Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h27
 

Teny zato, kabary arivo

Atao kankana ny MAP

samedi 10 novembre 2007 |  784 visites  | Naivo kely

Tonga dia vavany fa tsy asiana sasiny ny lahatsoratra anio, izay hiainga any amin’ny Madagasikara Amperin’Asa, izay samy manana ny handikany azy ny tsirairay. Eto anefa dia toa zary hanjakan’antoko tokana ny fampiasana ny MAP na dia voalaza aza fa ny vahoaka malagasy no nandany azy, saingy niainga tany amin’ny filoha Ravalomanana ny ati-doha nikotrika ny raharaha.

Atao litania ho an’ny kandida izy io isaky ny fifidianana tahaka izao, ary ireny niarahana nahita ireny ny fampiasan’i TIM azy, izay toa midika fa tetikasan’antoko iray izy io fa tsy an’ny Gasy rehetra. Firy amin’ireo olona miebo ho mahafantatra ny MAP moa no tena mahatsapa ny votoatin’io tetim-panorin’ny fampandrosoana ny tanindrazana io ? Ny sasany aza tsy manana ilay boky tsara tarehy, fa dia malaza fotsiny ny MAP dia mba lazaina. Misalotra ny MAP ny antoko TIM izay hita fa maro an’isa amin’ny sehatra rehetra, ary manao afisy manokana mihitsy mba hilazana fa hanao io asa io izy ireo. Hatreto dia zary lasa atao kankanana ny MAP mba hanjonoana ny vaton’ny mpifidy. Raha tsy miray hina hono ny rehetra dia ho zava-poana ny tetika atao, koa aoka mba hanome modely izay manao ampinga io tetik’asa niainga tany amin’ny filohan’ny repoblika io, mba tsy ianareo mianakavy indray no hanome ohatra ratsy ilay ireo nifanomezana valo hananganana ny rindrina ao anatin’ny dimy taona.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS