Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 16h21
 

Teny zato, kabary arivo

Potika i Zakahely

jeudi 8 novembre 2007 |  1081 visites  | Naivo kely

Tsy hisy mpanohitra afaka haneho hevitra intsony eto, satria izay mba kely nananana nantenaina hitondra ny feon’ny ankilany ho eny amin’ny Antenimieram-pirenena, dia niharan’ny sazy mihatra navoakan’ny fitsarana 30 volana an-tranomaizina. Taorian’ny namerenana ny fifidianana tany Mananara-Avaratra izay hita fa nitarika tamin’ny isam-bato lavitra i Zakahely ka novereziny lavitra be ny kandida natolotry ny TIM dia efa tsinjo ny mety mangidy ho zakain’ity depiote avo vava teo aloha ity. Potika i Zakahely hatreto, satria ny fanantenana kely ho eny Tsimbazaza votsotra, ary ny antoko mpanohitra mba nantenaina hiray hina io manao ny ataony io. Na ny hanati-bary ho an’ingahy depiote tratry ny hoditr’akondro aza tsy hisy hanao izany raha oharina amin’ireo efa any am-ponja ny resaka. Vita ary tsy hisy mpanohitra sahy haneho ny heviny intsony eto, noho ny fahatsapana fa ny tombotsoa hanaovana politika dia ny fonja. Tsy sanatria mandiso ny didy navoakan’ny fitsarana ny kabary arivo tanisaina eto, fa toa mahalasa fisainana izao fandevenana ny mpanao politika sahy mamaky bantsilany ny lesoka eto. Ny toeram-boninahitra hifandimbiasan’ izay mitondra, fa ny fonja hifandimbiasan’izay manohitra.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS