Filamatry ny firenena Malagasy ny hitovy amin’ireo tany mandroso any ivelany, ary rah a ny tsapa dia na ny fomba firesaka amin’ny raharaham-panjakana aza, dia moa va tsy ireny firenena matanjaka ireny no ambetin-dresaka. Ny soa fianatra, ary firenena izy no tsy haniry ny hilahatra amin’ny ngeza. Ny mampalahelo anefa dia misy azo hampiharina eto, ary misy tsy azo atao. Raha mahita ireny fifidianana any ivelany ireny ny maro dia manjaka tokoa ny ady hevitra politika volana maro mialohan’ny latsa-bato. Miainga amin’io no ahitan’ny vahoaka ny mety ho fandaharan’asan’ilay kandida, indrindra fa ny politika apetrany raha lany izy. Hita taratra io tany Frantsa ary io efa manomboka mafana io koa ny any Amerika, izay ahitana ny hery ankavia sy ny ankavanana tsy mifampitsitsy eo amin’ny famelabelaran-kevitra izay atao. Ireo firenena roa ireo mazana no ataon’I Madagasikara filamatra, saingy nahoana no tsy mba nasiana ireny ady hevitra nifanatrehan’ny kandida ireny teto nandritra ny fifidianana izay miseho ? Mazana dia ny olona eo amin’ny fitondrana no tsy sahy miditra amin’io resaka io, ary samy nahatsapa izany ny rehetra. Ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra, koa ampiaro eto izay misy any ivelany fa zakan’ ny toe-tsaintsika izany, sa tsy mahay maka tahaka indray isika mianakavy ? Sa ny ady hevitra maningotra seza na hanakorontana ny saim-bahoaka ? Ratsiraka sy Zafy Albert no sahy nanao io teto, koa inona no maharatsy ny famerenana ireny amin’izao vanim-potoanan’ny mangarahara izao, indrindra fa hisy fifidianana roa hatao indray afaka volana vitsy. Ho diso ve ny hafa raha hilaza fa tamin’ny andron’ingahy Zafy no tena nanjaka ny demokrasia satria tamin’izany no tena nahitana ady hevitra teto amin’ny firenentsika. Vitan’ny hafa ve tsy ho vitantsika e.
Tsy mahay maka tahaka
mercredi 16 janvier 2008 |
| 719 visites