Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Articles dans la rubrique « Malagasy »

  • Radio Antsiva

    Maha be resaka

    mercredi 18 juin 2008 |  729 visites
    Mbola mitohy ihany ny fanatsafana sy kabary tsy valiana manodidina ny fanafoanana ny fandaharana « Morning Show » sy « Ny Marina » ary ny famakafakana mialoha ny vaovao niandraiketan’i Lalatiana Rakotondrazafy. Ity mpanao gazety ity moa dia nihanona fotsiny tamin’ny filazana mivantana fa fanapahankevitry ny Filankevi-pitantanana ireo. Inona no tena marina ? Raha toa nisy faneriterena na tsindry haloka ka nahatonga ny sasany hilaza fa hoe kanosa ny Radio Antsiva na ny tompony dia (…)
  • Anosibe Mandrangobato II

    Zava-maneno manakotaba fiaraha-monina

    mardi 17 juin 2008 | Hery A. |  948 visites
    Samy manao izay saim-pantany ireo olona manana zava-maneno ka entina manakotaba fiaraha-monina na dia fantatra izao aza fa misy lalàna mandrara izany. Nandritra ny herinandro teo izay no namoahan’ity mpivarotra fanaka iray ny zava-manenony eo amoron’ny arabe. Mitatatata tsy ifandrenesana izany mandritra ny tontolo andro, na elanelan’andro na alahady. Maro no manao ity fihetsika manafintohina ny mpiara-monina ity saingy ity eo amin’ny fokontany Mandrangobato II etsy Anosibe ity dia fanahy (…)
  • Baolina kitra Malagasy

    Tery ny lalan-kizoran’ny omby masiaka

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  538 visites
    Vita ny lalao mandroso, ny miverina sisa fanantenana. Kivy tanteraka ny mpitia baolina kitra Malagasy mahita ny korontan-dava eo amin'ity kitra Malagasy ity. Ekena fa tsy mbola resy isika, fa ny ady sahala lava ity tsy midika ho fahombiazana. Hita taratra aloha hatreto, fa mbola navotan'ny mpitsara hatrany isika, na tany Botswana na tetsy Mahamasina. Toa tsy mahita ny lalan-kivoahana ny mpilalaontsika, ka dia nahilika any amin'ny mpanazatra ny tsy fahombiazana rehetra. Tompon'andraikitra tsy (…)
  • Antoko Fitarikandro

    Tsy mandray ny andraikiny ny FFKM

    mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  439 visites
    Tsy misy hery mijoro ho elanelam-panahy eto, ka izay no hijoroan'ny Fitarikandro. Lalana iray tsy azo hialana anefa io, izay hisoroana ny mety hitrangan'ny disadisa lava eto, ka vonona amin'izany ny antokoko hoy ingahy Ramarokoto Jean Aimé. Tsy maintsy hirosoana haingana ny fametrahana ny fahamarinana sy ny fahamasinana fa tsy atao am-bava fotsiny. Io no lalana ahafahana miara-miasa miaraka fa tsy hanavahana mpanao politika na hery hafa. Raha mbola mitoetra io fanavahana io dia tsy handroso (…)
  • Zotra taxibe 183

    Tsy mahay manaja mpanjifa

    lundi 16 juin 2008 | Volana R. |  747 visites
    Ireo mpandeha amin’iny làlana Ambatobe - Anosy- Ambatobe iny, mandalo Analamahitsy na 67 ha, dia efa mahafantatra tsara fa ny zotra 183 no zotra tsara andehanana raha toa ka maika hamonjy toeram-piasana na fianarana. Izany hoe amin’ny 6 ora hatramin’ny 6ora sy sasany maraina. Ankoatra izay kosa, dia aleo mamonjy zotra hafa mihitsy, satria manao ny sitrapony, araka izay tiany ireo mpamily sy resevera. Fa inty kosa indray zavatra hafa tsy nampoizina no nafitsony, ny andron’ny sabotsy lasa teo (…)
  • Dadabe Monta • Herintaona tsy nisotroana toaka

    Nahangona iray tapitrisa ariary

    samedi 14 juin 2008 |  849 visites
    Rehefa tsy nisotro toaka nandritra ny herin-taona ity lahiantitra iray dia nahangona iray tapitrisa ariary. Gaga izahay raha nilazany fa manana ambimbava iray tapitrisa ariary i dadabe Monta noho ny tsy fisotroany toaka tao anatin’ny herintaona. Tamin’ny volana janoary 2007 izy hono no nisotro toaka farany. Nanomboka tamin’io volana io dia nangoniny daholo ny vola tokony hividianany toaka dia nanome iray tapitrisa ariary. • Madagascar Tribune : Inona no nahatonga anao hiala tamin’ny toaka ? (…)
  • Resy indray i Voninahitsy

    Nampiakatra didy fandravana ny mpisolo-vava

    samedi 14 juin 2008 | Naivo kely |  476 visites
    Tsy mahita rirany i Voninahitsy. Resy teo anoloan'ny fitsarana ambony indray ny tenany omaly, ka hampiakatra ny raharaha eo anoloan'ny didy fandravana ny mpisolo vava azy. Didy efa nandrasan'ny rehetra ihany iny fanampahan-kevitry ny fitsarana iny, izay mitazona ilay sazy 4 taona antranomaizina. Firaisana tsikombakomba tamin'ny naha-vaky ny fonjan'Antanimora no niampangana azy. Nisy ny gadra afaka nandositra, ka voalaza fa ny basin'ingahy Voninahitsy no tratra tany aminy. Ny (…)
  • Fanadinana CEPE 2008

    Nanome tsodrano ny filoham-pirenena

    samedi 14 juin 2008 | Hery A. |  461 visites
    Hafatra avy amin’ny filoham-pirenena malagasy no nampitain’ny praiminisitra Rabemananjara Charles, dia ny firarian-tsoa ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahana amin’ny faha 16 jona izao. Ny EPP Anosibe no nofidian’ny governemanta nampitàna izany firariantsoa izany, omaly zoma maraina, ka tonga teny an-toerana ny tenany nanambara izany. Miisa 400 mianadahy ireo mpianatry ny EPP Anosibe hiatrika ny fanadinana CEPE. Notoloran’ny fitondram-panjakana (…)
  • NOSY BE

    14 taona dia efa mivaro-tena

    vendredi 13 juin 2008 |  3973 visites
    Zazavavy kely vao 14 taona dia efa mivaro-tena ao Nosy Be. Tsy misy fahamenarana intsony. Tsy misy fepetra matotra rahateo raisin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Mahakivy ny mijery ny fiainan’ny mponina ao Nosy Be. Vitsy ny olona tena manana anton’asa, zara raha misy mpianatra any an-tsekoly. Mampalahelo ny fahitana zazavavy kely, mivaro-tena, misarangotra vazaha isan’alina. Voatavo tsy mifandraka tokoa satria misy vao 14 taona monja. Fa ny tena mahavariana dia ny valintenin’izy ireo (…)
  • Port-Bergé

    Sarona ny vola sandoka ar 3 tapitrisa mahery

    vendredi 13 juin 2008 | Hery A. |  713 visites
    Lehilahy miisa 3 mpanao vola sandoka no saron’ny mpitandro filaminana tao amin’ny hotely iray ao Port-Bergé, tamin’ny alarobia lasa teo. Sarona tamin’izy 3 lahy ny fitaovana fanaovany ny vola sandoka, toy ny loko mena sy manga, alikaola ary fitaovana madinidinika samihafa. Vola sandoka ar 10.000, mitotaly ar 3.138.000 no mbola tavela tamin’izy 3 lahy. Nanamafy ny maha jiolahy raindahiny azy ireto koa ny nahasaronana basy « PA » miisa 4 be izao, miaraka amin’ny bala mahafaty miisa 4. (…)
  • Antsirabe faharoa • Ambohitsimanova

    Lonilony niteraka vono sy hain-trano

    vendredi 13 juin 2008 | Princia R. |  576 visites
    Olona telo tsy nahatsiaro tena, ny trano may : io no vokatrin’ny lonilonim-pianakaviana niseho tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny commune ambanivohitr’Ambohitsimanova anatin’ny distrikan’Antsirabe faharoa. Asa ity nahazo ity raim-pianakaviana iray tao Ambohitsimanova fantatra amin’ny anaram-bositra hoe « Naivokaratra » fa nila vaniny tamin’ny fianakavian’ny rahalahiny iray tampo aminy ka niafara tamin’ny fandorana trano. Ny harivan’ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora teo ho eo dia (…)
  • Soanierana Ivongo - Sainte Marie

    Tsy navela niasa ny lakana haingam-pandeha

    jeudi 12 juin 2008 | Hery A. |  617 visites
    Nihitsoka ny fitaterana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy ny nosy Sainte Marie, omaly maraina ka saika niteraka savorovoro tany Sainte Marie mihitsy. Tsy nisy niasa ny lakana haingam-pandeha noho ny filazana ofisialy navoakan’ny kaominina Soanierana Ivongo. Voalaza tamin’io fanambarana io fa tsy mahazo mampiasa ny fitaterana olona ireo lakana haingam-pandeha. Ny fivezivezen’ireo lakana haingam-pandeha amin’ny faritra iadidian’ny kaominina Soanierana Ivongo no voakasiky ny fanambarana, ka (…)
  • Mahajanga • Fanadinana BEPC 2008

    Misy laza adina miparitaka sahady

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  559 visites
    Inona indray ity? Io no fanontaniana mipetraka amin'ireo ray aman-drenin'ny mpianatra sy ny mpianatra ao Mahajanga, raha nahita karazana laza adina BEPC sahady nipariotaka tany antoerana ny alatsinainy sy talata lasa teo. Tsy hay mazava, na laza adiny avy aiza izy io na avy aiza, fa dia roboka nijery sy naka sopapa tamin'io ny ankamaroan'ny ankizy hanala fanadinana BEPC 2008. Dia ho sanatria ve hoy ny mpitazana, dia hisy mpamosavy malemy hamotika ny ho avin'ny ankizy toy ny hita taona vitsy (…)
  • Fizahan-tany eto Madagasikara

    Mahaliana ny vahiny ny vakoka Malagasy

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  1525 visites
    Kolokoloy, fa hampiditra vola vahiny betsaka ny vakoka Malagasy. Isan'ny toerana tsara, ary mahaliana ny maro na avy eto antoerana na ny vahiny ireo toerana manan-tantara eto Madagasikara. Raha tsy hiteny afa-tsy ny Rovan'Ambohimanga sy ny rovan'Ambohidratrimo isika. Maro ny vahiny no tonga mitsidika ireny. Mazana anefa dia tsy ampy ny fikolokoloana ireo vakoka malagasy mbola mijoro. Toy izany koa ireo toerana azo tsidihana na hialana voly toy ny eny Mantasoa sy Ampefy, raha ny manodidina (…)
  • Mihetsika ny CRN

    Any Vohemara i Zafy Albert sy ny tariny

    jeudi 12 juin 2008 | Naivo kely |  723 visites
    Tsy mijanona hatreo ny tolona. Lasa nitsidika vahoaka any Vohemara indray ny Profesora Zafy Albert, miaraka amin'ireo mpikambana ao amin'ny CRN. Fijerena ifony ny fahoriam-bahoaka no anton'izao fitetezam-paritra izao. Efa nandalo tany Sambava ihany koa ry zareo araky ny voalazan'ny mpikambana ao amin'ity CRN ity. Ankoatry io, dia mametraka amin'ny vahoaka izay lalovany izy ireo, ny tokony hirantsika ao anatin'ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita. Heno hatrany ny filazan'izy (…)
  • Famoronana asa vaovao

    Vola be ny fako etsy Andralanitra

    mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  907 visites
    Izay sahy mikaroka no ahita fahombiazana. Toerana iray tsy mahatamana ny mpandalo, fa kosa mamelona olona sahirana maro ny fako etsy Andralanitra. Mponina aman-jatony isan'andro no mivelona eo amin'ireo fako ariana eny an-toerana. 600 ka hatramin'ny 700 taonina no fako ariana isan'andro eny. Midadasika ny toerana, ary efa maro ireo nihevitra fa azo atao tsara ny manangana orinasa eny hanodina ny fako ho lasa zezika ka amidy eto an-toerana na ahondrana any amin'ireo nosy manodidina antsika. (…)
  • Atrk’asa ny MAP

    Vonona am-bava ny vahiny

    mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  398 visites
    Nifarana omaly ny fikaonan-doha momba ny MAP. Vonona ireo firenena vahiny ny hanohana ny tetik'asa izay voarakitra ao anatin'ny MAP. Vola mitentina 5 miliara dolara no ilaina, ahafahana miasa mandritra ny dimy taona. Raha izay atrik'asa nandritra ny roa andro izay no jerena, dia hita fa mbola fanekena ambava hatrany no ataon'ny mpamatsy vola mahazatra sy ireo firenena vahiny. Tsy mbola voafaritra mazava ny vola hanampian'izy ireo antsika, indrindra fa ny hanomezany ny vola. Toy ny fahita (…)
  • Lalam-baovao Anosibe

    Manjaka ny tsy ara-dalàna

    mardi 10 juin 2008 | Hery A. |  576 visites
    Maro no efa tratran’ny mpitandro filaminana tamin’ny fanaovana ny rakim-peo sy rakitsary hosoka, saingy toa mbola maro no manao bizina ity herimpon’ny artista ity. Amidin’ny olona eny amoron-dalana ireo rakikira isankarazany. Amin’iny moron-dalana Anosibe iny no tena feno azy, maraina hatramin’ny hariva. Ifandrombahana ireo rakikira sy rakitsary an’ny artista malaza malagasy sy vahiny, ahitana an-dry Ndondolah sy Tahiry, Rossy, Melky, Rebika, Mahaleo sns... Raha tombanana dia saika ny (…)
  • Fanabeazana

    Omen-danja ny zaza madinika

    mardi 10 juin 2008 | Volana R. |  423 visites
    Manomboka any amin’ny mbola kely ny fanabeazana fa tsy miandry fotoana. Notokanana ny sabotsy lasa teo ny fanavaozana ny EPP ao Ambatomitsangana, kaominina ambanivohitra Talatavolonondry, distrika Avaradrano. Afaka mandray mpianatra 200 ankehitriny ny toerana, raha ohatra ka 83 ihany no afaka namonjy ny dabiliom-pianarana teo aloha. Efitra fianarana ahitana famakiam-boky, efitra manokana ho an’ny zaza madinika ary dabilio sy latabatra, boky ary toeram-pilalaovana no norafetina, niaraka (…)
  • Atrik’asa momba ny MAP

    Miandry ny famindram-pon’ny mpamatsy vola

    mardi 10 juin 2008 | Naivo kely |  369 visites
    Tsy mitsahatra ny miketrika ny sain'ny mpitondra fanjakana mba ampahombiazana ny MAP. Vola 5 miliara dolara no ilaina ahafahana manatontosa ny MAP. Io no nambaran'ny filoha Ravalomanana omaly teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha, raha nanao ny fikaonan-doha niarahana tamin'ireo mpamatsy vola ivelany. Tsy maintsynatao izay aharesy lahatra ny mpamatsy vola vahiny mba hanomezany io vola io. Lalana iray tsy azo hialana ny fanampian'ny mpamatsy vola, ka raha sanatria tsy hisy ny fanampiana, dia (…)

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}