Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h57
 

Teny zato, kabary arivo

Misy tokin’aina ny 4X4

jeudi 25 octobre 2007 |  771 visites  | Naivo kely

Velom-bolo ny ankamaroan’ny depiote maro teny Tsimbazaza raha nandre ilay tenin’ny filoha Ravalomanana tany Mandoto omaly izay nilaza fa hanome fiara 4X4 ny depiote voafidy tao amin’io faritra io ny tenany mba ahafahan’io olom-boafidy miasa tsara. Tsy mitsipaka ny tapaka nandritra ny filan-kevitry ny Governemanta ho nandrara ny fanomezana 4X4 aho, hoy ny filoha fa azo atao tsara ny mijery fitaovana ho an’ny hafa.

Hatreto dia maro ny ao Tsimbazaza no velom-bola ny ahazoana fiara sy tombotsoa hafa, satria ilaina amin’ny asa izay ho sahan’izy ireo amin’ny faritra rehetra any ny fiara tsy mataho-dàlana, ary hita fa TIM no maro an’isa koa nahoana no tsy omena izay tadiaviny ny mpiara-mitolona ? Iretsy ambiny tsy miankina aza toa efa hiova loko hanaraka ny làlan-kizoran’ny fitondrana koa tsy izao ve no tonga amin’ilay fiteny hoe tafaray ny tia sy ny manina ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS