Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mercredi 18 juin 2025
Antananarivo | 12h32
 

Teny zato, kabary arivo

Miposaka any antsinanana

mardi 22 janvier 2008 | Naivo kely |  856 visites 

Rehefa tratrin’ny ankivy ara-politika nandritra ny taona maro ny tao Toamasina, dia mihazakazaka kosa ny fampandrosoana atao any amin’io faritra io ankehitriny. Ho vitaina ny làlana ao an-tampon-tanana, ho esorina ny fako, ary hamboarina ny lapan’ny tanàna. Toy izany ny seranan-tsambo izay heverina fa ho isan’ny lehibe indrindra aty amin’ny ranomasim-be Indiana. « Ho renivohitry ny ara-toekarena i Toamasina », hoy ny filoha Ravalomanana, ary nihazakazahan’ny mpitondra fanjakana tao anatin’ny andro vitsy ity faritra ity, satria maika ny hampandrosoana an’i Toamasina. Tsara ny fanapahan-kevitra ary azo lazaina fa izay vao tena miposaka avy any antsinanana ny masoandro vao maraina ary hita fa tena ho taonan’ny asa ity taona 2008 ity. Mba hanao ahoana ny eto andrenivohitra, izay hita fa toa mihisatra ny asa raha mitaha amin’ny Toamasina ? Fifaninana masina ny fampandroana ny tanàna tahaka izao, ary enga anie mba tsy hisy intsony ny fanaovana sorona ny tanàna sy ny vahoaka rehefa olona tsy mitovy firehana no mitantanana tanàna, toy ny tany Fianarantsoa sy Toamasina teo aloha.