Facebook Twitter Google+ Les dernières actualités
mardi 17 juin 2025
Antananarivo | 23h04
 

Malagasy

Famoronana asa vaovao

Vola be ny fako etsy Andralanitra

mercredi 11 juin 2008 | Naivo kely |  907 visites 

Izay sahy mikaroka no ahita fahombiazana. Toerana iray tsy mahatamana ny mpandalo, fa kosa mamelona olona sahirana maro ny fako etsy Andralanitra. Mponina aman-jatony isan’andro no mivelona eo amin’ireo fako ariana eny an-toerana. 600 ka hatramin’ny 700 taonina no fako ariana isan’andro eny.

Midadasika ny toerana, ary efa maro ireo nihevitra fa azo atao tsara ny manangana orinasa eny hanodina ny fako ho lasa zezika ka amidy eto an-toerana na ahondrana any amin’ireo nosy manodidina antsika. Hatramin’izao anefa dia mbola nijanona ho tetikasa ihany izany. Vao tsy ela ny filoha Ravalomanana no nihazo an’i Japon, ka nitsidika orinasa iray manodina ny fako ho lasa zezika. Voatokana ao avokoa ny tavoahangy « Plastika » sy ny alimo ary ny fakon’ny mponina andavan’andro. Ny « Plastika » azo ahodina ho zavatra hafa toy ny kapa, na kiraro. Ny alimo dia hiarahana mahita ny vokatra azo avy aminy raha arendrika. Toy izany koa ny fatim-by. Ny fandrendrehana itony fako itony dia miteraka angovo ahazoana herinaratra ny afanana mivoaka ao. Ny fako kosa dia atao zezika hamokaran’ny tantsaha. Tsy hisy ho very ireny fako ireny, ary hiteraka fidiram-bola betsaka ho an’ny mpandraharaha ny vokatra ho azo eo. Mila fampiasam-bola betsaka anefa ny fanombohan’ny asa, ka izay angamba no tsy mbola mamparisika ny maro hiditra amin’ity sehatra ity.

Midadasika ny toerana etsy Andralanitra ka ny tontolo manodidina hadio, ary ny vola vahiny hiditra.

Azo atao tsara noho izany ny mitrandraka ny fako hivadika vola, ka ny fakon’Antananarivo indray no tsy aharaka. Izay no azo hitarafana fa ny saina tia karokaroka no làlana iray ahafahana mamoron-javatra, ary manome asa maro ho an’ny tsy an’asa ny toy izao. Rehefa tsy hain’ny Malagasy ny manodina ireto fako ireto, koa nahoana raha itony no hiantsoana ny mpandraharaha vahiny toy ny an’ny Japon hitrandraka ny fakon’ny Gasy hivadika ho vola ?

Publicité




Newsletter

[ Flux RSS ]

Suivez-nous

Madagascar-Tribune sur FACEBOOK  Madagascar-Tribune sur TWITTER  Madagascar-Tribune sur GOOGLE +  Madagascar-Tribune RSS 
 
{#URL_PAGE{archives}}