Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 12h32
 

Teny zato, kabary arivo

Tsy hita ny tena marina

jeudi 24 janvier 2008 | Naivo kely |  427 visites 

Sahiran-tsaina ny mpanao gazety Malagasy raha mandinika ny mety ho endriky ny fifidianana izay ho biraon’ny-holafitra vaovao eto Madagasikara amin’izao . Tsy hita ny tena marina satria tsy mbola voafaritra mazava ireo hikarakara sy ny tena daty marina hanaovana izany, ka mampiroroha saina ny rehetra. Voalaza fa ny datin’ny 2 febroary izao no hanaovana ity hetsika ity, saingy ny fotoana mandeha, ary efa andro vitsy sisa dia higadona io daty dia mbola tsy hita veroka ny mety ho endriky ny fifidianana. Teo aloha dia misy 15 andro hanaovana ny fampielezan-kevitra toy ny fifidianana rehetra izay niseho teto, kanefa hatramin’izao dia toa tsy misy io raha ilay daty voalaza etsy aloha no jerena. Omaly dia nanao hetsika ny AJRP sy ny AJJM fikambanan’ny mpanao gazety tanora sy ny onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara izay nametraka fa tokony tsy hitsabahan’ny fanjakana ny fanatontosana io, fa anjaran’ny mpanao gazety no mikarakaraka izany, satria raharaha tokantranony io. Raha ilaina dia sehatra tsy miankina ihany koa no handray an-tànana izany, ary omena ny fahafahany miatrika ity fifidianana ity ny namana mpanao gazety any amin’ny faritany. Maro ireo kandida vonona ny hilatsaka, kanefa kandida iray ihany no namaly ny antso, dia ingahy James Ramaroson. Vonona ny mbola handray an-tànana ity holafitra ity indray ny tenany raha ny filazana nataony omaly no resahina. Fa rahoviana marina ny tena daty e ? Izay angamba aloha no tena maika.