Mitohy ny loabary andasy atao eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha izay tarihan’ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana, ka niompana tamin’ny fanjakana tsara tantana sy ny sehatry ny fitsarana ny raharaha ary ny serasera ny ady hevitra.
Nomeny lanja manokana ny fanjakana tan-dalàna, ary toy izany koa ny fahaleovantenan’ny fitsarana. Manjaka ny tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ka miraviravy tànana ny ankamaroan’ny vahoaka satria tsy misy rindran-damina ny fiarovana ny firenena. Hentitra ny filoha amin’ny hanatsarana ireo voalaza ireo. Hatreto dia maro ny tsy milamina ny fomba fiarovana ny vahoaka sy ny fananany, ka na ny filoha faratampon’ny foloalindahy sy ny fitsarana aza mahatsapa izany, koa mainka fa ny vahoaka izay hianjadian’ny tsindry hazo lena ataon’ny mpanao ratsy isan’andro vaky izao. Aorian’ity loabary andasy eny Iavoloha ity, manantena ve isika fa fa ho tsara tantana amin’izay ny raharaham-panjakana rehetra ? Ahaleo-tena ihany koa ve ny fanjakana sa mbola hisy sahy hitsabaka amin’io sehatra iray io ? Tsy natao handaniana andro ny loabary andasy toy izao, ary miandry ny vokatra tsara hipaka isam-paritra sy ny isam-batan’olona isika rehetra atsy ho atsy.