra nandre, fa hay mahavita sy manana fitaovana arifomba isika eto, (...)
  • Henoy izay ry hazon-damosina

    jeudi 3 juillet 2008 | Naivo kely |  669 visites
    Tsy mety leo, fa mbola manantena. Hotohizanay hatramin'ny farany ny fangatahanay ny hanaovana ny fikaonandoham-pirenena eto Madagasikara. Na ho inona hevitra handraisan'ny mpitondra izany, dia làlana iray ahafahana mibanjina ny ho avin'ny firenena rahampitso io. Tsy voatery ho ratsy avokoa ny hevitry ny hery avy aty amin'ny fanoherana hoy ny minisitra teo aloha tao amin'ny antoko AVI. Tsy hitady toerana ihany koa fa ny tombontsoam-pirenena no ilaina banjinina. Ny antoko AKFM dia mbola (...)
  • Sasanangy roa samy hafa

    mercredi 2 juillet 2008 | Naivo kely |  557 visites
    Hifantohan'ny mpanara-baovao indray ny atsy Ejipta. Fihaonan'ireo filoham-pirenena sy manam-pahefana maro aty Afrika, ka isan'ny mandray anjara amin'izany ny filoha Ravalomanana. Ny tena hifantohan'ny fivoriana, dia ny momba ny raharaha atsy Zimbabwe, momba ny olan'ny mpitondra sy ny mpanohitra ao antoerana. Tsy vitsy no nanambara fa mba hisoroana ny ady antrano, dia tokony hisy ny fizarana fahefana toy ny natao tamin'ireo firenena vitsy aty Afrika volana vitsy lasa izay. Firenena nahitana (...)
  • Inona no tena marina ?

    mardi 1er juillet 2008 | Naivo kely |  912 visites
    Hiverenana kely ny momba ireo asa goavana ataontsika eto Madagasikara, indrindra fa ny eny Ivato. Tetik'asa goavana handaniana vola be, ary tsy vita ao anatin'ny fotoana fohy, ny fanitarana ny seranam-piaramanidina etsy Ivato. Roboka ny mpiara-miombona antoka namatsy vola, izay voalaza fa nandritra ny fivoahan'ny filoha Ravalomanana tany Japon no nitsiry tao an-tsainy ity asa goavana ity ? Inona no tena marina amin'ity asa ity ? Efa ela ve no nisy fikasana hanao io sa tena vao iny (...)
  • Sady kabary no asa

    lundi 30 juin 2008 | Penjy R. |  443 visites
    Ho taonan'ny asa ity taona ity. Fanamby napetraky ny filoha Ravalomanana io, isaky ny mikabary izy. Saika ahitana azy avokoa ny faritra sy ny kaominina rehetra. Ny mpanara-diha azy indray no toa tsy maharaka. Hijoro tsy ho ela ireo fotodrafitr'asa maro isan-karazany, izay heverina fa hitondra fiovana betsaka ho an'ireo kaominina mahazo izany. Mitobaka ny vola etsy sy eroa, izay fanamby ho fanatanerahina ny MAP. Io taona ho avy io, maro ny asa hivaingana, raha tsy misy ny sampona. Isan'io (...)
  • Antso an’efitra

    vendredi 27 juin 2008 | Naivo kely |  657 visites
    Miasa izahay, hoy ny filoha Ravalomanana. Naderaderany ireo asa efa vita izay niainga tany amin'ny faritany, ary niampita teny amin'ny trano fandraisana fivoriana goavana teny Ivato. Ny alarobia teo indray, dia niazo ny tsena tetsy Ambohimanarina ny lehilahy, ary nitokana ilay tsena misy rihana eny an-toerana. Noporofoina fa tsy misy ny kobaka am-bava, fa miasa ho an'ny vahoaka izy sy ny fitondrana tarihany. Ankilany, dia mbola mitohy ny antso an'efitra ataon'ny mpanohitra. Antso izay (...)

0 | ... | 60 | 80 | 100 | 120 | 140 | 160 | 180 | 200 | 220 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS