Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Baolina kitra Malagasy

Tery ny lalan-kizoran’ny omby masiaka

mardi 17 juin 2008 | Naivo kely |  538 visites 

Vita ny lalao mandroso, ny miverina sisa fanantenana. Kivy tanteraka ny mpitia baolina kitra Malagasy mahita ny korontan-dava eo amin’ity kitra Malagasy ity. Ekena fa tsy mbola resy isika, fa ny ady sahala lava ity tsy midika ho fahombiazana. Hita taratra aloha hatreto, fa mbola navotan’ny mpitsara hatrany isika, na tany Botswana na tetsy Mahamasina. Toa tsy mahita ny lalan-kivoahana ny mpilalaontsika, ka dia nahilika any amin’ny mpanazatra ny tsy fahombiazana rehetra. Tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany anefa ny federasiona na toy inona fialany bala momba iny tsy fahombiazana teto amin’ny tanin’ny tena iny. Tery ny lalan-kizoran’ny omby masiaka hatreto, satria any an-tanin’olona avokoa ireo lalao miverina ho ataon-tsika.

Mahamenatra ny nahita ny ady an-trano tetsy Mahamasina ny alahady raha vao hanomboka ny lalao. Toa mitombina ihany ny fijerin’ny maro tamin’ny nandravana ny federasiona farany teo, mba ahaizantsika mijery ifotony sy manatsara ireo hoavin’ny baolina kitra Malagasy.

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}