Articles dans la rubrique « Malagasy »
-
Moxe Ramandimbilahitra
Ny teny no maha-firenena ny firenena. Isan'ny notakian'ny Teza hatramin'izay ny fampiasana ny teny Malagasy ho isan'ny teny enti-mampianatra. Tsy midika io, fa tsy hampiasa ny fomba fiteny vahiny isika, fa omena lanja lehibe ny tenindrazana.
Isan'ny fitakiana ataon'ny loholona Moxe Ramandimbilahitra ny hamerenana ny kilasy mandry. Lalana iray lehibe manampy ny tanora eo amin'ny fianarany ny toy izany. Manana soson-kevitra ny teza, izay efa nalefa eny anivon'ny ministeran'ny (…)
-
Fandraharahana
lundi 9 juin 2008
| 489 visites
« Fanohizana ny asam-bahoaka, ho an’ny vahoaka ». Mandalo ny olana ara-tsakafo izao tontolo izao, ary isan’izany i Madagasikara. « Tsy mbola hita loatra ny fiantraikan’izany eto amintsika, hoy ny depiote voafidy any Soavinandriana, Randriatolojanahary Roger. Na izany aza, ilaina ny fiomanana sy manatsara ny vokatra mba tsy ho tampoka ny fahatongavany ».
Mpandraharaha ihany koa ny solombavambahoaka, ary vonona ny hiasa ho an’ny vahoaka hatrany. « Politikam-panjakana ny fitadiavana (…)
-
Soavinandriana
« Ny asa sy andraikitra mitombo, kanefa ny karama tsy manaraka izay.» Manao antso amin’ny tompon’andraikitra sy manampahefana ny ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ambonivohitra Soavinandriana, Randrianasolo Solofomahatratra. « Azo sokajiana ho asa masina ny asan’ny ben’ny tanàna, hoy izy. Fahefana mpanatanteraka manakaiky indrindra ny vahoaka izy, ary ireo kabarin’ny filoham-pirenena sy ny fiofanana teny Iavoloha indroa miatoana dia manamafy ny asa sahaniny izay iankinan’ny fiainam-bahoaka (…)
-
Ny fahasalamanao
lundi 9 juin 2008
| 6848 visites
Araky ny nampanantenaina tamin'ny heriny dia hiresaka momba ny « eczéma » indray isika.
Ny « eczéma » dia anisan'ireo aretina azo avy amin'ny « allergie » koa. Izy ity dia aretin-koditra mangidihidy sy mivoara mibotsibotsina, mitera-drano avy eo ary dia lasa maina sy miofaka be dia be ny faritra eo amin'ny vatana mety ahitana azy io, ohatra tarehy, tanana, « oho », molotra na manodidina azy, taovam-pananahana aty ivelany...
Misy karazany 2 io aretin-koditra io ! « Eczéma de contact » na (…)
-
Fianarantsoa • fanohanana an’i Pety Rakotoniaina
Ela ny ela, tapa-kevitra ny hanohana an'i Pety ireo tanora ao Fianarantsoa. Tsy handeha irery izy ireo fa hisy mpanao politika hiara-dalana aminy.
Fitakiana ny hamoahana an'i Pety no anton'io, araky ny vaovao fantatra, ary tsy hisy resaka fanonganam-panjakana. Efatra no antony, dia ny filazana fa antony Politika no nanagadrana an'i Pety Rakotoniaina. Voalaza fa raha resaka firaisana tsikombakomba no nanomezana azy sazy 10 taona, nefa ny olona nahafaty olona toa latsak'io ny saziny. Eo ihany (…)
-
Hevitra
lundi 9 juin 2008
| 553 visites
Manomboka anio dia harahanao eto ny vokatry ny fandinihana nataon'ny manampahaizana iray izay efa masoivohontsika tany ivelany tamin'ny fotoan'androny.
Andian-dahatsoratra mitohitohyy no ifanesy eto izany hanampy antsika amin'ny fandinihana ny fianam-pirenena. Mety misy mahatsiaro fa efa namaky azy taona vitsivitsy lasa izay saingy tamin'ny gazety hafa. Havoakan'i Madagascar Tribune ho anao indray izy ity rehefa nahazo ny alalana avy amin'ny mpanoratra. Marihina fa tamin'ny taona 1997, (…)
-
Ambatondrazaka • mosavy « Vola mafana »
samedi 7 juin 2008 |
Hery A.
| 1293 visites
Lehilahy iray mbola tanora, mpandraharaha amin’ny fanangonam-bokatra no tratry ny hasomparan’ny mpiara-miasa aminy ka potika noho ny resa-bola ar 1 hetsy monja. Nasian’olona tamin’ny famosaviana antsoina hoe « Vola mafana » ka saika nanaraka hatramin’ny aina.
Araka ny fanaon’ity mpandraharaha tanora ity dia manangom-bary any amin’ny faritra Alaotra Mangoro ny tenany isaky ny fotoana fiakaran’ny vokatra tahaka izao. Misy ny namany amin’ity asa ity, monina any Ambatondrazaka ka nindrana vola (…)
-
Mpitarika sarety
samedi 7 juin 2008 |
Hery A.
| 508 visites
« Tsy fidiny anay ny hitarika sarety, sady faralahin’asa rahateo » : izay no fitenin’ireo mpitarika sarety. Efa noterena hanolo ny kodiaran’ny sarety ho kodiarana fiara tokoa ireto mpitrongy vao homana ireto. Mafy ny nanjo azy ireo tamin’izany satria tsy maintsy nividy kodiarana lafo. Ankehitriny dia tsy mahazo miseho masoandro fa amin’ny 6 ora hariva vao mahazo miasa.
« Inona no asa ataonay amin’ny alina eo ? » hoy ihany ireo mpitarika sarety. Ny mpanjifa tokoa aloha tsy handefa ny entany (…)
-
Fivoriana antampony aty Afrika
Tsy hiemotra amin'ny fanapahan-kevitra noraisiko aho. Io no setrin'ny fitakiana nataon'ny mpanohitra maromaro, izay nilaza fa tokony ahemotra ny fivoriana ataon'ireo filoham-panjakana aty amintsika ny volana jolay taona 2009 izao. Ny fahatongavan'ny vahiny tahaka izao no hahafahana manangana fotodrafitr'asa maro ho an'ny firenena. Noraisiny ohatra tamin'izany ny fihazakazaky ny firenena ny hanaovana ny mondialy eo amin'ny baolina kitra ao aminy. Ny mpandraharaha manao ny trano efa vonona ary (…)
-
Rafitra tetezamita
Alefa mitety faritra ny iraka avy aty amin'ny CRN hijery farany ny tohin'ny trakita izay naparitaka tao ho ao. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Profesora Zafy Albert omaly teny Ivandry. Ny fampihavanam-pirenena sy ny rafitra tetezamita, dia fepetra tsy tokony hiodivirana. Io no hany làlana hirosoana miala amin'ny krizy eto amin'ny firenena. Notsindriany manokana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny, izay toa tsy voavahan'ny mpitondra ankehitriny. Toa ny haitraitra no maha-maika azy (…)
-
Ramakavelo sy ny fanehoan-keviny
Vonjeo ny vahoaka, ary aoka izay ny fandaniana be loatra. Io indray ny fanehoan-kevitra nataon'ny Jeneraly Ramakavelo.
Raha misy ny vola atobaka any amin'ny fanitarana ny seranantsambo ao Toamasina sy ny etsy Ivato, nahoana raha ny resaka sosialy no hampiasana fandaniana ara-bola satria io no miantoka ny fiainan'ny mponina andavan'andro ? Miray feo amin'ingahy Herizo Razafimahaleo ihany koa ingahy Ramakavelo ny tokony hanafoanana ny fanaovana ilay fivoriana ho atao eto ny taona 2009 iny. (…)
-
Tetikasan-dRavalomanana
Raha ny fahantrana no tsy hanaovana asa dia tavela eto isika. Ny fametrahana asa mivaingana eto amin'ny firenena no taratry ny fandrosoana, ary isan'ny ankasitrahako ny tetiky ny filoha Ravalomanana amin'ny fanitarana ny seranan-tsambo ao Toamasina sy ny seranam-piaramanidina etsy Ivato.
Fanehoan-kevitra nentin'ny depiote tao Moramanga teo aloha, Henri Charles Randriamahefa io. Omeo hery ity filoha ity hahafahany mitady lalam-bola entina hampandrosoana ny firenena. Tsy ny tsikera lava izao (…)
-
Fanamboarana ny seranam-piaramanidina Ivato
Tsara ny tetika fa ny fanitarana seranam-piaramanidina ve no maika ? Toa niverimberina tao ambavan'ny maro io tao ho ao. Tsy azo omentsiny ny olona, satria vola be no ho laniana amin'izany.
Raha 1 200 tapitrisa dolara no hanitarana ity seranam-piaramanidina ity, dia ahavitana trano 35 000 isa ho an'ny Malagasy io. Tsy Villa kosa aloha fa trano manara-penitra azo hiainana tsara. Ny mompera Pedro aza tsy nanana vola be nahavita ireo trano mameno tendrombohitra etsy Ambohimahitsy.
Tsy (…)
-
Antsirabe II • Fiara nirehitra
Olona iray no maty, iray hafa miady amin’ny fahafatesana ary ny iray farany kosa afaka tsy naninona. Io no vokatry ny firehetan’ny fiara iray 405 berline tany Ambano Antsirabe ny alin’ny alatsinainy 02 jona teo. Avy aty Antsirabe ity fiara ity ary olona telo lahy no tao anatiny. Rehefa tonga tany Ambano ; teo anoloan’ny tranon’ny kaominina iny indrindra ; dia nijanona ilay fiara nikasa hampidina lasantsy ; alina moa ny andro ka nampiasa labozia nitsilovana : teo indrindra no niseho ny loza (…)
-
Baolina kitra Malagasy
Omaly no nigadona teto an-tanindrazana ny ekipam-pirenena Malagasy. Ny taranja baolina kitra io, rehefa avy nanao ady sahala tamin'ny Botswana ny sabotsy teo. Tsy nahataitra ny maro ny fandrenesana io ady sahala io, satria heno fa nanjakan'ny mpampian-trano tanteraka ny kianja nandritra ny lalao mandroso. Misy tombony ho antsika ny lalao miverina, saingy mila hamafisina haingana ny teknika sy ny fahaiza-miaraka eny ambony kianja. Omena fanampiana Ar 400.000 isan'olona ireto mpilalao ireto (…)
-
Apokalypsy
mercredi 4 juin 2008 |
Volana R.
| 986 visites
Lanonana dimy sosona no niainan’ny mpino Apokalypsy, ny sabotsy lasa teo, teny Atsavatsava- Itaosy, toerana hanorenany ny trano fiangonany, raha toa ka azo soa aman-tsara ny fanomezan-dàlana avy any amin’ny fanjakana.
Teo aloha ny fanosorana ireo loholona 200, dia ny diakona 700, izay samy efa nahatratra ny faha fito taonany ny fikambanana tsirairay. Noraisin-tànana sy no tsofin-drano ihany koa ireo misionera 23 mirahalahy, handeha hamaky lay ny fitoriana ny Soratra masina manerana ny Nosy. (…)
-
Kaominina Ambohimalaza Miray
mercredi 4 juin 2008 |
Penjy R.
| 381 visites
Izay nampanantenaina tsy maintsy vitaina. Hiroso amin'ny fifaninanana masina ny kaominina hiadidiako, hoy ny ben'ny tanàna Ramanantsoa Mbola, satria asa ilain'ny vahoaka no atao. Apetraka ny sekoly lehibe, ary hampidirina ny jiro amin'ireo fokontany mbola tsy nahazo izany. 12 ny fokontany eny amin'ity kaominina ity, ary mbola misy 7 no tsy nahazo hazavana. Tao anatin'ny enim-bolana voalohany izay, dia efa vita ny trano famakiam-boky, nohatsaraina ny biraon'ny kaominina, ary misy ny trano (…)
-
Tsena eto andrenivohitra
Raikitra indray ny fifanjevoan’ny saka sy totozy. Nahamenatra tanteraka ny nahita ny fifanjevoana teo amin’ny mpivarotra sy ny mpiasan’ny kaominina ny zoma hariva teo. Tsy nifidy olona noraofina intsony ny teo anivon’ny kaominina eto andrenivohitra fa izay tandrify azy dia voadaroka no noraofina avokoa. Efatra no naratra, ary ireo nanatri-maso nanambara fa nisy ny maty? Ramatoa lehibe iray nanambara fa mpangataka izy io. Iny zoma iny dia nisy ny fanadihadiana natao, fa tsy mbola nandrenesana (…)
-
Fanalàna ben’ny tanàna
Manomboka mandray ny asany ireo ben’ny tanana vao voatendrin’ny lalàna farany teo. Miisa enina izy ireo, ary nampita ny faneva kosa iretsy ben’ny tanàna ndao ny toerany. Ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana no namoaka ny didy tamin’ny herinandro lasa teo.
Tsy azo atao ambany maso tsy hita fa efa nosalorana ny samboady maha-ben’ny tanàna azy ireto vao nandao ny toerany ireto. Nandeha nifidy ny loholona ihany koa izy ireo, ary mbola nahazo fiofanana nandritra ny roa andro tetsy (…)
-
Ny fahasalamanao
lundi 2 juin 2008
| 7451 visites
Manomboka anio ary isaky ny alatsinainy dia hitafa aminao mikasika ny fahasalamana i dokotera ato amin’i Madagasikara Tribune. Ataony amin’ny teny malagasy mba ho tena tsy mialonjafy.
Mihanoka tanteraka ao anatin’ny vaninandro ririnina isika izao. Mety hivoaka na hiseho aminao na ao an-tokantranonao ny aretina isan-karazany mifandraika amin’izany vaninandro ririnina izany. Ho resahako anao ary ireo karazana aretina atao hoe « allergies » izay mateti-pitranga amin’ny ririnina.
Anio dia ny (…)