Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Teny zato, kabary arivo

Nankaiza i Hery Rafalimanana ?

mercredi 30 janvier 2008 | Naivo kely |  1630 visites 

Iray volana mahery izay no tsy nahitana intsony an’i Hery Rafalimanana izay PDS teto amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra. Ninia nangina sa nampanginina ? Io no fanontaniana mipetraka amin’ny rehetra, taorian’ireny fifidianana natao teto Madagasikara ireny, izay heverina fa tsy tokony ahamenatra raha ny asa vita napetrany tao anatin’ny valo volana nitondrana ity renivohitra ireny. Tsy re firy intsony ity PDS izay nanana ny fomba fiasany nampiavaka ny renivohitra, satria iza no tsy niaky fa lehilahy teknisianina tokoa izy, saingy ny safidim-boahoaka no nampilofika ilay fampandrosoana izay efa namelana teto amin’ny asa izay apetrany. Na teo aza ireny fifidianana naharesy azy ireny dia mbola maro no mahatsiaro azy, eny fa na ireo tsy nifidy ity PDS ity aza nametsovetso mahita ireo zava-bitany, ary tsy vitsy no milaza hoe inona no sakana tsy hanomezana sehatra azy amin’ny asa izay heverina fa mifanitsy amin’ny fahaizany ? Nanambara ny mpitondra fanjakana fa ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity, misy ve ny sakana tsy ahafahana miara-miasa indray amin’ingahy Hery Rafalimanana ? Ny tao-trano tsy efan-irery, ary tsy hanilihana antokon’olona ny asa fanarenana an’ i Madagasikara, ary samy miventy io avokoa ny antoko sy ny fikambanana rehetra. Manantena isika fa tsy ho raraka an-tany ireny asa efa natomboky ity olona notendrena valo Volana teto andrenivohitra ity, ary ho azo antoka fa tsy handà izay ho fiaraha-miasa vaovao hiantsorohany ny lehilahy, ka hipetraka tokoa ilay teny fanevan’antoko iray hoe “ny asa vita no hifampitsarana” , fa tsy hifampi-palàna.

Sa izay rendrika tsy sakaizan’ny mpandresy ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}