Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
lundi 20 mai 2024
Antananarivo | 19h52
 

Teny zato, kabary arivo

Ho lasan’i Yvan ny filoha ?

mardi 23 octobre 2007 |  946 visites  | Naivo kely

Anarana roa no be mpiresaka ho filohan’ny Antenimieram-pirenena atsy ho atsy, izay heverina fa olona mendrika hitondra ity andrim-panjakana iray, dia eo ny filohan’io teo aloha Mahafaritsy Samüel, izay nahafehy tsara ireo depiote teo ambany fitantanany, ka nahafahan’ny rehetra naneho ny heviny tao amin’io lapa io. Ny faharoa dia ny filohan’i TIM, Yvan Randriasandratriniony izay heverin’ny rehetra fa amin’ny maha-filohan’i TIM azy, izay maro an’isa eny Tsimbazaza, dia rariny raha apetraka aminy io adidy lehibe io, mba hampirindra ny asa eo amin’ny mpanao lalàna sy ny mpanan-tanteraka. Olona tsy mba nanana gidragidra teo amin’ny hery politika maro ireo ka afaka mifandray amin’ny rehetra tsara sitra-po eo amin’ny lafiny fampandrosoana sy ny maha-olona. Fantatra ihany koa fa misy depiote efa nitana andraikitra goavana teto amin’ny firenena mikajy mafy handray io toerana io, saingy raha ny feo mandeha etsy sy eroa, dia ny asa efa nataon’ny tsirairay ihany no hitsarana ny olona, ka ireo anarana voalaza ery ambony ireo no tena hifantohan’ny sain’ny depiote ao Tsimbazaza. Ny 23 oktobra izao no fanombohan’ny fivoriana voalohany, ka ho hita eo izay mamy hoditra amin’izy samy TIM.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS