Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 28 mars 2024
Antananarivo | 19h02
 

Teny zato, kabary arivo

Volana ratsy

jeudi 8 janvier 2009 | Naivo kely

Vao manomboka ny taona, dia vaky ny fonja. Raikitra ny fifanenjehana, ary nisy ny voatifitra ka maty. Mbola nitohy ny ampitson’io ihany ny vaky fonja tany Betroka sy Ambalatavoahangy. Nipoaka ny Gaz tetsy Ambohimanarina, ary olona roa maratra mafy miady amin’ny fahafatesana, ary roa namoy ny ainy. Nisy ihany koa ny fifampitifirana tamin’ny jiolahy teny Anosizato, ary nandriaka ny ra, ary lavo ny jiolahy iray izay voalaza fa nahitana fitaovam-piadiana vita gasy teny aminy.

Andro vitsy monja taorian’ny nandraisan-tsika ny taona vaovao no niseho izao tarehin-javatra mampihoron-koditra rehetra ireo. Toa fanomezana taom-baovao ho an’ny Malagasy izy ity, hoy ilay raiben-jaza izay.

Ankoatra io, dia tsy hay ny avoakan’ny ampitso. Resaka politika indray ity, satria iza no tsy mahafantatra ilay daty napetraky ny aty anivon’ny fanoherana. Miditra an-tsehatra ny fanjakana, ary nanome baiko hentitra ho an’ireo minia hanakorontana eto. Tsy mihemotra ny mpanohitra, ary vonona hatramin’ny farany. Manomboka hiakatra sehatra ny mpitondra fivavahana, na dia mbola tsy miseho mivantana aza. Inona daholo izany rehetra izany ? Ny fiainam-bahoaka etsy ankilany, mandry tsy lavoloha. Manampy trotraka io ny fidangan’ny vidim-piainana, ka na dia samy manao izay ho afany aza ny rehatra, dia mbola ny fahantrana no sakaiza tsy mahafoy. Ratsy fiatomboka ny taona, hoy ny be heritreritra, sa ity volana ity no ratsy ? Tsy takona afenina fa misavorovoro ny sain’ny mpanara-baovao, ary matahotra amin’ny fihariana izay ataony ny isan-tokantrano. Iza no hamonjy an’iza ? Aoka anefa tsy ho kely finoana, fa ny ratsy tsy maintsy misy, ary ny tsara mbola ho avy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS