Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h50
 

Articles dans la rubrique « Teny zato, kabary arivo »

  • Tsy mahagaga raha potika

    jeudi 31 janvier 2008 | Naivo kely |  637 visites
    Nandalo ny indray ny rivo-doza ka lasibatra tamin’io ny tranom-panjakana maro isan-karazany, indrindra fa ny any amin’ny faritany. Potika satria toa tsy misy fikarakarana izy ireny, izay hita ny ankamaroany fa asa vita fony andron’l Dadabe Tsiranana, ary izay mpitondra rehetra nandalo amin’izy ireny, dia mipetraka avy hatrany fa tsy mba nisy ny fandraisana anjara amin’ny fanatsarana izany satria tranom-panjakana tokoa fa tsy an’ny tena. Tsy ny tranon’olona ambony misaha asam-panjakana ihany no (...)
  • Nankaiza i Hery Rafalimanana ?

    mercredi 30 janvier 2008 | Naivo kely |  1614 visites
    Iray volana mahery izay no tsy nahitana intsony an’i Hery Rafalimanana izay PDS teto amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra. Ninia nangina sa nampanginina ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra, taorian’ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny, izay heverina fa tsy tokony ahamenatra raha ny asa vita napetrany tao anatin’ny valo volana nitondrana ity renivohitra ireny. Tsy re firy intsony ity PDS izay nanana ny fomba fiasany nampiavaka ny renivohitra, satria iza no tsy niaky fa (...)
  • Tsipaky ny miala aina

    mardi 29 janvier 2008 | Naivo kely |  1091 visites
    Manongo tena ny ankamaroan’ny maro raha mahita ny fihetsiky ny loholona sasany amin’izao ankatoky ny fidiran’ny loholona vaovao handimby azy ireo izao. Mahamenatra satria izao ry zareo vao mba mitaky ny handravana ity andrim-panjakana iray ity, satria toa zary ankila-bao hono ny hevitra rehetra izay avoakan’izy ireo, ary isan’ny hitakian-dry zalahy ny handravana azy io ny fanemorana ny laharan’ity andrim-panjakana ity eo amin’ny laharan’ny aro-fenitra. Tsy takona afenina amin’ny rehetra fa ny (...)
  • Hanao ahoana ny Air Madagascar ?

    lundi 28 janvier 2008 | Naivo kely |  2193 visites
    Orinasa Malagasy heverina fa hiarin-doha rehefa nomena notantanin’ny vahiny ny Air Madagascar, kanefa anjaran’ny maro no mitsara na misy tombony io ankehitriny na maty antoka. Miahiahy amin’ny mety ho avin’ity orinasa ity avokoa ny ankamaroan’ny rehetra, satria ho tapitra ny volana aprily ho avy izao ny fanofana ny boeing 767, ary mazava ho azy fa hiroso amin’ny fifanarahana vaovao indray izany isika. Raha ny fantatra anefa dia mety ho avo roa heny amin’ny fanofana azy ankehitriny ny hofany ka (...)
  • Ny marina tsy azo afenina

    samedi 26 janvier 2008 | Penjy R. |  1297 visites
    Omaly no nalefa any an-tanindrazany any amin’ny tapany avaratry ny nosy ny nofo mangatsiakan’ny talen’ny fisafoana ny lafintany teo anivon’ny ministeran’ny ati-tany Jules Antoine Cecilien Aurélien rehefa natao veloma farany tetsy amin’ny chapelle militaire Betongolo. Telo vola ngarangidina no tsy nahitana azy intsony, ary io hita teny Tsaramandroso Ambohimahitsy io ny fatiny ny alakamisy teo. Efa mandeha ny famotorana rehetra izay ataon’ny mpitandro ny filaminana, izay heverina fa tsy ho very maina (...)
  • Vao manomboka dia loza

    vendredi 25 janvier 2008 | Naivo kely |  713 visites
    Hamarana ny volana Janoary tsy ho ela isika izay volana azo hitarafana fahavononana ho an’ny firenena eo amin’ny lafiny fahasalamana, na biby fiompy izany indrindra moa fa ny olona. Vao manomboka dia loza no hita raha raisina teo amin’ny fahavoazana nanjo ny mponina mpiompy omby ka nahafatesana ity maro vokatry ny dinta sy ny kongona. Maro ny fatiantoka ho an’ny tantsaha mpiompy manoloana izany, satria tsy maintsy alevina avy hatrany ireto biby ireto. Toy izany koa ireo osy nafaran’ny (...)
  • Tsy hita ny tena marina

    jeudi 24 janvier 2008 | Naivo kely |  414 visites
    Sahiran-tsaina ny mpanao gazety Malagasy raha mandinika ny mety ho endriky ny fifidianana izay ho biraon’ny-holafitra vaovao eto Madagasikara amin’izao . Tsy hita ny tena marina satria tsy mbola voafaritra mazava ireo hikarakara sy ny tena daty marina hanaovana izany, ka mampiroroha saina ny rehetra. Voalaza fa ny datin’ny 2 febroary izao no hanaovana ity hetsika ity, saingy ny fotoana mandeha, ary efa andro vitsy sisa dia higadona io daty dia mbola tsy hita veroka ny mety ho endriky ny (...)
  • Miandry ny masinina ny vahoaka

    mercredi 23 janvier 2008 | Naivo kely |  1337 visites
    Iray volana teo ho eo izao no nandraisan’ny ben’ny tanana Andry Rajoelina ny fitantanana ny tanàna teto Iarivo, ary mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka ny olona afaka hiara-miasa aminy ity ben’ny tanàna ity hatramin’izao. Mbola fitarainana ihany koa aloha hatramin’izao no heno amin’ny tsy fisian’ny vola afahana miasa, sy ny hambara ho sakatsakana eo amin’ny lafiny maro samy hafa, ka mbola manarina ireny lesoka ireny no atao. Ny vahoaka anefa tsy mijery izany, fa matoa nampiakariny teo dia ny (...)
  • Miposaka any antsinanana

    mardi 22 janvier 2008 | Naivo kely |  836 visites
    Rehefa tratrin’ny ankivy ara-politika nandritra ny taona maro ny tao Toamasina, dia mihazakazaka kosa ny fampandrosoana atao any amin’io faritra io ankehitriny. Ho vitaina ny làlana ao an-tampon-tanana, ho esorina ny fako, ary hamboarina ny lapan’ny tanàna. Toy izany ny seranan-tsambo izay heverina fa ho isan’ny lehibe indrindra aty amin’ny ranomasim-be Indiana. « Ho renivohitry ny ara-toekarena i Toamasina », hoy ny filoha Ravalomanana, ary nihazakazahan’ny mpitondra fanjakana tao anatin’ny andro (...)
  • Raiso ny lesona

    lundi 21 janvier 2008 | Penjy R. |  814 visites
    Nanomboka omaly ny CAN 2008 izay atao any Ghana ka handraisan’ny firenena maro aty Afrika anjara. Mivantana eto Madagasikara io, izay hisaorana ny fanjakana Malagasy tsy nanao ambanin-javatra io lalao io ho an’ny mponina rehetra eto amin’ity nosy ity. Ekipa heverina fa manana ny maha izy azy avokoa ireo, ka rariny raha mba hahay haka lesona amin’ny fomba filalaony isika eto antoerana. Eo ny teknika, eo ihany koa ny fomba fanomanana ny lalao goavana toy izao. Firy volana, firy taona no (...)
  • Raiso ny fepetra

    samedi 19 janvier 2008 | Penjy R. |  573 visites
    Tora-kovitra tanteraka ny mpiompy omby any Moramanga mahita ny aretina izay mihanaka mandripaka ity biby sarobidy amin’ny Malagasy ity. Amampolony maro no efa maty, ary nalevina avy hatrany izay maty, na dia maro aza ireo mpiompy no mitady hivarotra ny omby matin’aretina. Efa nisy ny fitiliana ity aretina mandripaka any Moramanga ity izay atao eto Antananarivo, saingy mandra-piandry izany dia tokony hisy fepetra haingana raisin’ny fanjakana mba tsy hiparitahan’io any amin’ny faritra hafa. (...)
  • Totozy an-davenona

    vendredi 18 janvier 2008 | Naivo kely |  720 visites
    Sempotra tanteraka ny ankamaroan’ny tokatrano Malagasy amin’izao, mahita ny fihazakazaky ny sondrom-bidim-piainana, indrindra taorian’ireny fiakaran’ny vidin’ny solika teto amintsika ireny. Tsy nahita fahasarotana tahaka izao hoy ny mpitazana, eny fa na dia tamin’ny taona 2002 izay nahatratra hatrany amin’ny 6000 ariary ny vidin’ny solika tamin’izany, kanefa tsy tafakatra toy izao ny kilaom-bary sy ny hena. Ny saran-dàlana anefa dia niakatra raha ny ivelan’Antanananarivo no asian-teny. Mazava ho azy (...)
  • Tsy mahay maka tahaka

    mercredi 16 janvier 2008 | Naivo kely |  699 visites
    Filamatry ny firenena Malagasy ny hitovy amin’ireo tany mandroso any ivelany, ary rah a ny tsapa dia na ny fomba firesaka amin’ny raharaham-panjakana aza, dia moa va tsy ireny firenena matanjaka ireny no ambetin-dresaka. Ny soa fianatra, ary firenena izy no tsy haniry ny hilahatra amin’ny ngeza. Ny mampalahelo anefa dia misy azo hampiharina eto, ary misy tsy azo atao. Raha mahita ireny fifidianana any ivelany ireny ny maro dia manjaka tokoa ny ady hevitra politika volana maro mialohan’ny (...)
  • Be tetika

    mardi 15 janvier 2008 | Naivo kely |  615 visites
    Tao anatin’ny 30 taona teo ho eo, no nandrenesana fa ny 85% ny Malagasy dia tantsaha avokoa, ary miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka io tantsaha io. Mitombina tokoa izany, raha mahita ny fari-piainan’izy ireo, satria ny tombon’ny fambolena mamelona antsika Malagasy tsy vaky volo indray no tena fadiranovana. Raha ny vidim-bokatra dia mazana tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy no handraisan’ireo mpijirika izany eny ifotony, koa tsy mahagaga raha mbola miaina ao anatin’ny fahantrana tanteraka (...)
  • Niverina amin’ny taniny ny Jiosy

    lundi 14 janvier 2008 | Naivo kely |  1055 visites
    Manoloana ny hasarotry ny fiainana ankehitriny, moa mbola hisy sahy hanohitra ny fanjakana ihany ve ireo mpanao politika izay hita fa nahery fomba fiteny tamin’ny fitondrana ankehitriny ? Io fanontaniana io no hisarihana ny sain’ny maro fa tsy hipetraka ao aminao intsony ny tena foto-kevitra rehefa tsy misy ny vola ho entina mihetsika. Fantatra mantsy fa hiverina hiasa eny anivon’ny ministeram-panjakana ny depiote mpanohitra maro rehefa tsy tafita intsony teo amin’ny fifidianana izay nataony. (...)
  • Izay mandalo dia mandavaka

    samedi 12 janvier 2008 | Naivo kely |  624 visites
    Gaga ny rehetra raha mahita ireto mpitondra fanjakana izay noesorina amin’ny toerany, izay mamela trosa hatrany rehefa mandao ny toerany, nefa fony izy ireo nitondra toa manambara fa mizotra hatrany ny asa fampandrosoana ka zary lavitr’izany trosa izany. Firy tamin’ireo mpitondra vao niala tamin’ny toerany izao no nahitana lavaka be rehefa nanao ny famindram-pahefana izy ireo. Matoa aloha noesorina na nosoloina dia hitan’ny filoham-pirenena fa tsy nahomby. Ny mahagaga anefa toa izay mandalo dia (...)
  • Voarahona ny mpanao gazety

    vendredi 11 janvier 2008 | Penjy R. |  1295 visites
    Tsy mijanona eo amin’ny tsy fahafaliany amin’ny fitsimbadihan’ny vokatra intsony ny mponina ao Ampefy, fa miroso amin’ny fandrahonana mpanao gazety indray ny raharaha. Rehefa nanao ny fitokonany ireto mponina maro amin’ny kaominina Ampefy ireto, dia nanambara fa hotohizana io mandra-pivoakan’ny vokatra tena marina. Ao amin’ny radio iray any amin’io kaominina io no saika atao fitaovana hifampitana hafatra ho an’ny vahoaka, saingy misy olona mitady hihoam-pefy. Vokatry io, dia nakatona vonjimaika (...)
  • Izao ve no tany mandroso ?

    jeudi 10 janvier 2008 | Naivo kely |  741 visites
    Raha ny kabary tsara lahatra dia haintsika Malagasy fa raha ny hitan’ny maso kosa dia toa ny mifanohitra amin’io no hita. Izay no zava-misy tsy azo lavina raha haka ohatra akaiky etsy Andralanitra ny lahatsoratra androany. Hianaka tsy ho ela eny amin’io faritra io sy ny manodidina ny valan’aretina kolera (« choléra ») raha izao no mitohy, noho ny hafitsoky ny lalitra mitondra otrik’aretina goavana ho an’ireo vahoaka monina eny sy ny manodidina. Toa tsy misy handrenesam-peo ny mety hisorohana ny loza (...)
  • Izay nitady dia nahita

    mercredi 9 janvier 2008 | Naivo kely |  927 visites
    Enin-taona lasa izay no nitadiavan’ny Malagasy tsy vaky volo fiovana teto amin’ny tany sy ny fanjakana, ka dia nahita na ny soa na ny ratsy. Ny soa aloha no andeha tanisaina satria dia nahita io fiovana isika rehetra. Vita ny làlana mampitohy ny faritra maro tany amin’ny faritany, toy ny tany amin’ny faritry SAVA. Teo ihany koa ny fahavitan’ny làlana teny an-tampon’Ihorombe izay tsy vita hatramin’izay. Ny lalana tetsy Anosibe sy ny tsena maro ary ny fiantsonan’ny fiara mpitatitra olona. Ireo no (...)
  • Fanomezana hafahafa

    mardi 8 janvier 2008 | Naivo kely |  655 visites
    Vao manomboka ny taona, dia nahazo fanomezana hafahafa ny vahoaka Malagasy. Tsy inona io fanomezana io, fa ny fiakaran’ny vidin’ny solika eto amintsika. Ekena fa mizaka io avokoa ny firenena maro eran-tany noho ny fiakaran’ny barila ho 100 dolara, kanefa inona kosa no mba aro-riaka hapetraka ho an’ny isan-tokantrano ? Ny vidim-piainana dia tsy maintsy mbola hitombo aorian’izao fiakarana izao, kanefa azo atao tsara ny misoroka fanararaotana maro isan-karazany izay miainga amintsika mianakavy (...)

0 | ... | 200 | 220 | 240 | 260 | 280 | 300 | 320 | 340 | 360 | ... | 500

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS