Iray volana teo ho eo izao no nandraisan’ny ben’ny tanana Andry Rajoelina ny fitantanana ny tanàna teto Iarivo, ary mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka ny olona afaka hiara-miasa aminy ity ben’ny tanàna ity hatramin’izao. Mbola fitarainana ihany koa aloha hatramin’izao no heno amin’ny tsy fisian’ny vola afahana miasa, sy ny hambara ho sakatsakana eo amin’ny lafiny maro samy hafa, ka mbola manarina ireny lesoka ireny no atao. Ny vahoaka anefa tsy mijery izany, fa matoa nampiakariny teo dia ny ahavita betsaka noho ny teo aloha, ary aoka tsy ho adino fa valo volana monja ilay olona nodimbiasana teo dia efa afaka nampiseho izay fahaizana manatsara an’Iarivo. Ekena fa iray vola mbola tsy afahana mitaratra ny tena ezaka ho tratrarina, saingy tsy mbola hita taratra mihitsy hatramin’izao ireo fampanantenana nambara nandritra ireny fampielezan-kevitra ireny ? Manao antso amin’ny FAR izay tsy hita izay maharatsy izay efa fanaon’ny teo aloha. « Ny tao-trano tsy efan’ny irery », hoy ny Ntaolo. Ekena izany fa saingy, ny mampametram-panontaniana ny maro dia ny hoe tsy efa nandray vonona ve ny Ben’ny tanàna ankehitriny manoloana ireo asa efa tontosain’ny teo aloha, koa fomba fitantanana manao ahoana no tiana hapetraka satria ve fomba fitenenana ny hoe : « eo ampandrasana tokoa vao hita ny atiny » ?
Vola avy amin’ny mpandraharaha iza marina ary hoy ny maro no hanaovana ireo kianja tsara tarehy naseho ny maro teny an-kianja ireny toy ny eny Antsonjombe sy Andohalo. Ny vola handraofana fako aza ity hiantsoana FAR ! Miandry ny masinina ny vahoaka, fa aza avela ho diso fanantenana eo ampiangana satria izay no hitarafana ny fahaizan’ny mpamily eo amin’ny tanjona ho tratrarina, ary aza avela hiadam-pandeha ny TGV e.