Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
jeudi 9 mai 2024
Antananarivo | 21h51
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Tsy milamina

    mercredi 14 novembre 2007 | Naivo kely |  749 visites
    Mitohy ny loabary andasy atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izay tarihan’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka niompana tamin’ny fanjakana tsara tantana sy ny sehatry ny fitsarana ny raharaha ary ny serasera ny ady hevitra. Nomeny lanja manokana ny fanjakana tan-dalàna, ary toy izany koa ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ka miraviravy tànana ny ankamaroan’ny vahoaka satria tsy misy rindran-damina ny fiarovana ny firenena. Hentitra ny (...)
  • Hiverina ny teo aloha

    mardi 13 novembre 2007 | Penjy R. |  840 visites
    Tsy ny mpitondra izay nesorina tamin’ny toerany akory no hiverina fa ilay tombontsoa nambara fa tsy ho azon’ny depiote intsony no indro manangasanga ny fiverenany. Ny fitakiana ny karama hiakatra dia tsy re eny Tsimbazaza, fa ny fitaovana ho entina miasa eny anivon’ny faritra naha-voafidy ny tsirairay no ilaina. Saika handrenesana izany avokoa ireo depiote maro eny Tsimbazaza, ka isan’io ny fanomezana 4X4 toy ny teo aloha ho azy ireo. Na ho vidiana aza, hoy ny hafa, tsy maninona fa kosa alaina (...)
  • Fiakatry ny karama 12%, ny hetra alaina 25%

    lundi 12 novembre 2007 | Naivo kely |  934 visites
    Dia tapaka indray izany fa hakan’ny fanjakana 25% ny karaman’izay mandray sahala na mihoatra ny 180.000 Ar isam-bolana manomboka io taona hitsidika io, mba hamenoana ny kitapom-bolam-panjakana mba ahafahana mampandroso haingana ny firenena. Ny hetra no voalohany amin’ny fampandrosoana ny faritra sy ny firenena iray manontolo, ka raha manify io, dia ho zava-poana ny fandrosoana eto. Kivy indray ny isan-tokano nandre io filazan’ny fanjakana io, satria vao tsy ela no hialana 15% ny isan-tokantrano (...)
  • Atao kankana ny MAP

    samedi 10 novembre 2007 | Naivo kely |  784 visites
    Tonga dia vavany fa tsy asiana sasiny ny lahatsoratra anio, izay hiainga any amin’ny Madagasikara Amperin’Asa, izay samy manana ny handikany azy ny tsirairay. Eto anefa dia toa zary hanjakan’antoko tokana ny fampiasana ny MAP na dia voalaza aza fa ny vahoaka malagasy no nandany azy, saingy niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana ny ati-doha nikotrika ny raharaha. Atao litania ho an’ny kandida izy io isaky ny fifidianana tahaka izao, ary ireny niarahana nahita ireny ny fampiasan’i TIM azy, izay (...)
  • Maty vao ramalala

    vendredi 9 novembre 2007 | Naivo kely |  1134 visites
    Niravaka mari-boninahitra ireo mpanakanto nalaza nodimandry tao ho ao, ka isan’ny nahazo izany farany i Zafihita sy i Toty, ary nomena sehatra manokana tetsy amin’ny tranom-pokonolona Analakely mba hiandrasana ny nofo mangatsiaka. Fihetsika mampihetsim-po ny toy izao, saingy voninahitra tsy noravahan’ny velona fa anara-tsy very ho an’ny maty. Firy ireo zoky olona tsy hanavahana asa atao sy sehatra politika nampiakatra avo ny voninahitry ny firenena, saingy mazana olatra na kilaoty rovitra no (...)
  • Potika i Zakahely

    jeudi 8 novembre 2007 | Naivo kely |  1081 visites
    Tsy hisy mpanohitra afaka haneho hevitra intsony eto, satria izay mba kely nananana nantenaina hitondra ny feon’ny ankilany ho eny amin’ny Antenimieram-pirenena, dia niharan’ny sazy mihatra navoakan’ny fitsarana 30 volana an-tranomaizina. Taorian’ny namerenana ny fifidianana tany Mananara-Avaratra izay hita fa nitarika tamin’ny isam-bato lavitra i Zakahely ka novereziny lavitra be ny kandida natolotry ny TIM dia efa tsinjo ny mety mangidy ho zakain’ity depiote avo vava teo aloha ity. Potika i (...)
  • Hioso-potaka

    mercredi 7 novembre 2007 | Penjy R. |  646 visites
    Mby tonga ao an-tsain'ny betsaka ny mety ho endriky ny fampielezan-kevitra rehefa vanim-potoanan'ny fahavaratra tahaka izao ny eto amintsika. Fampielezan-kevitra izay ahitana ny ory sy ny manana amin'ny lafiny maro. Eo ny fampiderana fitaovana sy ny vola, ka na dia ben'ny tanàna aza no hofidiana dia tsy hilaozan'ny kandida na ny mpanohana azy tsy hampiasa Helikoptera sy ny 4x4 izany, mba handresena lahatra ny vahoaka hifidy ny kandida izay tohanany. Izao filatsahan'ny orana izao no tena (...)
  • WC lafo vidy

    mardi 6 novembre 2007 | Naivo kely |  946 visites
    Raha nitokana ny trano fivoahana sy fidiovana eto an-drenivohitra ireo tompon'andraikitra ao amin'ny kaominina eto an-tanàna, dia mananika ny 20 tapitrisa Ariary no nenti-manana tamin'izany. Maromaro anefa ny trano fivoahana hita eto, ka samia manao kajy an-kandrina ny vola mivoaka hanaovana io fotsiny. WC tsy ngeza na manao ahoana loatra anefa no vita kanefa dia io ny tarehi-marika nivoaka. Eo no hisintonana ny sain'ny rehetra, trano fanariana maloto sy fidiovana aza izany no vola lany, (...)
  • Toko telo

    lundi 5 novembre 2007 | Naivo kely |  538 visites
    anana izay ho ataontsika amin’ny 12 desambra izay hanjakan’ny tanora sy olom-baovao ny sehatra raha ny andrenivohitr’i Madagasikara no asian-dresaka. Andry TGV, Hery Rafalimanana, Marc Ramiaranjatovo ben’ny tananan’Alasora izay hirotsaka eto andrenivohitra. Ireo no nanao fanambara tao anatin’ny faran’ny herinandro teo hiady ny amboara eto Iarivo. Toko telo tsy mifameno ireo fa mifanipaka, satria tsy hisy hifampitsitsy na eo amin’ny vava avoaka na ihany koa eo amin’ny resaka ara-bola sy fitaovana. (...)
  • Vola baoritra

    samedi 3 novembre 2007 | Naivo kely |  681 visites
    Dify ilay fotoana nampiheritreretan'ny fiombanan'ny mpanohitra mba hamalian'ny fitondrana ilay heveriny fa marimaritra iraisana izay be mpitaky ny hanovana ny lalam-pifidianana sy ny hanaovana bileta tokana ary ny sehaytra hafa ivelan'ny fanjakana no hamaritra sy hitantanana ny fifidianana. Rano araraka andamosin-gana hatrany no setrin'ny fangataham-pihaonana sy izay mba soson-kevitra naron'ny mpanohitra. Tsy handray anjara amin'ny fifidianana ry zalahy sy zavavy rehefa manao be marenina ny (...)
  • Tandrimo

    vendredi 2 novembre 2007 | Naivo kely |  581 visites
    Fanina ny mpifidy ary milofika ao anatin’ny hafanam-pony manoloana, savorovoro mitranga ataona antoko politika isaky ny fifidianana izao. Apetraky ny antoko ny kandida arotsany, saingy tsy mahafa-po ny eny ifotony, ka io miteraka gidragidra lava izao isaky ny fifidinanana. Anaran’olon-kafa tsy faheno ary tsy hita teny anivon’ny fiaraha-monina hatramin’izay no indro fa mirehoka ho nahazo ny fon’ny birao foibe ka tsy maintsy ho enken-teny ho an’ny vahoaka izay mihevitra ho mpikambana sy mpanohana. (...)
  • Fanabeazana sy toe-tsaina

    mercredi 31 octobre 2007 | Penjy R. |  1017 visites
    Miharendrika ny soatoavina Malagasy noho ny fibosesehan’ny kolon-tsaina vahiny eto Madagasikara, ka sarotra harenina ny toe-tsain’ny tanora Malagasy manoloana izany. Tsy mahasehaka firy ny raiaman-dreny amin’ny filàn’ny tanora fa izay ilainy dia tsy maintsy hefaina, satria ny revy tsy maintsy mandeha. Miezaka ny mpanabe isan’ambaratonga manitsy làlana ny tanora, saingy vitsy izy ireo no resy lahatra. Manova ny fomba famindra ny fanjakana hanabeazana ny Malagasy kanefa firy ny Gasy taitra amin’ny (...)
  • Fanovana hafahafa

    mardi 30 octobre 2007 | Naivo kely |  707 visites
    Ny fanovana ny Governemanta no vita fa ny resaky ny mpitazana tsy azo ahilika. Fanantenana goavana no handrandraina amin’ity indray mitoraka ity, izay noventesin’ny filoham-pirenena tompon’ny teny farany fa iraka manokana no handrasana amin’ity andrim-panjakana vaovao ity. Raha ny firafitra aloha dia olona mahatoky ny filoha avokoa ireo nomena toerana ireo, ary tsy ilaina intsony ny marimaritra iraisana tsy nahitana vokatsoa toy ny fahita hatramin’izay fa ny baolina maty no hifampitsarana. Tsy (...)
  • Finoana diso toerana

    lundi 29 octobre 2007 | Penjy R. |  1388 visites
    Tsy mbola nalevina hatramin’izao ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, ilay teratany Afrikanina tatsimo nametraka ny hira reggae. Vono olona feno herisetra no azo anambarana ny nahafatesany, koa noho io dia tsy manaiky lembenana amin’ny fahotan’ny sasany ny fianakaviany sy ireo mpomba ity mpanan-kanto maneran-tany ity. Dimy andro taorian’ny nahafatesany, dia mbola tsy nalevina ny nofo mangatsiakan’i Lucky Dube, satria toa tsy maty amin’ireo mpankafy ny hira novoiziny ny maro eran-tany hoe maty (...)
  • May volo tratra

    samedi 27 octobre 2007 | Naivo kely |  672 visites
    Hiseho avokoa ny ratsy rehetra eny ambany tanàna amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao, izay faritra heverina fa mitondra ny mangidy indrindra na io fahavaratra na ihany koa lohataona noho ny fahantrana mianjady amin’ny mponina eny. Trano tsizarizary, ny rano maloto miakatra hatrany an-trano rehefa milatsaka ny orana, ny lava-piringazara raha misy hanaovana maloto, ary mbola faritra ahitana ny totankely maro samy hafa ihany koa. Hiroso tsy ho ela amin’ny fampielezan-kevitra isika eto (...)
  • Tafakatra ny avo

    vendredi 26 octobre 2007 | Naivo kely |  647 visites
    Raha mbola variana amin’ny zava-misy politika toy ny eny Tsimbazaza sy ny mety ho fiovan’ny Governemanta ny sain’ny mpanara-baovao rehetra, dia misoko mangina kosa ny vidin’ny vary eny an-tsena rehetra eny. Tafakatra hatrany amin’ny 20% izy io, ary tsy takona afenina koa ny zavatra ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan’andro(PPN). Ny vidin-jiro dia hiakatra hatrany amin’ny 15% amin’ny faktioran’ny Jirama, izay mihatra avy hatrany amin’ity volana ity, izay hisy fiantraikany amin’ny ati-paosin’ny (...)
  • Misy tokin’aina ny 4X4

    jeudi 25 octobre 2007 | Naivo kely |  771 visites
    Velom-bolo ny ankamaroan’ny depiote maro teny Tsimbazaza raha nandre ilay tenin’ny filoha Ravalomanana tany Mandoto omaly izay nilaza fa hanome fiara 4X4 ny depiote voafidy tao amin’io faritra io ny tenany mba ahafahan’io olom-boafidy miasa tsara. Tsy mitsipaka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta ho nandrara ny fanomezana 4X4 aho, hoy ny filoha fa azo atao tsara ny mijery fitaovana ho an’ny hafa. Hatreto dia maro ny ao Tsimbazaza no velom-bola ny ahazoana fiara sy tombotsoa (...)
  • Nankaiza ny manam-panahy ?

    mercredi 24 octobre 2007 | Naivo kely |  800 visites
    Gina tsy nahaloam-peo ny maro raha nandre omaly fa depiote 123 amin’ny 124 no nanome ny fitokisany ho an’ny Praiministra teo aloha hitondra mandritra ny 4 taona ny Antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza. Ny nanesorana azy tsy ho Praiministra intsony ve efa nomanina ny tetika fa hafindra ho filohan’ny Antenimiera sa tsy misy olo-manga afaka hitondra io sehatra io tao amin’i TIM ? Fa nankaiza ny manam-panahy rehetra no tsy sahy mitana andraikitra goavana eo amin’ny fiainam-pirenena ? Vita iny ny (...)
  • Ho lasan’i Yvan ny filoha ?

    mardi 23 octobre 2007 | Naivo kely |  946 visites
    Anarana roa no be mpiresaka ho filohan’ny Antenimieram-pirenena atsy ho atsy, izay heverina fa olona mendrika hitondra ity andrim-panjakana iray, dia eo ny filohan’io teo aloha Mahafaritsy Samüel, izay nahafehy tsara ireo depiote teo ambany fitantanany, ka nahafahan’ny rehetra naneho ny heviny tao amin’io lapa io. Ny faharoa dia ny filohan’i TIM, Yvan Randriasandratriniony izay heverin’ny rehetra fa amin’ny maha-filohan’i TIM azy, izay maro an’isa eny Tsimbazaza, dia rariny raha apetraka aminy io (...)
  • Tsy manaiky resy

    lundi 22 octobre 2007 | Naivo kely |  656 visites
    Hentitra ny fiombonamben’ny mpanohitra omaly nanamafy ireo fitakiany hatramin’izay, dia ny fanovana ny lalàm-pifidianana, sy ny fanaovana ny bileta tokana ary ny fametrahana ny fifidianana ho tantanin’ny tsy miankina. Raha mbola mizirizy amin’ny heviny anefa ny mpitondra eto amintsika dia tsy handray anjara amin’ny fifidianana izay hatao amin’ny 12 desambra izao ity fiombonamben’ny mpanohitra ity. Misy arak’io ny fe-potoana omeny ny fitondrana ankehitriny hamaliany izao fitakiana izao hatramin’ny (...)

0 | ... | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | 380 | 400 | 420 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS